Kivindro,fandrôka ,alika...maro izy ireo

1. menalamba ( 05/08/2007 19:56)
Any amin-tsika angamba no tanana feno alika mirenireny betsaka indrindra an!
Taloha tsaroako fony mbola kely dia misy filazana @ radio matetika fa hisy famonoana alika mirenireny ka izay tsisy fehin-tenda dia avy dia voatifitra.Taty afarafara indray dia poizina no ampiasaina.Dia asa izao fa toa tena tsisy intsony izany.Izaho taloha dia tsimaintsy mitsimpona vato foana mameno ny paosiko raha vao miala ny taxibé teny @ nay,andeha hody any an-trano fa tena tsy mitsitsy mihintsy ry zalahy fa avy dia mandramatra manao andiany maro.Ilay tary teo ankaikinay moa dia voatery nitsindrona 28 teo @ fôtra fa laniny!Mba aiza ho aiza re izany izao é?efa nihena ve sa ahoana?:-/
novalian'i wooda ny 08/08/2007 22:48
2. Herimiafina ( 05/08/2007 20:11)
Mbola misy foana kah, ny ataovy mirenireny eny amin'ny zaoridira eny anie i Medor rehefa mandalo ny Kaominina fa tonga dia vita an!

Ny poizina dia blem satria be mpitrindroka zaoridira.

Ny blem manaraka dia kely ny parotsa entina hanaovana ny opération ka arakaraky ny fandehanjavatra sy ny enti-manana ihany io. :lol:

Ary farany, be sentiman be le bandy asaina manjedaka dia avelandry leirony izay mampalahelo! :^):@
3. Fiffi ( 05/08/2007 20:24)
o ry zareo an ! de mba ahoana kay zany poizina zany ? heu....nisy an'le emission hitako zay manko hoe : misy olona maka an'ireny tavoahangy en plastik ireny anaty fako be ireny an !
ohatranpoizina famonoana voalavo zao tena grave be raha kasiana am tanana "honn" ? fa tsy fantatro na marina na tsia io...sa ny poizina ho an'alika anaty hena ?:roll:
4. Herimiafina ( 05/08/2007 20:44)
Misy hena hariana ihany ve ry Fiffi tsy aleo ataoko tsaky klé! :-D:^):@

Poizin'alika, mampi-te-hanandrana toy ny baombao manintona ny maso sady manintona ny orona avy hatrany. Dirandoza be dia tokony asiana soratra milaza ny fametrahana azy eny amin'ny zaoridira izay misy azy, saingy maro ny tsy mahay mamaky teny, ka dia aleo tonga dia atao opération fisamborana alika dia any amin'ny toerana voatokana no euthanasier-na izy. :@
5. ikaretsaka ( 06/08/2007 00:29)
eto aty izany kvindro izany hanina le..
tsara ny alika ho an'izay tsy mbola nanandrana..
ohatran'ny odry izay ny henany
6. niryna ( 06/08/2007 00:34)
Herimiafina:

Misy hena hariana ihany ve ry Fiffi tsy aleo ataoko tsaky klé! :-D:^):@

Poizin'alika, mampi-te-hanandrana toy ny baombao manintona ny maso sady manintona ny orona avy hatrany. Dirandoza be dia tokony asiana soratra milaza ny fametrahana azy eny amin'ny zaoridira izay misy azy, saingy maro ny tsy mahay mamaky teny, ka dia aleo tonga dia atao opération fisamborana alika dia any amin'ny toerana voatokana no euthanasier-na izy. :@

Toa zava-doza ilay poizina satria tsy ny lehibe ihany no mitsindroka fa ny zaza tsy manantsiny dia ho fatifaty izany ny ankizy:cry:
Nisy olona manana alika dia amidiny ilay izy ary rehefa tsy lafony dia nariany teny amin'ny arabe daholo miaraka ny saka ary dia tratra ry zareo satria nisy niantso polisy.Inona no nitranga,mbola feno alika efa ho 30 tao an-tranony.

7. ikaretsaka ( 06/08/2007 01:56)
atao inona aby?
tsy naleo nohanina?
8. wooda ( 08/08/2007 22:48)
ikaretsaka-> tsssss beurk, de lazao koa fa efa nihinana saka kely hoe!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2434