Rossy fisarahana

1. mihaminaly ( 02/08/2007 12:30)
mba mangataka ny tononkiran' i Rossy "fisarahana" azafady
2. twavna9004 ( 19/12/2013 08:04)
Eny mamy tena mamy lesy 'zany fotoana niarahana
nefa mamy toa mangidy, fa nosomparam-pisarahana
tafasaraka amin'ialahy lesy 'zany teny kely mba vimbino
teny kely teny tsotra ho aho, dia ny aza manadino o o

REF: dia veloma vetivety ho aho e, dia veloma mandram-pihaona
dia veloma vetivety akia, fa any aoriana mbola hiaona
dia veloma vetivety ho aho e, dia veloma mandram-pihaona
(eh dia masimasîna re), 'lay fifankatiavana kajio

Raha hisaraka eto anio, ekena, mafy izany
saingy izao no tadidio anie, any aoriana hiaona ihany e
raha ny lalana rehetra aleha, dia misy farany avokoa,
ny fiarahana manam-petra, manam-piafaràny koa e

REF:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0406