Fa in le ataon-dRavalo eh!

21. Jeankely ( 27/07/2007 02:31)
Miresaka Jeankely pifa ka mba hamaly aho. Voalohany tsy mbola tompon'andraikitra ambony "haut fonctionnaire d'Etat" sahala anao izaho aloha noho ny tsy fahaizako izay efa nolazainao. Mazava fa tsy ho lasa tompon'andraikitra ambony ihany koa ary tsy maniry ny hitana izany andraikitra izany nohon'ny tsy fananana fahalalana ny amin'izany. Na izany na tsy izany dia averiko ny teniko. Rehefa tsy mahavoa ny ny mpitondra dia raiso ny fahefana satria ianao mahavoa. Mila ary miandry ny mahavoa na ny tenanko izao aza. Koa dia miandrya anao mahavoa sy hampivoatra ny tanana ry "pifa".
22. sonwin ( 27/07/2007 10:57)
pifa:

Hotsaroko ny site nao sy pseudo nao refa en pôle position za. tsarovy ko za.


Inona no hevitra fonosin'io zavatra lazainao amin'io olona io ry pifa? valifaty sa tsindry?


23. kanota ( 27/07/2007 11:02)
Inona no hatahorana azy tsy mila misahirana mahatsiaro azy. En pôle position amin'ny ahoana fa angaha avy natsipin'ny sasany?
24. xxx ( 27/07/2007 11:04)
pifa:

Fa in zalah l ataon-dRavalo ah!Nravany nge ny Assemblée eh! mba lazao anaa z tanjony sa manaonao fôna leio! mankaiz Gasikara amin'io? mbô lazao z hainareo zahay eh!



Ny tanjony dia ny hampandroso ny firenena, hanafaingana ny fampiarana ny MAP isam-paritra, ny hametraka depiote isaky ny distrika, hametraka ny region isanisany amin'ny toerana sahaza azy,....

Mankany amin'ny fanamby napetraka i gasikara amin'io. Fampienana ny fahantrana (aloha).

25. Jeankely ( 27/07/2007 11:14)
Bravo xxx=D=D=D=D=D=D=D=D=D
26. LazaDaddy ( 03/08/2007 02:34)
kally:
Ary i Jeankely angaha tsy mba mahay miresaka milamina ohatry ny namana rehetra? Ilay olona efa mitsotra ery ambony hoe mba lazao izay hainareo.
Mety mba sendra reraky ny filaharana rano t@ paompy re izy ry Kally a :)


27. Jeankely ( 03/08/2007 08:04)
Paompy ahoana fa angaha izaho no doran'ny afo. Izao mitarika ny olona ary milaza fa na i kally na i Nororavel na bazylou na tezitra no hitondra resabe izany hanafoana ny fahantrana izany. Miteny aho fa ny ezakao no ahazoanao haingana. Ny zatra ny risoriso hatramin'izay malahelo satria misy manarakaraka. Izy no sepotra mitady rano sady mitranga lela=))
28. nanas ( 03/08/2007 15:04)
Mampalahelo ny fisainan ny olona sasany eto, miseho ho mahay io rehetra io nefa na fomba fanehoan-kevitra aza dia mbola mirefarefa amin ny tany. Hoy aho hoe mba nomen Andriamnitra tombony ihany ohatra @ fahazahoana sy fahaizana mampiasa internet fa tsy toy ny 80% ny malagasy tsy mahatakatra akory na ny dikan ny internet aza, nefa dia tsy mba ampiasaina amin ny zavatra tsara fa faharomotana lava zao no aseho eto, raha tsy manaratsy olona dia manao eso teny. Resam-pirenena no vetesina isan andro eto nefa na ny mifehy ny zavatra lazain ny vavany aza tsy fantany, tsy mahagaga raha romotra lava.
29. nanas ( 03/08/2007 15:14)
kally:

Ary i Jeankely angaha tsy mba mahay miresaka milamina ohatry ny namana rehetra? Ilay olona efa mitsotra ery ambony hoe mba lazao izay hainareo.



Fitahoa ry Kally, lasa mandreraka be ilay serasera eto fa toa hoatran ny ady sisa fa tsy mba misy firesahana milamina, na dia hoe malalaka aza ny fanehoan-kevitra toa hafahafa be, fa asa ny tompon andraikitra raha mba mahatsapa an izany. Remarq iny fa ny mahasosotra fotsiny, zako vao mahita lohateny ato amin ny politika dia tonga dia kivy be satria fiantsiana ady no be dia be, na mba te hanaraka vaovao aza aho dia lasa tonga dia miala fotsiny fa manderaka be ny mamaky hevitra mifono fanaratsiana sy ady ato, ary tena misy avo vava mihitsy ny sasany an!
30. Jeankely ( 04/08/2007 03:26)
Izay tsy mahatanty miala. Tsy misy mangataka anao hanome hevitra fa ny tenanao no mahalala hoe tokony homeko ny hevitro sahala izao. Tsy terenao koa ny olona hanaraka an'iny fa azy ny manaraka na mitana izay heveriny fa masaka ao anatiny. Na iza fa na iza tsy faly rehefa manome tney mafy ny ankilany mba mitoraka teny mafy koa ny andaniny. Katsaka anaty lapoaly io izay tsy mahatanty mipitika =))=))=)).Very SEZA=))=))=))
31. kanota ( 04/08/2007 03:34)
Minanana sa nanas sa nana politika. Tsy maintsy potserina hivoaka ny nana polotika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2529