Fanomanana ho OLOMPIRENENA ve ny antoko POLITIKA?
1. Jeankely
(
25/07/2007 04:38)
Raha ny isa dia tena manana antoko politika marobe ny Malagasy. Midika ve izany fa manana OLOMPIRENENA maro ary tia hampandroso ny TANINDRAZANA i MADAGASIKARA? Harena ny vahoaka ary ireo antoko politika marobe ireo ve misandrahaka manerana an'i Madagasikara ary manome fahalalana ahaizan'ny tsirairay manadihady ny raharahampirenena sa mitetika ny hitantana ny vahoaka amin'ny hilany azy fotsiny? Rehefa tonga ny fifidianana vao mifampiantso fa misy vola ny propagandy? Sa ny fahaizana manompa mpitondra sa ny tsy fanarahandalana no tena hilana izany? Mendrika ny hivoatra ny vahoaka ho fmpandrosoana an'i Madagasikara ka mba homeo azy izay tena mampandroso tokoa.
novalian'i Jeankely ny 02/08/2007 03:38
2. tsoraka
(
25/07/2007 07:43)
Raha ny marina dia tena manana andraikitra lehibe ny antoko politika ary raha mahita ny resaka tahaka itony izireo dia tokony hampiseo fa hilain'ny firenena ny fisiany. Tsy mivaky loha amin'nizany ry zalahy fa zavatra hafa no ao antsainy. Mety ao koa ilay hoe vahoaka natao mpanarandrenirano fa tsy natao ahalala ny aty.
3. kanota
(
25/07/2007 09:17)
Ny mpiasa antrano mijanona ho mpiasa antrano, ny vahoaka majinika mijanona ho vahoaka majinika ary tsy mila mivoatra izany fa sao mihamahay stisy tengenana. Ny mpanao politika milaza mahay ary arahina satria donto ny daholobe. Izay no politika ary izay tsy mpikambana any ivelany fahavitana zavatra. Izay no rehareha ary samy milaza ho olon-kendrin'ny firenena avokoa izy rehetra. Tena manana olokendry ny Malagasy ary maro. Antoko Politika mihoatra ny isan'ny ratsantanana. Olo-kendrin'ny firenena daholo ireny.
4. Jeankely
(
25/07/2007 09:42)
Anisany vesatra tsy mampandroso haingana ny firenena ny vahoaka tsy mahafantatra na tsy tafaraka amin'ny zavatra kendren'ny mpitondra atao. Dia mety ve raha atao mpiady anaty akata tsy mahalala izay fandehany ny olona? Mba tarito any amin'ny fandrosoana ny olona fa aza dia finaritra manao resaka misavoana.
5. kanota
(
25/07/2007 11:07)
Ny mpitarika politika tsy hanazava an'izany fa anjaranao no manitatra na hanaraka izay hitondrany anao. Aza vendrana fotsiny.
6. Jeankely
(
30/07/2007 01:56)
Lasa fanandevozana amin'ny endriny vaovao ny Politika satria tsy natoro na hampianarina hivoatra ny olona fa natao hanaraka izay hevitra ataon'ny mpitarika izay hita mandeha any amin'ny tsy izy indraindray. Raha ny resaka fandorana Universite dia tsy ny mpitarika no voa fa ny vahoaka ohatra iray iny. Izy afaka mandefa ny zanany any andafy fa ianao no fesona mijanona ho baikony hatrany amin'ny farataranakao rehefa tsy mandinika. Mahaiza mandinika fa aza manaiky mijanona ho andevon'ny mpanao politika amin'ny fitiavany seza.
8. rush
(
31/07/2007 19:07)
jk:olompirenena daolo ny malagasy rehetra!fa ny antoko politika manimba zavatra amiko,ra hiditra antoko daolo moa zany ny malagasy rehetra dia aona ny fandehan'ny raharahm-pirenena?
9. Jeankely
(
01/08/2007 07:50)
Hiditra antoko daholo sa hanangana antoko daholo sa ahoana no tian'i rush lazaina. Ny atao hoe Fandrosoana dia iray ihany fa ny lalana ahatongavana any no samihafa araky ny firenena tsirairay. Ny antoko politika ve manoro sy mampianatra ny olona amin'izany lalana hampandroso izany sa mila olona maro hifidy ahazoana seza fotsiny? Ny mpanao politika Malagasy ve mba modely amin'ny zavatra nataony sy hataony? Raha izay no jerena dia ianao no mahita na modely tsara arahina ny nataondreo. tsy misy mitady hampanao politika ny olona tsirairay fa ilay maha-olopirenena mandroso no resahina. Ohatra faran'izay tsotra dia mbola ilaina asiana soratra hoe ALIKA ny mamany eto ve vao tsy manao maloto? Sa vao mainka eo no manao? (Risoriso sahalan'io)
10. lamie
(
01/08/2007 16:02)
raha politikan'ny fitondrana fanajakana no atao dia roso ny dia, ny andry zalahy politikan'ny fanakorontanana no tena masaka sy hitaomana ny vahoaka!
11. Jeankely
(
02/08/2007 03:38)
Tsy misy afatsy ny fanomanana vahoaka ho olompirenena matotra sy liana ny handeha any amin'ny fandrosoana. Ny mpitondra tsy maintsy misolo fa ny firenena mila mivoatra hatrany. Dia tsy mba menatra ve ianao na be vola sy mpanana aza nefa ny firenenao mahantra? Ny Mpanao politika mpiady seza tsy tia ahafantatra izany fa izay ahazoany seza fotsiny no dinihany ary ampiasainy daholo izay hevitra hita na mamotika ny ho avin'ny firenena aza.
