Namana tahakan'ny ahoana no tianareo/tsy tianareo?

21. niryna ( 27/07/2007 05:47)
Ny namana rehefa tena tia dia mihoatra ny iray tam-po mihitsy.Mizara ny vaovao ratsy,mifanohina eo,miara mitsiky lava satria mitovy ny zavatra eritreretina.Raha misy mahazo ny iray dia izy no manangam-peo voalohany=))ny tena indray no talanjona8-) mahita azy,relax,aza tonga dia mitroatra:@:@
Fa ny tena namana tsara indrindra dia tsy misorona rehefa misy toetra na zavatra tsy mety ataonao,marary aloha ilay teny kanefa fantatrao fa marina ilay izy.
Ohatra raha miresaka ny ditran'ny ankizy ohatra dia manoro hevitra izy,iny torohevitra iny dia hoentiny hanampiny ny tenany raha sendra misy olana mahazo azy ka mitovy ilay olana nolazain'ny namana.
Ny havana indray dia mahafantatra fa na inona na inona ataony na teneniny dia tsy hanary azy mihitsy ny tena ka eo no olona manararaotra.
Izay toetra ratsy rehetra izany ezaho tsy ampiarina amin'ny hafa na amin'ny fiainana fa amin'ny farany miverina daholo ihany.Raha ratsy toetra ny namanao,dia azonao atao ny manitsy azy amin'ny fo tsy miangatra,mety tsy mahafantatra izy fa ratsy ilay izy na dia mody tsy mahafantatra aza dia resahina ihany e
Izay mahereza daholo.
Ny ahy ny tena mba mampalahelo ahy dia ireny olona tsy mba afaka misolo vava ireny,ny omby mahia hono tsy mba lelafin'ny namany.Ny mpanan-karena manana sakaiza maro,ny mahantra kosa na ny iray tam-po aminy aza tsy tia azy,sy tsy manome azy voninahitra raha mba miteny.:cry::cry:H.S kely io :lol:
22. niryna ( 27/07/2007 05:51)
Saika mitovitovy daholo izany ny tian'ny tsirairay sy ny tsy tiany ka azontsika ampiarina amin'ny fiainana ilay izy.Ny tarehy ratsy hono tsy mba azo hovana(oops,efa misy ny plastic-surgery),fa ny fanahy ratsy no azo hovana.:*:*(andao ary samy hiezaka hanatsara ny fiainana sy ny manodidina antsika):lol:
(l)niryna
23. dadie ( 28/07/2007 09:40)
ny namana tena namana d eo fôna refa sendra ny sarotra na refa @ hafaliana ianao, ary tena rare ny ahitana oul sahala @ izany

ary ny tena namana tonga oazy rehefa tena mila azy ianao
24. ftma ( 28/07/2007 10:09)
Tsy aleo ve mba manana namana ohatra an'izany ihany, amin'izay mba misy hompaina rehefa kindraindray
:-D:-D dia lasa manaraka ny toetrany raha manompa izany :-D aleo tsy misy :D
25. niryna ( 29/07/2007 04:37)
ftma>a Toa matetika hono ny mitovy ihany no miaraka kou
26. boraingy ( 02/08/2007 19:29)
Mahafinaritra ery izany seraserantsika izany. Fikasana tsara atao rankizy a
27. niryna ( 04/08/2007 02:16)
boraingy:

Mahafinaritra ery izany seraserantsika izany. Fikasana tsara atao rankizy a



:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007