tiava marina tokoa dia ataovy izay tinao atao

1. ari.malala ( 23/07/2007 13:58)
Inona marina ny tena hevitr'io teny io e! Misy miafina ao ambadik'izy io mantsy hanaovany ny haratsian-toetrany. Azavaiko, manana ny vadiny ilay olona nefa mbola maka olonkafa iany koa, dia nony notenenina @ izany izy dia io no navaliny hoe izany hono no torohgevitry ny olomasina hoe tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao... izany hoe tiaviy hono ny ao antranony dia afaka manao izay tiany atao izy ety ivelany...:roll:
novalian'i fijo ny 27/07/2007 20:40
2. Floffy ( 23/07/2007 14:12)
d ahoana hono zany ny didy folo hoe aza mijangajanga ry ari.malala ? amiko aloha d rehefa manambady ny olona d tsy tokony mapirafy zany e ! mampirafy aniƩ izany e ! d toro-hevitrin'ny olomasina iza hono izany ?
3. bozyboleta ( 23/07/2007 14:17)
Grrrrrr:twisted:
Zay le fandikana vilana. De raisina @ ze mampety ny tena na teny ao @ Baiboly na hoe tenin'ny olomasina, hanamarinana ny tsy mety atao.
4. ikaretsaka ( 23/07/2007 16:18)
ari> fandikana vilana entina hanamarinan-tena e
5. xxx ( 23/07/2007 20:19)
Fiteniko eto io teny io. Izaho dia mahatsapa ny fahamarinan'io teny io. Raha tena tia mantsy dia tsy mba sahy manao ratsy mihitsy: vakio ny 1Cor 13.
Ny fitiavana lazaina eto koa dia ilay Fitiavana atao hoe: AGAPE. Tsy sahala amn'io fitiavana ambaranao io mihitsy ry ari.malala. Dia marina ny filazan'ny rehetra fa fandikana vilana ny azy entiny hanamarinan-tena
6. hery ( 23/07/2007 21:25)
izany hoe tiaviy hono ny ao antranony dia afaka manao izay tiany atao izy ety ivelany
tsy fitiavana marina tokoa izany kou :-)

Teneno an'izany izy...

Fa tena marina sy azo arahina ara-bakiteny io kah.

Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao. Raha tena tia marina ianao dia zavatra tsara daholo no vitanao.
7. cutie ( 23/07/2007 21:31)
Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao. Raha tena tia marina ianao dia zavatra tsara daholo no vitanao.

zay le fitiavana agape e lol
8. niryna ( 24/07/2007 04:42)
Floffy:

d ahoana hono zany ny didy folo hoe aza mijangajanga ry ari.malala ? amiko aloha d rehefa manambady ny olona d tsy tokony mapirafy zany e ! mampirafy aniƩ izany e ! d toro-hevitrin'ny olomasina iza hono izany ?

Marina izany.Tsy tokony hampirafy intsony izy fa mety tsy kristiana izy matoa manao izany,mety minia tsy mijery ny didy folo.Ny mpivady dia tsy tokony hisaraka intsony satria izay nakamban'Atra aoka hoy ny baiboly tsy ho sarahan'olombelona(tafiditra amin'izany izy mivady)raha tsy manitsaka sy mamono angaha ilay iray.

9. ari.malala ( 24/07/2007 06:39)
ika sy xxx ary hery, i Md Augistin moa no niteny an'io?
10. ANARIM ( 24/07/2007 08:47)
fantatro fa tsy azo atao, meloka aho mitia anao, saingy tsy voatanako ny foko, hitia anao antsokosoko...
dia tsy manamarin-tena fa tena tia an!!!
11. Imahaka ( 24/07/2007 11:16)
fitia antsokosoko izany ange ka manimba e
12. ikaretsaka ( 24/07/2007 13:52)
ari.malala:

ika sy xxx ary hery, i Md Augustin moa no niteny an'io?

Raha tsy diso aho


13. fijo ( 27/07/2007 20:40)
ari an,io baiboly io anie ka maro no mampiasa azy atao fialana sirika amin'izay atao e.mba tsy izao aza no navaliny "miteraha ka mamenoa ny tany"io mantsy manakaiky kokoa ny fampirafesana raha tsotsorina.ny azy moa izany dia mody nadikany hoe tiavo ny ao an trano dia lalaovy ny any ivelany.ka anjaranao no mahita izay mety eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2005