Fampihenana ny fahantrana no voasoratra fa tsy fanafohanana
21. kanota
(
27/07/2007 02:03)
Ilay adihevitra mahantra satria resaky ny mahantra fa ianareo milaza mahay ary mpanana tsy mahalala ny fahantrana fa mbola miandry famaritana izany. NY fahantrana dia hiainan'ny olona ka ianao tompon'andraikitry ny Projet sns no manao famaritana sy fanazava alohan'ny hakana ny vola sy hanodinana azy. Hany ka vizana ny firenena. Rehefa mahazo vahana dia mibontsina ary avy eo mivadika palitao rehefa misy fiovana. Io no fototra tsy handresena ny fahantrana. Dia eto no misy milaza sy miseho manontany ary manatsafa ny vahoaka fa ho foana izany ny fahantrana satria tratra i Pety. Inona no hidiran'ny olona tsotra amin'izany. Samy mbola hifankahita daholo isiaka ary hainao fa samy masiaka ihany koa. Ny resakao hoe rehefa mitondra ianao dia vonona ny hifankahita mihintsy KANOTA.
22. Herimiafina
(
27/07/2007 13:50)
Na dia izany aza fariparito ihany ny atao hoe fahantrana sao sendran'ireny be kibo be hatoka milaza ho mahantra ireny vao hanenina raha hanampy.
Maro mantsy io, ny vola laniana amin'ny revy sy ny vehivavy dia avy eo tsy misy entina any antrano intsony dia ny fitondrana no lazaina fa tsy milay fa mampahantra.
Eo ihany koa no tapaka tsy nahazo marché intsony fa tsy azo antoka tsinona dia milaza ho tena mahantra na dia feno mercedes aza ao amin'ny garage.
Kanefa tsy azo adinoina ny tena tsy manamboa homena sy atositosiky ny olona any anatin'ireny tanà ana ireny, ireny no tena mahantra mila fanampiana. :^):@

23. Jeankely
(
28/07/2007 05:21)
Mazava mihintsy izany. Vao teo nilaza izy fa efa notendrena ho Haut fonctionnaire de l'Etat ary miandry rehefa tonga amin'ny fotoana maha en Pole position azy. Aiza amin'izany no mahantra ary aiza ny hampandroso ny mahantra. Fitaovana tiana hakana seza ny fanononana ny fahantrana. Avy eo milaza ny hampahantra ihany koa. Izay miasa sy mifofotra dia iny no ezahina potehina. Anjaran'ny rehetra ny mandinika fa tsy hanaraka ny fitaritana any ankady.