Nodimandry i Clo Mahajanga

1. hj ( 21/07/2007 18:19)
Mampalahelo ihany ny toe-tsaintsika gasy nefa tezitra rehefa atao hoe manao lohan-gasy. Tsy aritro ny tsy hiresaka ny zavatra nisy tany Mahajanga raha nandalo tany ny tenanay. Nanaovana fitia tsy mba hetra i Clo mahajanga fa hoe tapaka lalandrà ka tsy maintsy halefa hoentina any tanà. ny ampitson'io anefa dia niely eran'ny tanàna sahady ny tsaho fa hoe efa maty izy vao tonga tany tananarive. voatery niakatra plateau mihitsy ny artiste teo antoerana ( majunga ) nanajanona io tsaho io ka nilaza ampahibe maso fa mbola velona soa amantsara io tamin'ny alarobia teo io kanjo moa ny alakamisy izy lasa iny. Dia mampieritreritra hoe hatao valalan'amboa koa ve ny artiste ka na ny tompony aza tsy tia azy.... Mirary fionona ho an'ny fianakaviana rehetra.
novalian'i mabloo ny 23/07/2007 11:20
2. ftma ( 21/07/2007 19:04)
Mirary fiononana hoan'ny fianakaviana rehetra, tena mampalahelo fa izay no anjarany, anisan'ny mpanakanto gasy akafiziko Clo Mahajanga :cry:
3. ravakamalala ( 21/07/2007 20:40)
xxx > sarotra be ny ahalalana ny marina rehefa tsy mahay mamaky teny

fa mbola velona soa amantsara io tamin'ny alarobia teo io kanjo moa ny alakamisy izy lasa iny.
4. ravakamalala ( 21/07/2007 21:18)
xxx:
Tsy mahay mamaky teny angaha no betsaka any @ nareo???


xxx > hitako eto am serasera aloha, fa aty aminay tsy haiko!
5. maditra ( 21/07/2007 21:56)
Mampalahelo be izany. Kanefa zah niteny taminakah hoe, raha mandeha any majunga dia mba ataoko izay hifanenana amin'iny mpanakanto iny! Anjara moa izany ka dia mirary fiononana ho an'ny havany sy mpankafy rehetra!
6. tess ( 22/07/2007 09:29)
mampalahelo izany.....ary izao zà vao naheno ny vaovao fa misaotra nampita....

7. ikaretsaka ( 22/07/2007 11:59)
mampalahelo...
8. diamondra27 ( 22/07/2007 16:11)
:(:(:(

:cry::cry::cry:

izaho koa mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.

Vao tsy ela akory ve izaho no nametraka antson'ny fo teto momba an'i clo mahajanga dia izy lasa izao...
Mbola tena tao anatin'ny fankafizana...
Fiainana izany fa dia mahereza daholo.




9. booboo ( 23/07/2007 07:13)
:(

mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sy ny mpankafy azy kounkou
10. sasa ( 23/07/2007 10:26)
mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany fa za aloha d tena tia ny hirany
11. liba ( 23/07/2007 11:01)
mirary fiononana kou !
d inn ary ny tombontsoan' le mpanely tsaho e ?
efa b ihany izay matin' ny fahatapahana lalan-drà izay fa d tandremo ihany, ary maty tanora ny ankamaroan' ny gasy izao !
12. mabloo ( 23/07/2007 11:20)
mampalahelo zany zava-nitranga zany !
mpanankanto manana ny mahaizy azy tokoa izy!
mirary fiononana ho an'ny fianakaviana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.226