Mbola tokony asiana adi-hevitra ve ny finoan'ny tsirairay?

21. boraingy ( 26/07/2007 14:53)
Misaotra anao r'Ikaretsaka fa tena marina dia marina ny teninao.

Ny loha-hevitra noraisina teto moa dia io resaka adi-hevitra io. Ka ny fifanakalozan-kevitra no azo lazaina fa mahatonga lavitra kokoa noho ny adi-hevitra. Mila mazava fijery amin'izany ny tsirairay mba tsy hanakianana ny hafa. Araka ny teninao hoe ny hisavasavana ny raviny ahitana ny fotony.

Dia mamapahery ny rehetra hizotra amin'ny tena Fahazavana ao amin'i Jesoa. Amen.

22. ikaretsaka ( 26/07/2007 18:33)
nahafinaritra ny nizara!
AMDG
23. fijo ( 27/07/2007 20:59)
ny finoana tsy azo hiadiankevitra sy hifampitsarana io.satria na manaiky eo imaso eo aza ilay olona ny any anatiny izy irery no mahalala azy
24. boraingy ( 30/07/2007 10:05)
fijo:

ny finoana tsy azo hiadiankevitra sy hifampitsarana io.satria na manaiky eo imaso eo aza ilay olona ny any anatiny izy irery no mahalala azy

Tena azonao ny tiana hambara. Ianao sy ny Tompo no mifampiresaka dia ho fantatrao izay sitrapony.

Amin'izao andro Farany izao dia misy toro-hevitra kely ity mba tsy hierikerehana:

Vakio II Timoty 3-4 dia manomboka eo no manitatra mijery ny Baiboly rehetra dia ho hitanao fa ianao io mihitsy no iantefan'ny hafatr'i Jesoa izay nozarain'i Timoty sy ny Apostoly rehetra.
25. cutie ( 30/07/2007 17:57)
Mbola tokony asiana adi-hevitra ve ny finoan'ny tsirairay?

tsy tokony
Samy manan ny finoany ny tsirairay ka aleo samy mijoro @ azy:lol:
26. ikaretsaka ( 30/07/2007 18:43)
boraingy> nozarain'i paoly t@ timoty angamba no tianao lazaina eto!

Ahoana no hitompoanao teny fatratra fa andro farany izao? tsy misy mahalala ny farany ho'zy!
27. cutie ( 30/07/2007 18:45)
Ahoana no hitompoanao teny fatratra fa andro farany izao? tsy misy mahalala ny farany ho'zy!

:-D
28. ikaretsaka ( 30/07/2007 19:04)
lasa mpaminanhy indray i boraingy ko:roll:
29. cutie ( 30/07/2007 19:20)
iza no mahita :-D
30. boraingy ( 01/08/2007 06:59)
Mila Fo Resy rehefa mamaky ny Tenin'Andriamanitra. Raisina amim-pitiavana izany. Ny Fitiavana, Ny Fitiavana, Ny Fitiavana. Averina in-telo.

Anatry ny manam-panahy ny ahy fa tsy tolo-bato mafana

Minoa fotsiny ihany! tanteraho ny toro-hevitra fa aza dia miady hevitra intsony.

Tonga ny ora fisedrana ka izay maharitra no mahazo ny Amboara.

boraingy aho fa tsy mpaminany. Efa Ampy ny Anatry ny Ray nampitondrainy ny Zanany 2000 taona lasa.

31. ikaretsaka ( 01/08/2007 14:43)
anatry ny manam-panahy:
diua porofoy fa anatry ny manam-panahy aza e.. hojerena indray dia ahitsy raha ohatra ka!

ohatran'ny tsy ampy le izy ry boraingy ko... matoa izy nanome ny fanahy masina sy ny sakafom-panahy, sy nanendry dimbiny be dia be hatr@ izao
32. tywa68 ( 01/08/2007 15:26)
Ika : tsy efa voavaly angaha ilay fanontaniana napetrak'i boraingy ? :lol:
33. ikaretsaka ( 01/08/2007 16:01)
ka izy mametraka foana, dia izay fiheverany sy fanontaniana asehony dia dinihiko sy jereko dia tsikeraiko sy ahitsiko ary hitondrako ny lojikan-kevitro, raha mifandipatra sy misangojy,
mora raha mitovy dia ampiako fanampiana sy angalako tsaok'hevitra aza!

dia miteny azy aho hoe jereo sy diniho ilay izao fa aza faly manao izao fahatany!jereo aloha hoe fa maninona no manao izao sy izao...

Raha azony dia arahaba soa arahaba tsara,
Raha tsy azony kosa dia entiko moramora @ izay azahoany azy ao

Fa raha kosa fantany izao fa tsara petrapetraka ny fametrahako ny fanazavana sy ny porofo omeko azy,tsy mahita alahatra intsony izy, nefa izy soit na mafy loha, na tsy manaiky nefa tsy mahita intsony ny antony tsy hanekeny, na izy tsy mamaky izay nosoratako... dia :roll: aoka izy handinioka ny tenany!
34. niryna ( 06/08/2007 01:55)
Anjaran'ny tsirairay no maka izay tandrifiny.
Fakafakao fotsiny ihany,aza manara-drenirano.Isika izao no nomen'Atra fahasoavana mihoatra ny taloha satria efa maro ny fomba ahafahana mamakafaka sy mandalina ny teniny amin'ny fomba maro ary tafiditra amin'izany ity sehatra ity.Na izany aza dia ao anaty baiboly daholo no tokony nalaina izany ref izany ary dia araho tokoa ny baiboly na misy an'izany tokoa ve ao sa tsia.Raha resaka vava fotsiny mantsy no anarahana ilay izy dia eo no mahatonga ny tsy hitovian-kevitra.Vakio fotsiny izay resahin'ny namana,manome reference ao amin'ny baiboly izy dia araho,tsy manome izy ,anjaranao ny mamakafaka izay teneniny.Aza mijery tavan'olona na hoe ity mitovy finoana amiko na tsy mitovy dia ho toheriko ny teniny,isika ihany no lany andro eo sady tsy ahitana tombo-tsoa izany(ahoana no tokony ataoko mba ahavonjy ny fanahiko ?).
Ny tanjona dia ny ahatonga ny rehetra hanantona an'Atra ,ary ny hiverenany sy ny hibebahany amin'izay rehetra vitany ka tsy hamerina an'iny intsony.Ny hitarika ny hafa sy hampianatra ary hizara izay kely fantany fa maro ireo mbola tsy mahalala Azy.
Raha mino sy matoky Azy amin'ny fotsika tokoa isika dia tsy hananana fanahiana intsony fa manana ilay Kristy mpanavotra.Izay ihany dia efa tena zava-dehibe tsy voavidy vola :D
35. ikaretsaka ( 06/08/2007 02:41)
ka eo @ ilay fika fanatonana an\'Andriamanitra no olana koa!

1) ilay fampiasana baiboly aloha dia efa samy manana ny fampiasana azy. ny iray manome refansa, ny 1 tsy manome fa kosa hainy ilay tantara...
ary ny mahazendana dia matetika ilay manome referansa dia mihanahana ohatra rehefa mba anontaniana hoe iza i Roboama ohatra!
ankoatra ilay voalaza ary @ faran\'ny Evanjelin\'i Joany hoe tsy ary ho voatanisa ao aby....(1 Cor 11:2); (2 Thess 2:15); (2 Tim 1:13-14); (2Thess2:2)ankoatran\'ny hoe tsy ao anaty baiboly irery no source hanovozana, ary mifanohitra amin\'izany aza no voisin\'ny baiboly!

2) misy ihany koa Ilay mitsipona referansy izay tiany dia ny sasany ataony odian-tsy hita! dia tsy hita intsony ny lohany sy vodiny! raha mandeha manko ny ankitsimpona dia izay tsiponinao dia afaka ahitana tsimpona mifanohitra amin\'iny ao anaty baiboly ihany!

3)tsara ilay mitarika ny hafa, fa raha taritaritim-poana ilay hafa dia lasa jamba mifampitantana, ilay mitarika aza tsy mahafantatra ny zavatra hitaritany ilay olona taritiny, raha manontany io farany io hoe fa maninona aho no asainao manao izao .. matetika tsy hain\'ilay mitarika akory!

Zavatra mitranga eto izany!
ary amin\'ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan\'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin\'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an\'ny tenany. (2piera 3:16)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4884