Tezera fa aza manota:voadaka ny alika!

1. niryna ( 20/07/2007 05:26)
Matetika rehefa misy mahatezitra ny sasany dia izay olona manakaiky na tandrifiny eo no mahazo(na teny maharary ,na felaka na daka ,na fahatezerana,eny fa na ny fihetsika ataony fotsiny aza, sns..)

Noteren'ny lehiben'ity orina ny mpampiasa satria tsy nandeha ny varotra.Ny mpiasa anefa no nataon'ity lehibeny namay sofina noho ny teri-vaimanta nahazo azy.
Tsy namaly ity rangahy fa matahotra ny ho roahina kanjo ny vadiny reraka tamin'ny fampirimana trano sy fitaizana zaza no nanamparany ny hatezerany.
Tsy mba nahazo fankasitrahana mihitsy aho izany hoy ity ramatoa anan-ka-po ka ny ankizy no nahazo felaka tsy amin'ny ahoana tsy ahoana.
Taitra tampoka teo koa ity zaza nihazakazaka eraky ny trano :roll:ary dia talanjona fa tsy namaly.:?:
Inona no nitranga :roll:ilay alika kely niaraka nihazakazaka, falifaly, niaraka taminy iny no nahazo daka.:roll::roll:

Tena tsy nisy saka teo fa raha tsy izany :arrow:efa nokakerin'ilay alika :arrow:,dia hitady voalavo koa izy ka:arrow: ny akanjontsika no amaharany rehefa avy eo=)):snif:

Tezera fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao. Efe 4:26

Izay miambim-bava no miaro ny ainy,fa izay vavana dia haringana. Oh 13:3

Aza mba ho zaza @ fahalalana ,raha @ lolompo dia aoka ho zaza- bodo aza, fa @ fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa IKor 14:20

Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra IPet 2:1

(l)niryna
2. bobone ( 20/07/2007 13:59)
niryna:
tena marina mihitsy hoe rehefa tezitra ny olona sasany de ny hafa koa ny no tezerany! fa ny an'ity manokana ity kosa efa tsy rariny e! aza de dakana mbamin'ny zaza ao an-trano!
zany ny alehany fa voadaka hatramin'ny alika ! zara tsy nokekeriny teo aza koh hihihihi! toa hitako sary antsaina le tantara :-D:-D:-D

tena misy heviny mavesa-danja io SM io hoe
"Tezera fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao. Efe 4:26"

Ny olona zany avelan'Atra tezitra fa ny fahotana kosa no rarany tsy hatao !sarotra @ olombelona toka izany hoe tezitra ka tsy hanota !
ny an'ity olona ity izao de nisy fahotana satria nampiasa ny heriny izy!!!
tokony hisaina tsara vao manao zavatra! fa manjary zava-doza no haterany e!
:-*(l)
3. dadie ( 20/07/2007 17:55)
niryna> tena misy fahamarinana ny tenindry akia a
:cry::-*
4. Herimiafina ( 20/07/2007 20:32)
Indraindray koa ny olona agressif lava sy tsy manan maitrise de soi misy olana ara-hormone ihany, misy tafahoatra ny habetsakin'ny testosterone ao amin'ny rany, noho ny zava-mahadomelina (steroide, methamphetamine, sns)! :@
5. ikaretsaka ( 20/07/2007 23:13)
ny olona manao meditation, mpanao art martiaux, sns... sy mandinika ny tenany no hitako fa mba malefadefaka amin'io
6. boubounezy ( 21/07/2007 02:07)
za alou tsy psy fa rrefa tezitra za d tsy tiko tratrany andro miletika fa, refa mipotra ndray kosa ny masoandro ka manadala anah dé ataoko miletika atramiy masoandro any d avy eo iny mety etsona pompier tampoka; nefa tsy fananiko akory lé izy. mérsy kia niryna fa tena :-*:-*marina io vôlazandry io a!
7. niryna ( 24/07/2007 06:41)
Herimiafina:

Indraindray koa ny olona agressif lava sy tsy manan maitrise de soi misy olana ara-hormone ihany, misy tafahoatra ny habetsakin'ny testosterone ao amin'ny rany, noho ny zava-mahadomelina (steroide, methamphetamine, sns)! :@

Dia ahoana ry hery

8. niryna ( 24/07/2007 06:47)
boubounezy:

za alou tsy psy fa rrefa tezitra za d tsy tiko tratrany andro miletika fa, refa mipotra ndray kosa ny masoandro ka manadala anah dé ataoko miletika atramiy masoandro any d avy eo iny mety etsona pompier tampoka; nefa tsy fananiko akory lé izy. mérsy kia niryna fa tena :-*:-*marina io vôlazandry io a!



=))=))
Izaho indray aky efa nahita olona maro fa toy izao no mitranga rehefa tezitra izy ireo:
_miteny irery sady mirimorimo,tsy azo anantonana izy izay na angatahana zavatra fa avela ho tony ny fony.
-misy indray izay teneniny rehetra dia negatif daholo,tsy misy olona tsara mihitsy eo aminy fa mahita lesoka foana.
-misy indray tonga dia mitomany rehefa mimenomenona ka anontaniana ny antony hanaovany an'iny(tsy manaiky lembenana intsony hono izy fa tamin'ny mbola kely nataon'ny reniny tsindry hazo lena. io moa no fanoratra azy?
-ny iray indray tonga dia mirifatra tsy azo resahina
-ny iray tsy mamaly fa ny rindrina no asiany daka na loaka mihitsy ny rindrina anaovan'ny tanany azy:snif:
9. ikaretsaka ( 24/07/2007 14:39)
dia izany zavatra rehetra izany no ilana ny konfesy, meditations sns.. mba hanampuy anao hi controle an'izany!
10. niryna ( 25/07/2007 06:33)
ikaretsaka:

dia izany zavatra rehetra izany no ilana ny konfesy, meditations sns.. mba hanampuy anao hi controle an'izany!

Marina izany,ny fahalalana ny soratra masina dia efa hery iray lehibe anoherana ireo fahatezerana.
Mbola mianatra ny manana faharetana,mianatra ny mangina,ny tsy ampiasa ny sandry na ny tanana,ny lela izay lefona manindrona na manome fahasoavana,eto izy dia maranitra manindrona mihitsy rehefa tsy am-piheverana ilay vava.

11. ikaretsaka ( 26/07/2007 05:47)
raha mahay mitanisa soratra masina .. tena mbola mety ho tezitra ka..
indrindra raha sendra misy ilay olona mivoaka tampoka avy any dia manitsy sy miteny mazava mivantana ny takotakona amin'ny zavatra lazaina sy voizin'ny tena ary mitanisa koa zavatra nandiso tanteraka ilay hevitra novoizina teo t@ andinin-tsoratra masina hafa nalaina tao anatin'ilay boky famakin'ny tena ihany! fa tsy ireo natoron'i pasitera sy nasainy natao tsianjery fa ndrao mifamadika @ foto-kevitra voiziny ihany ... tena sady sorena no tezitra!

fa raha mahay mihaiky heloka sy mivavaka sy mandinika ny fahotako sy manao reflexions mangina eo alohan'ny tabernakla sy ny lakroa sy handeha hikonfesy aho ary mino fa misy karazana psy natokana mitsabo ny vatako,foko, indrindra ny fanahiko, ary fantatro fa nirahin' Andriamanitra ho ahy, ao anaty confessional ao, dia manampy ahy sy miara mivavaka amiko mba hanala izany kilemako izany ...
mitony aho rehefa avy ao! Garanti!
12. niryna ( 04/08/2007 04:16)
[quote=ikaretsaka]
raha mahay mitanisa soratra masina .. tena mbola mety ho tezitra ka..
indrindra raha sendra misy ilay olona mivoaka tampoka avy any dia manitsy sy miteny mazava mivantana ny takotakona amin'ny zavatra lazaina sy voizin'ny tena ary mitanisa koa zavatra nandiso tanteraka ilay hevitra novoizina teo t@ andinin-tsoratra masina hafa nalaina tao anatin'ilay boky famakin'ny tena ihany! fa tsy ireo natoron'i pasitera sy nasainy natao tsianjery fa ndrao mifamadika @ foto-kevitra voiziny ihany ... tena sady sorena no tezitra! [quote]

:roll:=))=))
Izay indrindra no hianarana ny soratra masina mba hampiarina azy amin'ny fiainana .misaina vao miteny,tsy mihevitra ny tenany ho mahay fa manome izay nomen'Atra azy,raha natokana ho any olona milaza azy fa mahay sy diso fanazavana lava ny tenin'Atra dia efa betsaka no very ny olona.Hisaorana anefa ny Tompo fa nanome fahalalana ny tsirairay ka samy maka ny tandrifiny avy.


13. niryna ( 04/08/2007 04:43)
Inona avy ireo mahatonga ny olona tezitra ka mahavita manao zavatra hafa?

Ireto no antony anisany fakan'ny fahatezeran-dava ary lasa mivadika habibiana sy fahasiahana matetika:
Vavaka tsy mivaly.
Be fanahiana fa tsy mba mijery lafin-javatra tsara.
Tezi-dava noho ny fiainana mahazo azy ary mitady hamaharana izany hatezerana izany amin'ny hafa.
Tsy manana fo mitia olona na matahotra ny ho voaratra indray.
Ary ny aretina ara-batana izay mety mahatonga ilay olona tsy mety sitrana na mila olona lava sns.

Inona izany no anisany mety hitranga vokatr'izany?

Ary mitandrema tsara fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Atra ,fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ,ka ho voaloto ny maroHeb 12:15

Miteraka famaliana ilay nanao ratsy taminy(vengeance)
Miafara ny aretin-tsaina mihitsy aza raha tsy voatsabo(depression)

Raha ohatra mamela ilay manana ady aminao ianao dia manala ny gadranao ao anatinao ao,raha tsy mamela ianao dia mbola ao am-pigadrana ihany ianao satria ianao ihany no tratran'ny aretina mikiky.

Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany ,fa ny lozabe dia todian'ny halozany.Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahahasoa,fa izay mamafy fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana. Oh 11:17-18

14. niryna ( 04/08/2007 04:55)
Ahoana ny fomba hiadina sy hiarovana tena amin'izany fahalozana be izany,fahatezerana mety handratra ny hafa,teny tsy voahevitra kanefa ilay mihaino azy no mitazona izany ao am-po?

Efe 6:12 manambara fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra ,fa amin'ny fanapahana ny amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao,dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra

* Fantaro izany izay antony nahatezitra ,fantaro koa fa raha tezitra dia manokatra ny fo hidiran'ny satana:
-Aza manome tsiny olona lava,tokony hiaiky ny fahadisoana.
-mivavaha ka mangataha famelankeloka ,ary fantaro Izy.
-Mandraisa an'i Kristy ao am-po ary mila manadio ny fo tanteraka satria ny ran'i Jesosy no manadio ny fahotana rehetra:D
15. ikaretsaka ( 04/08/2007 05:12)
ka tsy izay tiana ihany hoa no ianarana ao anaty soratra masina..
manjary soratra masina (ireo tsy hay) ihany no manohitra ireo soratra masina ( ireo hay)

"Raha ny sasany ihany no ekena sy inoana fa ny sasany tsy ekena @ soratra masina, dia tsy io intsony no inoanao fa lasa ny tenanao"

"If you believe and accept only what you like in the scriptures, and reject and refuse to believe what you don't like, It's nomore the scripture that you believe, but yourself"
St Augustin
16. niryna ( 04/08/2007 05:16)
Eny ny ran'i Jesosy tokoa no manadio ny olona amin'ny fahotana rehetra raha mibebeka sy manantona Azy .

Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy,ary tsy naka mamy amin'ny ainy intsony izy na dia ho faty aza.Apok 12:11

Afaka mandresy lahatra amin'izany isika ka hijoro fa efa voasoratra:
-Ny fametrahana ny fanantenana amin'i Kristy ary ny famelana eloka Aminy.(Kol 2:6-12)

-Ny lalana hijorona vavolombelona dia ny fifonana Aminy ny fahatezerana izay miteraka fankahalana misy ao anaty ao(1Jao 1:9)
Raha miaiky ny fahotantsika isika ,dia mahatoky sy manadino antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamanarianana rehetra.

Koa ny tsy famelana ny olona nanao ratsy dia aretina mikiky ao anaty
Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao ,fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala Mpt 7:9:oops:
17. ikaretsaka ( 04/08/2007 05:27)
ran'i jesosy no manasa.. dia voasasa dia tsy hanota intsony??
Koa ny tsy famelana ny olona nanao ratsy dia aretina mikiky ao anaty

izay no anaovana konfesy
avela ny olona manao ratsy rehefa manaiky ny helony

tsy mahamenatra ny manao hoe "diso aho fa azafady, ekeko ary fa diso aho" rehefa naseho aby ny porofo mahadiso anao.. nohon'ny " be doika hoe no! no! no !tsy diso aho" nefa efa fantatrao izao fa diso ianao ary fantatrao ianao fa tsy haharesy lahatra itsony ireo efa porofo be mitohoka amin'ny tenda naroso ka nahadiso tanteraka ny hevitrao na ny fomba fisainanao!
18. niryna ( 04/08/2007 05:37)
Inona izany no mety atao raha sendra izany hatezerana tsy mety miala izany?
Tezera fa aza manota,ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao Efe 4;26

Aza manala tena intsony ka milaza fa tsy tezitra fa maratra fotsiny ihany.Satria ny teny efa nanambara fa raha miaiky ny fahotantsika isika ka matoky Azy dia manadio antsika Izy .Antsoy Jesosy,mivavaha aminy hanampy anao hiala @ ny fahatezerana.

Atra no manome antsika hery handresy ny ratsy rehetra ary isika kosa no mandray anjara tsy hanaiky ny hianjeran'ny fahatezerana izay fitaovana iray ampiasan'ny satana amin'ny fiainantsika.
Rehefa mahafantatra izany isika dia mangataka amin'ny Tompo hatrany ny hidinan'ny Fanahy Masina ato anatintsika.
Esory eo aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolom-po rehetra ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo ,ka hifampianatra sy hifamela heloka ,tahaka ny namelan'Atra ny helokareo ao amin'i Kristy Ef 4:31-32

Ho Azy Irery ihany anie ny voninahitra

(l)niryna
19. Rasiligaoma ( 06/08/2007 05:23)
ny ahy mdia maka fotoana hisintonana kely aho dia mandinika sy mieritreritra ilay naha tezitra ahy teo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0689