ASA SY FITIAVANA

1. DadaRabe ( 19/07/2007 16:47)
ASA SY FITIAVANA

Fa raha tsy misy intsony hitia ny mahagasy,
Afa-ts'izaho sy ianao dia izy koa angamba?
Dia hihombona isika, fa tsy hilasilasy,
Hamerina indray, 'lay habakaba-manga.

Dia hofongarintsika, 'reo very sy efa adino,
Nafenin'ireo lasa, ka zary taolambalo;
Hajorontsik'indray, ahatonga ny hafa hino,
Fa azontsika arodana, 'lay fefy mihalohalo.

Fa raha lasa izy, k'izaho sy ianao no sisa,
Dia atambatsika ny hery, tsy hiondrik’hitomany,
Na koa hifendrofendro na jenjin'hitanisa,
'Reo ady mbola atrehina, na sarotr'aza izany.

Mpirahalahy mianal'isika, k'ianao ataoko andry,
Izaho ho tokinao, hanivatsiva lalana,
Hifampahery fo, hanenjana ny sandry,
Raha toa ilain'izany, hanova ny lalàna.

Fa raha tsotsori-mamba, ka lasa koa ianao,
Kivy sy efa ketraka fa toa voatevateva,
Ka leon'ny lazon'ady, matahotr'ady vao,
Dia matokia ry lahy! bedaiko ilay faneva.

Fa ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana ny namana,
Ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana fananana,
Ny asan-tanindrazana, tsy an-tery na tambazana,
Fa ny asan-tanindrazana, dia "ASA SY FITIAVANA"

DadaRabe
Marseille
22/02/00 16:30

- dadarabe.blaogy.com

- www.freewebs.com/dadarabe/dadarabe.htm
novalian'i Jeankely ny 30/07/2007 07:46
2. kanota ( 20/07/2007 05:05)
Fisaorana no atolotra anao. Na izany na tsy izany aza omena tsiny izahay fa manome kanota ny mpanimba saimbahoaka. Misy ny tonga saina ary tsy mitsahatra mitady hevitra ny hanatsarana ny firenena misy kosa ny mitady ny hiletehany. Ny voakazo lo esorina satria mahalo ny hafa.
3. tsoraka ( 20/07/2007 10:54)
Manaohona ry DdRb a! I Ranokombe kosa hono tsy hiaraka hiasa amin'ny mpamorika firenena e! Sady DdRb efa nilaza tsy mpisikidy.
4. sonwin ( 20/07/2007 11:39)
milay
5. Jeankely ( 20/07/2007 13:21)
Manahona daholo ry TONAKA a? Aiza ho aiza izao e??? Toa maro no lasa xxx?
6. DadaRabe ( 20/07/2007 13:31)
Miarahaba,

Ilaina ny kanota kah ! Raha tsy misy ny kanota mampahatsiahy ny lalana, iza no asolo azy ?

Aie aie aie, Raha mpamorika firenena kosa aloha, marina ny an-dRanokombe. Raha hamorika ity tanidrazantsika malala ity aleo avarina eny Tsimbazaza ho lanin'ny mamba.

Misaotra daholo é (sonwin). Inona ilay xxx ry Jeankely ?

DdRb

- dadarabe.blaogy.com

- www.freewebs.com/dadarabe/dadarabe.htm
7. Jeankely ( 20/07/2007 13:43)
Marobe ry zareo no miova xxx rehefa tsy tia ho fantatra.
8. DadaRabe ( 21/07/2007 10:40)
Ok ! jeankely.

DdRb
9. cutie ( 21/07/2007 23:04)
Efa nandalovako io site io ry dadarabe , fa mazotoa fa mahafinaritra e :lol:
10. DadaRabe ( 22/07/2007 14:53)
Misaotra nitsidika tao an-trano Cutie à !

DdRb

- dadarabe.blaogy.com

- Jereo eto
11. Jeankely ( 23/07/2007 02:18)
Tena manokatra ny Web Site-nao ny namana ary mamaky sy mamaly ny loha-hevitrao noho izany mba tokony andraisanao anjara koa ny loha-hevitry ny sasany. Fitia mifamaly angamba izany ary mivelatra sy maromaro ny hevitra mety hiposaka. Misaotra anao DdRb

JK
12. DadaRabe ( 23/07/2007 17:03)
Amin'kafanam-po ry Jeankely !

DdRb
13. cutie ( 23/07/2007 21:17)
Efa hitako io site io na de mbola tsy nomen'i DadaRabe teto aza :lol:
14. DadaRabe ( 25/07/2007 16:55)
Misaotra an'i Cutie namangy.

DdRb
15. Jeankely ( 26/07/2007 02:11)
Manahoana DdRb! Feno ary misy hodinihina sy hakana hery ny tononkalonao. Mamaky azy tokoa ny tena ary misy ny sehatra tena ihanteheran'ny ho avin'ny tsirairay sy ny firenena.
16. DadaRabe ( 27/07/2007 17:10)
Misaotra an'i Jeankely saingy raha ny fahitako azy dia isika rehetrarehetra "tsy voatery ho mitovy hevitra", nefa miezaka mikaroka izay mampandroso no tena ho avin'ny firenena.

Raha ny mpivady aza hono hoy ny gasy no diso mifanaraka loatra dia ny akoho manatody no manjary atao laoka.

DdRb
17. Jeankely ( 28/07/2007 05:15)
Ilay hoe misy hifandraisany dia mitarika amin'ny hoe mety hifameno. Samy manana ny andraikitra manandrify azy na eo amin'ny sehatra misy azy izay tsy itoovizana noho izany fifamenoana angamba ilay izy ary afaka mifanaraka sy mifameno. Misy kosa ny mifanipaka ary tsy afaka ny hitambatra fa mifamotika hatrany.
Ny tiako lazaina amin'ny resaka mpanohitra angamba resaka olontsotra loatra ka tsy mazava. Amiko ny mpanohitra mitady ary maneho lalana hafa izay tsara nohon'ny an'ny mpitondra ahatongavana amin'ny fandrosoan'ny Firenena. Amin'ny sasany mahay moa dia hoe manohatra midika fanakorontanana sy fanapotehina hianjerana ary hakana ny seza. Ny loza anefa dia miodikodina eo ka ny firenena no tsy lasa alavitra.
18. DadaRabe ( 28/07/2007 15:55)
Mitovy hevitra amin'i Jeankely aho amin'izay.
Ampiako amin'ny hoe. Ny fiarakodia dia tsy maintsy misy ny frein sy ny accelerateur. Raha accelerateur fotsiny di hivarina any an-kady ny fiara. Raha frein fotsiny dia tsy handroso na oviana na oviana.
Sarin-kevitra ihany izay.

Mazotoa é!

DadaRabe
19. Jeankely ( 30/07/2007 07:46)
Vazivazy ihany DdRb a. Amin'ny Investissement kosa isiaka mila accelerateur fa aleo mba tsy asiana frein sa ahoana DdRb???? Frein anie ilay mitaraina e. Rehefa mandroso dia mandroso na miaritory aza ny mpianatra ny vokatra no handraindrana ary ny fahaizana no hisainana fa tsy ny hoe sao marary maso eo, sao jamba eo.=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1903