momba ny fomba, fandinihina..

1. ikaretsaka ( 11/07/2007 05:32)

Raha namaky ny hevitra any amin'ny lohahevitra hafa ianareo tato ho ato dia tsapa fa betsaka ihany amintsika no tsy mahalala tsara ny anton' ny fomba gasy sy ny nahatonga ny ankamaroan'izy ireny harahina, sy ny sasany nohavaozina ankehitriny!
(efa voaresaka teo ny ody may, resaka principen'ny famadihana,ny "vereza faty" sns)

ary betsaka (izaho anisany) no nihaiky sy nianatra ny antony anaovana sy fandraisan'ny gasy azy ireny teto. sy manao ilay hoe Hay ve izany eee!

Betsaka koa anefa ny tsy mahazo akory ny heviny dia mi condamner an'ilay izy fotsiny, rehefa hoe hery sy tsy eken'ny saina dia lazaina hoe herin'ny maizina!

dia ny tsy azoko dia hoe fa maninona no manao izay fomba hoe tonga dia mitsara izay? inona no mahatonga izany? inona no mahatonga ilay saina tsy handinika ilay hevi-dehibe sy lalina mety hofonosin'ilay fomba aloha vao mitsara? sy mino?

Very ve ilay hoe "ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihina" fa isika tsy natao handinika intsony fa dia wawawa sy ampanatenaina dia mino?

ny hevitrareo?
novalian'i simplex ny 16/07/2007 08:24
2. lapino ( 11/07/2007 07:18)
Ahoana kosa moa no tonga dia hitsarana izay fandinihana mety ho efa nataon'ilay olona talohan'ny nitenenany ? Tsy mba mety ho hevi-dehibe sy lalina koa ve no fonosin'ilay tenin'ilay olona ?

Raisiko ho ohatra izao - ohatra ho'ah an, sao dia hanenenako eo indray ny tsy nanao xxx :wink: - nolazain'i Koto fa asan'ny devoly ny famadihana. Tonga ve dia hoe tsy nandinika i Koto niteny an'izany ?

Ny tena marina ohatra dia tsy tian'i Koto hikitikitika izay famadihana izay havany sy namany, indrindra ny ankizy, dia tonga fotsiny dia lazainy fa asan'ny devoly io. Mety maro ny antony tsy itiavan'i Koto azy, noho ny fandinihana nataon'i Koto miaraka amin'ny fahalalana ananany, ny kolotsaina iainany, ny filozofiany, ny finoany, sns ... Mety maro ny zavatra ahiany momba ny famadihana, mety maro ny contraintes tsy ahafahany manazava an'izany rehetra izany, mety ho adihevitra sterile koa izany aminy. Fa rehefa nataony ny fandinihana araka izay nihodina tany an-tsainy tany, dia izay no hitany fa tsara indrindra hatao : tonga dia manizingizina fa asan'ny devoly ny famadihana.

Ka sao dia isika mitsara an'i Koto noho ny zavatra lazainy izany no mitsara tsy misy fandinihana fa maika ny hanome tsiny fotsiny rehefa tsy mitovy hevitra amintsika izy ?

Very ve ilay hoe "ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihina" fa isika tsy natao handinika intsony fa dia wawawa sy ampanatenaina dia mino?
Tsia ka, na amintsika izao na tamin'ny razantsika, dia misy sy nisy ny hendry, ary misy sy nisy koa ny tsy ampy saina.
3. ravakamalala ( 11/07/2007 08:48)
Matetika ny sehatra isian io adi hevitra io dia ny resaka finoana mifanohitra amin ny fomban-drazana, misy ny andaniny sy ny ankilany, ary ireo samy efa resy lahatra amin ny finoany sy ny fombany avy. Raha ny fijeriko azy dia ao ny mandinika sy ny mandalina, dia ao koa ny tsy te hahalala n'inn n'inn!

fa io resaka io dia azo iadian kevitra mandra maraina, fa tsy ho vita mihitsy!ka aleon ny sasany tonga dia mi-"borké" fa tsy miditra lalina intsony!
4. mamy23 ( 11/07/2007 11:13)
Ny filazana ny zava-misy sy ny fanaporofoana izany ve dia azo lazaina ho mitsara ? Mety ho marina ary mety ho diso fa miankina amin\'ny fandraisan\'ny tsirairay azy.

Ny resaka finoana araka ny voalaza tetsy ambony dia sarotra iadian-kevitra satria samy manana ny azy.

Ity indray ary misy fampieritreretana kely @ fomba malagasy taloha sy ankehitriny : Fa maninona no mandro na midio ny mpianakavy rehefa avy mandevina ?

Raha ny fahafantarako azy dia nisy fahalotoana tao nandritra ny fikarakarana rehetra natao t@ maty. Izany hoe ilay faty (vatana tsy miaina intsony) dia maloto satria mety efa misy fofona sns... Dia tsy maintsy midio ny mpianakavy rehetra.

Tsy misy maharatsy izany velively ary tokony ho hatao izany fomba izany.

Indrisy anefa fa na dia fantatra aza fa maloto ilay faty araka io voalaza etsy ambony io , nahoana no entina miditra any am-piangonana izay fitoerana masina eken\'ny mpino rehetra ??? Maninona raha eny antokotany no atao ny fotoam-pivavahana mba tsy handotoana ny fahamasinan\'ny fiangonana ??? Raha ohatra ka madio sy masina ilay faty (vatana tsy miaina) dia tsy maninona raha entina any ampiangonana ary tsy tokony hisy koa ilay fidiovana avy mandevina.

Izany no ilazako hoe misy ny kristiana malagasy sy ny malagasy kristiana. tokony hahay mandanjalanja ny ataony ny olona manoloana ny fomba sy ny fivavahana fa misy @ ireo fomba ireo tsy mifanohitra @ fivavahana ary misy kosa mifanohitra.

Miala tsiny raha toa mety mahatafitohina anareo e!
5. ikaretsaka ( 11/07/2007 13:00)
ny tsy azoko koa.. fa maninona rehefa hery ka tsy haintsika ny manazava azy dia manana tendance isika hiteny foana hoe herin'ny maizina ilay izy>?

mamry23> ny fiangonana amiko masina foana ka, tsy amin'ny mampaloto ilay faty amiko no tsy hitondrana ilay faty miditra ao, fa @ maha zanak'andriamanitra ilay olona maty!
6. lapino ( 11/07/2007 15:46)
ny tsy azoko koa.. fa maninona rehefa hery ka tsy haintsika ny manazava azy dia manana tendance isika hiteny foana hoe herin'ny maizina ilay izy>?
Mety tsy tena mahavaly an'io ny eritreritro :
- mety ho noho ny tahotra, satria tsy voafehy ilay hery, dia ahoana no hahalalana fa tsy hamono na hanao ratsy ? Aleo fotsiny tonga dia hialana na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana
- mety noho ny hoe : Raha vao tsy avy amin'Andriamanitra io dia avy amin'ny devoly. Kanefa ahoana no maha avy amin'Andriamanitra an'io ?
- mety hoe tsy hay manazava ilay hery, fa hita ny vokany, ka tsy mifanaraka amin'ny Galatiana.5 (ho an'ny kristiana)
- mety hoe mila sorona biby na olona ilay hery, ...
- mety hoe sns ...
7. simplex ( 11/07/2007 15:52)
Le attitude extremiste izany no tsy mety e. Ra misy fomba malagasy, mety hoe a priori mifanohitra na mandika ny fiainana kristianina aoka hodinihina tsara alou ny fototra sy hevitra fonosin'ilay fomba sao ilay endrika ivelany fotsiny no hitsarana azy.
Ny fiainana kristianina koa tsy hoe fanariana ny soatoavina ananana fa fanarahana dia an'i kristy.

Ohatra tsotsotra:

mamy23:
Fa maninona no mandro na midio ny mpianakavy rehefa avy mandevina ?


d ny valiny a priori d hoe:
mamy23:
Raha ny fahafantarako azy dia nisy fahalotoana tao nandritra ny fikarakarana rehetra natao t@ maty. Izany hoe ilay faty (vatana tsy miaina intsony) dia maloto satria mety efa misy fofona sns... Dia tsy maintsy midio ny mpianakavy rehetra.

Zany hoe a priori
mamy23:
Tsy misy maharatsy izany velively ary tokony ho hatao izany fomba izany.

Refa nohalalinina anefa d
mamy23:
Indrisy anefa fa na dia fantatra aza fa maloto ilay faty araka io voalaza etsy ambony io , nahoana no entina miditra any am-piangonana izay fitoerana masina eken'ny mpino rehetra ??? Maninona raha eny antokotany no atao ny fotoam-pivavahana mba tsy handotoana ny fahamasinan'ny fiangonana ??? Raha ohatra ka madio sy masina ilay faty (vatana tsy miaina) dia tsy maninona raha entina any ampiangonana ary tsy tokony hisy koa ilay fidiovana avy mandevina.

io izao d analizy miendrika fanariana ny soatoavina satria
ika:
ny fiangonana amiko masina foana ka, tsy amin'ny mampaloto ilay faty amiko no tsy hitondrana ilay faty miditra ao, fa @ maha zanak'andriamanitra ilay olona maty!
i kristy ve nilaza hoe tsy mahazo mande mivavaka ny olona maloto akanjo? marina fa hoe fitondratena tsara ny hoe aty ivelany aza manao madio koa ho ao indray ve vao maloto. Fa na izany aza, ny fanahinao midera, misaotra, mitalaho @ A/tra no tena zava-dehibe. Toy ilay olona mandrotsaka rakitra be fa ampahafirin'ny fananany sy ilay mahantra mandrotsaka ny kely nanany ihany izany.

Sady izao koa
simplex:
Ny tena sotoavina malagasy voarakitra @ le hoe misasa iny refa avy mandevina iny d hoe mba esorina doly izay zavatra misy eo @ velona nifandray t@le maty iny, handroahana ny fahafatesana. Fahoriana ny fahafatesana ka irariana ny tsy hitomboany...
izany hoe finoana teo @ Malagasy izany ny hoe mety mitarika ny fahafatesana.
Io lafiny 1 io zao no tena antony mazava hoe tsy tokony hanaovana azy. Satria isika kristianina malala fa an'A/tra ny aina ary azy irery ihany. Noho izany tsy tokony hino zavatra toy izany isika.

Izany hoe mifanohitra @ voalazan'i mamy le izy. Ra hita tokoa fa maloto ny akanjonareo sy ny bodofotsinareo t@ le fiandrasam-paty sy ny raharaha naterak'ilay fahafatesana d tokony hanasa lamba nareo. Mba hadio no antony fa tsy hoe ra tsy manao an'zany d mbola hisy hofaty ihany koa eo @ fianakaviana.


Isika alou tokony tsy hisendaotra e. Forum ity, izany hoe hevitra ny ampiadiana. Irariana mintsy aza ny hisian'ny ol tsy mitovy hevitra @ tena. Ra hitady ol mitovy hevitra tokoa ve moa no tanjona, in no antony hiadiana hevitra?
8. pissoa ( 11/07/2007 18:57)
Ahoana kosa moa no tonga dia hitsarana izay fandinihana mety ho efa nataon'ilay olona talohan'ny nitenenany ? Tsy mba mety ho hevi-dehibe sy lalina koa ve no fonosin'ilay tenin'ilay olona ?

Raisiko ho ohatra izao - ohatra ho'ah an, sao dia hanenenako eo indray ny tsy nanao xxx - nolazain'i Koto fa asan'ny devoly ny famadihana. Tonga ve dia hoe tsy nandinika i Koto niteny an'izany ?

Ny tena marina ohatra dia tsy tian'i Koto hikitikitika izay famadihana izay havany sy namany, indrindra ny ankizy, dia tonga fotsiny dia lazainy fa asan'ny devoly io. Mety maro ny antony tsy itiavan'i Koto azy, noho ny fandinihana nataon'i Koto miaraka amin'ny fahalalana ananany, ny kolotsaina iainany, ny filozofiany, ny finoany, sns ... Mety maro ny zavatra ahiany momba ny famadihana, mety maro ny contraintes tsy ahafahany manazava an'izany rehetra izany, mety ho adihevitra sterile koa izany aminy. Fa rehefa nataony ny fandinihana araka izay nihodina tany an-tsainy tany, dia izay no hitany fa tsara indrindra hatao : tonga dia manizingizina fa asan'ny devoly ny famadihana.

Ka sao dia isika mitsara an'i Koto noho ny zavatra lazainy izany no mitsara tsy misy fandinihana fa maika ny hanome tsiny fotsiny rehefa tsy mitovy hevitra amintsika izy ?

Tsisy nateraka hiditra any amy atidohan'i Koto --- fa na nandinika toa inona aza i Koto, rehefa "manizingizina" fotsiny hoe avy amy demony dia mitovy amy tsy nandinika ihany izy ety ivelany !


Ny filazana ny zava-misy sy ny fanaporofoana izany ve dia azo lazaina ho mitsara ? Mety ho marina ary mety ho diso fa miankina amin'ny fandraisan'ny tsirairay azy.

Ny resaka finoana araka ny voalaza tetsy ambony dia sarotra iadian-kevitra satria samy manana ny azy.

Ity indray ary misy fampieritreretana kely @ fomba malagasy taloha sy ankehitriny : Fa maninona no mandro na midio ny mpianakavy rehefa avy mandevina ?

Raha ny fahafantarako azy dia nisy fahalotoana tao nandritra ny fikarakarana rehetra natao t@ maty. Izany hoe ilay faty (vatana tsy miaina intsony) dia maloto satria mety efa misy fofona sns... Dia tsy maintsy midio ny mpianakavy rehetra.

Tsy misy maharatsy izany velively ary tokony ho hatao izany fomba izany.

Indrisy anefa fa na dia fantatra aza fa maloto ilay faty araka io voalaza etsy ambony io , nahoana no entina miditra any am-piangonana izay fitoerana masina eken'ny mpino rehetra ??? Maninona raha eny antokotany no atao ny fotoam-pivavahana mba tsy handotoana ny fahamasinan'ny fiangonana ??? Raha ohatra ka madio sy masina ilay faty (vatana tsy miaina) dia tsy maninona raha entina any ampiangonana ary tsy tokony hisy koa ilay fidiovana avy mandevina.

Izany no ilazako hoe misy ny kristiana malagasy sy ny malagasy kristiana. tokony hahay mandanjalanja ny ataony ny olona manoloana ny fomba sy ny fivavahana fa misy @ ireo fomba ireo tsy mifanohitra @ fivavahana ary misy kosa mifanohitra.

Miala tsiny raha toa mety mahatafitohina anareo e!

Tsy azoko tsara ... ny vatana "misy aina" ve na maloto toa inona aza dia azo entina ao ampiangonana fa ny vatana tsisy aina ... na efa nampandroina koa aza ... dia tsy tokony entina ao satria hono maloto ! :-D:-D:-D:-D:-D

Izaho mahita hoe misy ny mihevi-tena ho kristianina mandinika sy mandanjalanja saingy ... siora aho fa raha tsy fohy kely ny fisainako dia fohy kely ny fisainany :oops::oops::oops::-D
9. lapino ( 12/07/2007 15:17)
pissoa:
Tsisy nateraka hiditra any amy atidohan'i Koto
ary ny atidohan'ny Ntaolo ? :-P:-P
10. pissoa ( 12/07/2007 22:53)
:-D:-D:-D
tsisy koa ! fa zay nahatonga an'zareo nanao ohabolana be da be :-D:-D:-D
11. sitlo ( 12/07/2007 23:28)
ohatra ny navadik'i mamy23 koa ilay lohahevitra.

ikaretsaka:
dia ny tsy azoko dia hoe:
fa maninona no manao izay fomba hoe tonga dia mitsara izay?
inona no mahatonga izany?
inona no mahatonga ilay saina tsy handinika ilay hevi-dehibe sy lalina mety hofonosin'ilay fomba aloha vao mitsara?
sy mino?


Ny fahitako aloha dia hakamoana, dia tonga dia mampiseho ny heviny dia miizingizina hoe iny no marina. Dia mba hitazomana an'izay dia ny toetra, toerana ary ny fomba fitenin'ilay olona mifanohitra hevitra aminy no potsipotsirina avy eo. Atao hoe mahagaga etsetra etsetra...

ps: tsy hitako izany famadihana izany fa mba atoroy :-P
12. ikaretsaka ( 12/07/2007 23:51)
mitovy @ simplex
13. lapino ( 13/07/2007 08:02)
pissoa:
fa zay nahatonga an'zareo nanao ohabolana be da be
Nohizingizininy tamin'ny ohabolana daholo :b
sitlo:
... dia ny toetra, toerana ary ny fomba fitenin'ilay olona mifanohitra hevitra aminy no potsipotsirina avy eo.
Ilay fomba "tonga dia mitsara" ve ? :-P:°)
ikaretsaka:
mitovy @ simplex
tsy mitovy @ simplex :-D:-D
14. lapino ( 13/07/2007 08:09)
Fa tohizako kely ilay adihevitra : ny maty ho an'ny malagasy rehefa lasa kristiana

Maninona no entina any am-piangonana ny faty ? Izao manko :
- Andriamanitra tsy mijery ny nofo fa ny fanahy ihany
- Ny fanahin'ilay olona anefa efa niala tao amin'ilay vatana
- Dia atao inona any amin'Andriamanitra ilay nofo ?

Azo ampilaharina amin'ny tsy miditra fasan-drazana ve ny tsy miditra fiangonana ?
15. lapino ( 13/07/2007 08:10)
oops, tokony tatsy ambadika iny fa azafady :oops::oops:
16. simplex ( 13/07/2007 09:47)

ary mba jereo ihany izay hampidirana fa tssssss.
Dinika tsy mitovy :roll:
17. lapino ( 16/07/2007 07:01)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46927c3f6fd62 e :-P
18. simplex ( 16/07/2007 08:24)
tafiditra ihany le
http://serasera.org/smileys/smile2.gif
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5614