HUNZA

1. majesty ( 09/07/2007 06:01)
Foko anankiray eny akaikin'i Pakistan iny no misy azy,karazan'irony finoana Musulman Ismaëlite irony ny finoana arahan'izy ireo,ny tena mampiavaka azy ireo dia ny salam-pahavelomana ao @-ndry zareo dia eo ho eo @ 80 taona eo ho eo,raha 50 taona izany ho an'ny Malagasy,maro amin'izy ireo no mahatratra 120 taona vao maty,ary tena mbola matanjaka tanteraka izy amin'izany taonany izany satria mbola afaka mihanika tendrom-bohitra sy miasa tany.Inona hoy ianareo no tsiambaratelony,tsy mihinana sakafo afa-tsy zava-maniry izy ireo;satria aminy dia fady ny mandatsaka aim-biby noho ny fivavahany.Ny mpanaraka ny finoana Kristiana kosa indray dia mifanohitra amin'izany satria efa raharaha be vao mba mahatratra 80 taona izany amin'zay somary efa osaosa mihitsy,koa hoy aho hoe,sao dia mba ho soa fianatra ho antsika ary izany sa ahoana ny hevitrareo.

nb:tokony ho ary @ dinika ara-pahasalamana angamba fa misy ifandraisany amin'ny finoana ihany ka tsy ho tsiny angamba raha napetraka teto.
Misaotra!:D
répondu par marozevo le 14/07/2007 22:30
2. marozevo ( 09/07/2007 07:27)
Ny mpanaraka ny finoana Kristiana kosa indray dia mifanohitra amin'izany satria efa raharaha be vao mba mahatratra 80 taona izany amin'zay somary efa osaosa mihitsy,koa hoy aho hoe,sao dia mba ho soa fianatra ho antsika ary izany sa ahoana ny hevitrareo.

Tsy ny hoe mpanaraka ny finoana Kristianina ihany, fa izay rehetra ivelan'ilay lazainao ka....

ie.... mety hahasoa tokoa, nefa tsy hoe fanaperana. Manana ny soa tokony hianarana koa ny hafa...
3. ikaretsaka ( 09/07/2007 11:22)
Diso:
misyny kristianina Vegetarianina an!
4. cutie ( 09/07/2007 12:37)
Soa fianatra zany e :lol:
manomboka @ majesty no 1 :-D
5. marozevo ( 09/07/2007 23:27)
ikaretsaka > marina mihitsy io lazainao io kay koo... Ny nahatonga ahy hilaza an'io ambony io manko dia toa ohatran'ny tonga dia visé be ilay kristianina eh... Ohatran'ny dia hoe ny kristianina no fototry ny "fiainana fohy".
6. niryna ( 10/07/2007 05:22)
Raha ara-pahasalamana dia tsy tokony ihinan-kena betsaka isika.Mila mihinan-kena ihany koa anefa na izany aza.Arakaraky ny firenena ihany koa anefa io.Misy firenena mahantra dia tsy afaka mitsabo ka vokatr'izany dia mety tsy maharitra ny fivelomany.
Raha resaka fivavahana indray no hitondrana azy dia maro ny olona izay manankina ny fiainany amin'Atra no mateza,ny antony dia tsy miferinaina firy intsony fa manana fanantenana.Ny mahasamihafa azy dia samy ho faty daholo saingy raha mino an'Atra isika dia ny fanahintsika dia hiaradia aminy mandrakizay.:D
7. marozevo ( 10/07/2007 07:22)
Sady izao koa e : "Tsy ny halavan'ny fiainana (eto an-tany) no tena zava-dehibe, fa noho izy voaravaka fitiavana".

Fitiavana an'Andriamanitra,
Fitiavana ny namana,
Fitiavana ny Firenena sy ny mpiray tanindrazana,
Fitiavana na ny fahavalo aza.
8. majesty ( 10/07/2007 14:35)
Cutie:sao dia mba efa ôtran'izany za :P

ikaretsaka:misy fa tena vitsy ka,fa ny tsy Kristiana no tena betsaka vegetarianina.

marozevo:marina fa tsy ny halavan'ny fiainana eto an-tany no important fa na i Paoly kosa ary mba niteny hoe "tiako raha ho ambinina sady salama ianao,tahaka ny hanambinana ny fanahinao ihany..."
9. cutie ( 10/07/2007 14:42)
Mpandefa : majesty [ Valio ] 10-07-2007 16:35:08
Lohateny : Re : HUNZA
Cutie:sao dia mba efa ôtran'izany za

hay ve tsara zany :lol:
za koa :lol:
10. ikaretsaka ( 10/07/2007 14:59)
marozevo:

Sady izao koa e : "Tsy ny halavan'ny fiainana (eto an-tany) no tena zava-dehibe, fa noho izy voaravaka fitiavana".

Fitiavana an'Andriamanitra,
Fitiavana ny namana,
Fitiavana ny Firenena sy ny mpiray tanindrazana,
Fitiavana na ny fahavalo aza.



io koa angamba no tena marina ka..
raha lava andro hiainana anefa hijaly!..

misy hafetsena ihany anie ilay hoe "ho ela velona e" mody atao io hoe ho ela velona ianao Rakoto ohatra ... ilay olona miteny anefa afaka manararaotra sy mi profite! omeo vola aho rakoto... Misaotra eeee ho ela velona eeee....
Donne moi de l'argent France...mahazo fafiny kely de oueeeee vive la france eee!
11. marozevo ( 13/07/2007 17:26)
Inona tsara hoe io frazy farany lazain'ikaretsaka io fa tsy azoko !
12. ikaretsaka ( 14/07/2007 17:21)
marozevo:
Tsy ny halavan'ny fiainana (eto an-tany) no tena zava-dehibe, fa noho izy voaravaka fitiavana".


dia nosangiako t@ eritreritra sendra mandalo hoe
misy hafetsena sy ihany ho'aho ilay firariana hoe "ho ela velona" anie!
hafetsena mitarika ny "vetivety velona" hanararaotra ilay "ela"velona sy mody hirariany ilay "ela velona" mba hahazoany tombotsoa
13. marozevo ( 14/07/2007 21:15)
io azoko fa ilay misy hoe "france" no anontaniako ka ...
14. ikaretsaka ( 14/07/2007 22:28)
ohatran'ny hoe ho ela velona anie la france... nefa mba hahafahana maka tombotsoa amin'i Frantsa no anton'izay fitenenana izay raha toizina...

vive la france ..mba hahafahanay hahazoana tombotsoa..
tsy izaho no niteny an'io fa bokina president ana tany ao afrika ao
15. marozevo ( 14/07/2007 22:30)
Mazava tsara amin'izay....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1968