Toe-karena

1. xxx ( 07/07/2007 08:13)
Raha ny filazan'ireo ekspera vazaha, dia hoe afaka mampandroso an'ireo tany an-dalam-pandrosoana ny famokarana biocarburants.

Tazan-davitra fotsiny ve ny azy sa tena mety hampiharina izany ? Dia atao ahoana ?

ps : manasa an'i Jeankely ary :wink:
novalian'i pifa ny 03/11/2007 11:30
2. mandrindra ( 07/07/2007 09:19)
amiko, zah tsy eksipera an, dia hetsika iray ao anatin'ny maro io. fa raha io ihany no hianteherana dia tsy ho lasa lavitra.

aleo aloha izany i jeankely ho avy:D
3. xxx ( 07/07/2007 19:17)
hita hoe i vindana indray io!
4. bazylou ( 07/07/2007 22:52)
tsy mbola hain'ny gasy izany biocarburant izany en plus tsy maintsy miditra clubn'ny le8 ianao rahatia hanao an'io!! tsy ampy handrosoana io!!
5. Jeankely ( 08/07/2007 01:48)
Olona samy mipetraka andafy ianareo ka tsy izaho no tokony hiresaka betsaka. Na sehatra inona na sehatra inona ka hananan'ny firenena iray fahafahana mivoatra sy miroborobo dia afaka mandeha. Efa miova ny fomba fijery amin'izao fotoana. Naveriko teto hatrany fa tsy ny fanjakana no nahatafavoaka ireo firenena lasa alavitra sy haingana izay voalaza fa nisian'ny "miracle". Hivadika politika moa izy ity vao miteny aho. Raha mandray ny resaka Asie ohatra Chine izay voalaza hoe "darling of the investors" dia ny mpampiasa vola ivelany no manaobe. Isiaka Malagasy dia mazava fa ny ady seza sy ny korontona no hifaninana. Misy ny manao lalana ny Sehatra tsy miankina ary mamdoa vola ny mpandeha, ny University afaka miditra ny vahiny ary afaka manao sahala ny ataon'ny Lycee Francais(clavier tsy mety)daholo ny rehetra ka afaka misandrahaka ny tanora...Ny antsiaka aloha amiko dia ny samy nianatra tsy nampianarina ny hifanaja fa samy mifanalika. Ny manampahaizana lasa vazaha. Ireo firenena Asiatic izay lazaiko nefa na misy vazaha marobe miasa aza any amindreo dia tsy mihevitra ny ho vazaha ry zalahy. Problema anatiny no tsy voavahan'ny Malagasy ary ny Malagasy ihany no mahavaha io. Na hisy vola be aza mihodikodina eto fotsiny.
6. bazylou ( 08/07/2007 10:21)
darling of investors hono , =))=))=)) resaketotra izany an, sahala amin'ilay voalazan'ny hebdo tamin'ity semaine ity hoe, ,ny anay ny fanampiana tsy misy tambiny ..
7. xxx ( 08/07/2007 13:05)
Hain'ny gasy ny manao biocarburant, na ny bioessence na ny biodiesel; raha ny lafiny teknika fotsiny dia tsy olana velively. Fa ny lafiny ankoatra an'izay no tokony hipetrahan'ny dinika.

Raha ny olona mipetraka an-dafy, dia efa niteny ny ekspera vazaha. Fa ny olona mipetraka dago mihitsy no tian-kohenoina, indrindra izy liana amin'ny toe-karena. :wink:

Ka raha tsy ampidirana resa-politika izany, raha atao hoe anaovana biocarburants ny melasse any @ Sirama, na atao hoe misy investissement tafapetraka amin'ny famokarana biocarburants, dia ahoana no mety ho fiantraikany amin'ny toe-karena ?
8. Jeankely ( 09/07/2007 08:21)
Eny raxxx fa miemotra kely aho aloha. Ny an'ity bazylou ity anie dia lazainy fa tena fasana tsisy ilany azy mihintsy ny tanana rehefa tsy ry zareo no role e. Madagasikara tsy mbola lasa alavitra fa mety ho lasa alavitra rehefa samy manao. Mandreraka koa raha miresakabe fa ny tsara dia ny manao ho hitan'ny olona hoe mahavita sahala ny nataon'ny filoha io. Izaho mba nivoaka fa anisany tsara ny "dairy product" Malagasy.
9. pifa ( 03/11/2007 11:30)
Ny fazahoako an'io de oe mindrama ndray nareo vola hanaovana biocarburants! ny an'zalah bailleurs reo ne ka ze hindramana ihany éé! de ny expert izy no nampilaza an'zany!
hanao ôtran'le resaka ovy tao Vakina io biocarburants io na hety aza! ny ilain'ny firenena hafa des millions de litres nefa ny vokatratsika 10 000 litres :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1582