Mba mila fanampiana

1. cristy ( 04/07/2007 13:14)
Manahoana daholo tompoko,
tonga dia ny tantara no ambarako.
Izaho izany dia vhv 23 ans @ izao fotoana izao ary manana zandry 21 taona. Maty amperin'asa efa ho 12 ans ny ray amandreniko nifanao telo volana. Ny raiko dia miaramila ary teo amperin'asa izy no maty izany hoe accidenté.
Teto antananarivo izahay no nipetraka hatramin'ny nahaterahana, noho io tranga io anefa dia tsy nisy nandray anay ny fnvk satria hoe charge be, ka voatery nioetraka tany ambanivohitra tamin'ny renibe . Nandray pension io renibe anay io.
Afaka herintaona anefa dia nalain'ny fnkv hafa indray izahay nipetraka teto antananarivo, ary nikarakara ny ttsy rehetra @ fandraisana pension sy ny fitaizana anay fa mbola tsy ampy taona t@ izany.
Mandrapahatonga ny 21ans anay dia nandray pension foana io olona nitaiza anay io, satria t@ anarany moa ny pension.
Ankehitriny efa lehibe sy manambady aho ary ny zandriko efa miasa. Koa ny mba ilaiko fanampiana dia ny hoe possible ve hoe mandray pension foana izahay hatramin'izao na dia efa lehibe sy feno taona aza satria olona maro no miteny hoe tokony mbola mandray ianareo ary tokony efa nifindra @ anaranareo dahy ny fandraisana izany. Nefa io fnkv ipetrahanay io dia milaza t@ 1° fa rehefa feno taona 18ans ianareo dia tsy mandray intsony, avy eo indray niteny izy fa 21ans. Ary amin'izao izany dia hoy izy hoe tsy mandray intsony izahay. Kanefa misy olona efa ho 30ans plus mbola mandray foana izy satria maty amperin'asa koa ny rainy .
Koa mba iangaviako antsika izay mba mahay lalana momba io mba hamaly ny fanontaniako sy mba hanampy ahy
Ary dia isaorako mialoha amintsika izay mamaly
novalian'i xxx ny 22/06/2008 09:16
2. xxx ( 04/07/2007 14:39)
rehefa 21 taona dia tsy mandray intsony , za nitovy cas taminao ... fa tsy aiko izay lalana amizao fotoana izao aloha fa ny ahy efa 10 ans lasa izay
3. ramartine ( 05/07/2007 12:27)
Ny tena mety angamba dia manantona ny tompon'andraikitra afaka hamaly anao izany sao dia misy fiovana ny lalàna mikasika an'io e!
Dia mahereza e!
4. agoago ( 05/07/2007 12:32)
Tsy haiko hoe aiza ianao no mipetraka, raha eto Tana maninona a tonga dia manontany renseignement eny amin'ny Ministère Defense na mialoha an'izay any amin'ny toerana na ny camp niasan'ny dadanareo.Satria maty amperin'asa mantsy ny rainareo dia misy vola honitra am'zay, ka ny nahakely anareo no nisoloin lay fiankav fa rehefa lehibe v tsy toàkony ho ianareo kosa.Rehefa manontany renseignement ianao dia ho hainao eo na tsy tokony handray marina tokoa ianareo
5. xxx ( 22/06/2008 09:16)
Ny tsara aminao dia manontany avy hatrany eny @ tribonaly satria raha ny fahalalako dia raisin'izay mahazo azy mandra-pahafatiny iny pension iny (cas niseho t@ fianakaviako, nahazo ny pension foana izy mandra-pahafatiny), ary tokony azo afindra amin'izay tsy miasa aminareo mianadahy rehefa feno 18 taona. Raha samy miasa indray nareo de eo no tsy haiko. Mahereza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2024