Tena tsisy teknisianina ve fa an'i President daholo ny rhtr?

1. Jeankely ( 03/07/2007 02:06)
Hatramin'izay dia samy nanana ny teknisianiny daholo ny mpitondra nifanesy. Raha ny t@ andron'ny Revolisiona Sosialista Malagasy dia ataoko fa nisy manampahaizana avy any ivelany nanazava sy nampiantra ary nihevitra ny ahatafavoahana @ fahavitantena ara-tsakafo sns. T@ andron'ny FAHAMARINANA dia nisy manampahaizana ara-toekarena nilaza fa afaka ny ahavokatra betsaka ary tsy hanafatra vary ny Malagasy. Raha hitsambikina @'izao fotoana izao dia mitombona fa maro ny avy nandranto fianarana andafy mandray andraikitra. Raha mibolisatra ny fanapahan-kevitra afa-maina ve ny teknisianina sa resaka politika no arahan'ny teknisianina? Vao izao ve sa efa h@'ny androndRadama no nisy Malagasy nandranto fianarana andafy? Koa mivadika ve rehefa manitsaka an'i Madagasikara sa samy tompon'andraikitra rehefa misy ny tsy fahombiazana?
novalian'i tsoraka ny 04/07/2007 02:33
2. rahiratra ( 03/07/2007 04:35)
Tsy maintsy mandalo ireo tompon'andraikitra mikasika izany na inona na inona ary izy ireny mihintsy aza no manome torohevitra hoe ity no hitanay mahaomby satria ireto no olana matetipitranga araka ny asa nataonay hatramin'izay. Ny any amin'ny Services des IMPOTS na DOUANES ve dia vao mitondra izay Filoha dia olona avy aminy tampoka daholo sisa no ao ary tsisy ao intsony ny teo aloha. Tsy mitombona izany fa ny tompon'andraikitra tsy dia miova fa manaraka ny loko-politika hatrany. Tsy tokony ho afaka maina ireo izany rehefa misy ny tsy fahombiazana.
3. Jeankely ( 03/07/2007 06:58)
Sao mba teknisianina lazain'ny iray atsy hoe mbola milalao baolina kosa aza no miady sa tena olombaovao?
4. kanota ( 03/07/2007 09:51)
Mbola ao koa ny techniciens isany Bazylou, Zazalata, Tezitra ary Vetsoko. Ireny daholo no tena manampahaizana. Ireo no hitondra azy malaky atsy ho atsy.
5. bazylou ( 03/07/2007 23:39)
Aza manam be rajeankely e!! efa mitomanytena sahady anagha izato izy!! ntsoooooo:-P:-P8-)8-)8-)
6. bazylou ( 03/07/2007 23:41)
Ary hiditar antsehatar ireo afaka fotoana vitsy ry kanota havana!!
7. kanota ( 04/07/2007 01:30)
Tsy mila zanak'Arema na TIM niala raha toa ka tena hanova ry ilay donto o. Matoa manova dia tena mila vaovao ary izany no tsy ahazakan'ny mpanohatra draokadraoka ny vahoaka na lazaina sahirana aza. Tsy mila forongon'Arema. Manaranaka ny risoriso.
8. Zazala ( 04/07/2007 02:18)
Ô ry kanota ô, ty ny cadeaux_nareo avy t@ maman'i mandrak http://emoticone.free.fr/Smileys/Fuck/Smiley-msn.com-Fuck-23001.gif
9. tsoraka ( 04/07/2007 02:33)
Tsy misy manda fivoarana tokoa fa miandry izahay raha tena vaovao. Ny zanak'Arema dia mila mangina fa efa tsy nahavoa. Tena nampijaly ary manaranaka tokoa ny risoriso.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0869