Fisaorana
1. ds
(
02/07/2007 15:28)
Amin'ny anaran'ny fianakavian'i Martinicette izay hisoloiko tena eto, sy amin'ny anaran'ny fianakaviana rehetra mana-manjo, dia maneho etoana ny fisaorana sy fankatelemana tamin'ireo teny mamy sy fankaherezana nataonareo.
Tanteraka tokoa ilay fitenenana manao hoe: ny entan-jaraina mora zaka, ny fahoriana hiaraha-mitondra maivana.
Tonga soa aman-tsara any an-tanindrazana ireo razana 4. Tsara levenana tokoa ny maty ary henin-kaja amam-boninahitra ny velona.
Betsaka ny nandray anjara tamin'ny fampodiana ny razana ka ireto no fantatro :
- Avy amin'ny mpampiasan'ireo mpioty voankazo : 2000 euros
- Avy amin'ireo mpiara-mioty voankazo (gasy, sinoa, afrikana, sns,...) : 6800 euros
- Nangonin'ny FPMA : 9006 euros
- Nangonin'i ds : 600 euros (miampy ny virement tsy mbola fantatra).
Ny avy aty amiko, dia hozaraiko mivantana any amin'ny fianakaviana tsirairay
araka ny nifanarahako taminy. Ireo nandray anjara mivantana taty amiko , dia hahazo tatitra manokana momba ny fanangonam-bola nataoko sy ny adiresin'ny tompo-manjo tsirairay.
Koa dia manantitra ny fisaorana anareo, Tompoko, tsy nihafahafa nanao toy ny tsintsina mitondra vonontenona ka nanolotra izay eran'ny vava. Andriamanitra be fitiavana anie hamaly soa anareo sy hanonitra be ny laninareo.
Misaotra Tompoko.

novalian'i Samoana ny 03/08/2007 11:48
3. ftma
(
02/07/2007 20:04)
Misaotra an'i ds,
Araka ny vaovao azo farany dia mbola mandray ny fanampiana izay nalefan'ny olona ny FPMA Toulouse atramin'ny 12 juillet.
Mitondra ambavaka ny fianakaviana manontolo.

4. Samoana
(
02/07/2007 21:54)
Mahafaly fo tokoa izao vaovao izao na dia fahoriana aza no atrehina e ! Ianao no isaorana ry ds fa anisan'ny nitotototo nanampy mivantana ireo mana-manjo a^:^
6. saranto
(
04/07/2007 04:00)
Mandria ampiadanana ry izy efatra mianadahy, mirary fiononana ny fianakaviana manontolo
7. Samoana
(
03/08/2007 11:48)
Voaray androany ny tatitra an-tsoratra fa misaotra ds a ! Na tsy nisy an'iny aza anie fantatrao ihany fa nahatoky anao zato isan-jato 'zahay e:wink: