Fanontaniana mikasika ny Ampanjaka

1. tsoraka ( 02/07/2007 09:35)
Amin'izao fotoana izao dia mbola misy ny Ampanjaka any amin'ny Faritany isankarazany ary izay mikasa ny hirotsaka ho solombavambahoaka na Filoha dia misy ny maka tsodrano any amin'ireo Ray amandreny ireo. Inona moa izany izao no tena ataon'izy ireny manoloana ny fanjakana sy ny asa fampandrosoana. Mbola manana mpanompo ve izy ireny sa ahoana satria mbola misy ny Prince? Na ny Filoha izay nifanesy koa aza dia manafatra ary manaja azy ireo fatratra. Rariny loatra izany.
répondu par tsoraka le 04/07/2007 02:39
2. ravatorano ( 02/07/2007 13:44)
mbola maro eto amitsika no misy an io rafitra io saingy tsy afa manoatra ara panajakana izy io.Eo amin ny rafitra arapanjakana izany dia tsy misy dikany izy io fa eo amin ny lafiny ara piaraha monina ihany no sisa itoerany.
Raha amin iny faritra atsimo atsinanana iny zao dia misy mpanjaka ary mbola hajain ireo mponina any izany ary fety b miitsy ny fanosorana izany mpanjaka izany amin ny toerany.Aza hadino fa raha te hanao zavatra any amin izany toerana izany enao dia mandalova aloha amin ireo mpanjaka sy ny tangalamena eo amin ilay toerana fa hanao asa very maiana enao raha tsy manao an izay.
Resaka politika no tena manosika ny olona milatsaka ho fidiana mandeha mangataka tsodrano amin ireo mpanjaka sy tangalamena misy eto amin ny Nositsika ireny.Raha mahazo tsodrano avy amin ny mpanjaka iray mantsy enao dia minoa marimarina fa efa mahazo ny 70% isanjato ny vato eo amin ilay toerana .
3. tsoraka ( 03/07/2007 04:29)
Hitako tokoa izany any @'iny Atsimo Astsinanana iny ary rehefa misy maty aza dia misy ny hoe taranaka na olona mpandevina. Ireo no milanja ny maty hatrany @ toerana asiana azy. Ka ireo mpandevina sy mpilanja ny maty ireo ve afaka mianatra, miasa sa ahoana raha lasa ry zalahy? Ary ilay hoe tsy mahavita raha tsy maka tsodrano amindry zalahy, maninona raha avy dia ry zalahy no atao mitantana sa mety tsy maharaka ny fampandrosoana ankehitriny ry zareo?
4. ravatorano ( 03/07/2007 13:17)
mety tsy afaka avy d omena andry zalah ny fahefana kah satria izao ny ankamaroan ireny tsy mpanao poli....fika fa tsy we tsy maaraka fampandrosoana.Tsarovy fa misy amin ireny ampnajaka any atsimo antsinanana ireny no manana maripahaizana koa.Ny ampanjaka na ny mpanjaka sy ny tangalamena dia tsy natao hitondra fanjakana tsony amin izao andro izao
Momba ilay hoe taranaka mpandevina na mpilanja dia misy tokoa hatraty ampovoan tany io saingy efa nihalefy izany eto fa ny any anindrantany any sisa no mbola mitazona an izany toy ireo "mpibaby" ny Dady amin ireny fitampoha ireny , ny mpiantsa sns e
raha hoe lasa ry zareo dia mino aho fa tsy izy rehetra akory fa rana tena tsisy marian tokoa moa deo no tsy haiko hoe innn no fepetra raisin ilay eo antanana !
:wink:
5. tsoraka ( 04/07/2007 02:39)
Tsy alefa hianatra izany ny taranaka mpandevina sa ahoana? Sao mba anisany tsy mampandroso ny sasany na miantraika amin'ny daholobe izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1233