Ny Malagasy dia malemy fanahy saingy be fialonana...

1. bozyboleta ( 21/06/2007 09:13)
Tenin'ny filoham-pirenena t@ kabariny omaly io.
2. kally ( 21/06/2007 09:36)
Ie! betsaka ny ory hava-manana, ka raha sendra sahirana ianao dia hanampy tokoa izy amin'ny fony manontolo. Saingy raha vao hitany fa mihalasa lavitra noho izy ianao dia angarihiny sy kakainy.

Inoako anefa fa tsy ny rehetra fa mbola betsaka koa ny faly sy reharehany ny havany sy ny manodidina azy tafita izany.
3. andry08 ( 21/06/2007 10:16)
tena marina io! mody rainit.. fa hafa ny zavatra hataony atsy ambadika! :(:evil::evil:
4. xxx ( 21/06/2007 16:13)
ny malagasy dia malemy fanahy fa matanjaka ara-pialonana
5. bazylou ( 21/06/2007 16:27)
ka izy ihany anie no tena lohany manao an'io e!! tsy mahazaka fifaninana ilay io
6. Jeankely ( 22/06/2007 01:53)
Tsisy hidiran'i VINDINA ny resaka Malagasy fa any amin'ny resaka SARKO sy ny iray manja vadin'ilay ary resahana. Akoatr'ireo nofa daholo ny Malagasy amin'i VINDINA. Mialona ny Malagasy sasany satria tsy mahavita ny vitan'ny sasany ary ny voalohany dia i "bazylou" VINDINA, tsy nahavita ny dadatoan'ilery dia mialona ilery.
7. majakely ( 22/06/2007 07:31)
jeankely inona kay zany VINDINA zany???
8. Jeankely ( 22/06/2007 07:41)
I bazylou izany. Mi-VINDINA ny molony sy ny orony vao misy resaka atao any Madagasikara.
9. tisera ( 25/06/2007 16:10)
:-D:-D:-D samy manana ny heviny sy ny fijeriny ange ! na i jeankely na i bazylou fa io fialonana io tokoa aloha dia tena poizina ho an'ny fifandraisana sy ny fihavanana é!
10. Jeankely ( 26/06/2007 02:29)
Izaho nialona fa ni-VINDINA ny lohan'i "bazylou".
11. Fiffi ( 26/06/2007 06:46)
mahagaga zany ! :roll:
12. Jeankely ( 26/06/2007 08:35)
Izaho aloha dia tsy mihavana amin'i VINDINA bazylou fa miteny rery ilery alohan'ny handray ondana hatory=))
13. mionona87 ( 26/06/2007 15:28)
zany no atao hoe fihavanana:?:
14. Jeankely ( 27/06/2007 02:53)
Fa ahoana izahay no hiavana amin'ny tsy tia Malagasy sady mpanaratsy Madagasikara?
15. bozyboleta ( 05/07/2007 14:18)
Maro no ory hava-manana ary misy koa gasy sasany tsy vitan\'ny fialonana ntsony fa de tena tsy tia no sady manambany gasy sal@nazy. Eto @ serasera koa de misy karazan\'ireo fa soa ihany fa vitsy e!
Vao teo nisy ranga gasy avy any an-dafy zay niresaka tamiko de tena fanambaniana gasy ranofotsiny no nataony. Ozy teniny hoe efa voaozona hono ny gasy ka tsy hanana izany mitsy fa ho faty hahantra daholo.
Ze manana eto @ tanàna hono de na mpangalatra na mpanodinkodina.Ahoana hono no hananan\'ny gasy vola hividianana 4x4 nefa otrinn ny karamany. Ny vaza aza hono tsy mahavidy nefa eto Mada ndray no toa betsaka 4x4 noho ny any.
Fa nga de tsy mba afaka mivoatra mitsy ny olona? Fa raha manao tranobe sy mividy fiara vaovao reo karana sy vaza eto @ tanàna otran-dry rajabaly na taloumis, tsy olana ary tsy anontaniana hoe taiza ny volany fa raha ny gasy ve no manao de hoe mpangalatra?
O re olona! zany mbô fisainana!:evil: otrany misy olona mitovy @ io zay ato fa asa na havany.
Mbô nomeko ny hafatra kosa aloha le ranga e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709