manimanina
1. anthoniobarit
(
19/06/2007 20:54)
hira ny mahaleo misy hoe , ny hira ny hirako no halefako mianpita ,nitodiana nitodiako rehefa manimanina, manina
2. cutie
(
19/06/2007 21:02)
Ny hirako
Ny hira, ny hirako
No mba hany namana
Itodihana, itodihako
Rehefa manimanina
Manimanina ny ankany
Manina ny tanindrazana
Izay any ambadika any hoa any
Lavitra tsy hita tazana
Ny hira, ny hirako
No alefako miampita
Itsidihana, itsidihako
Ny any ambadika tsy hita
Izy no mitanisa
Ny alaheloko aty
Sy zava-maro tsy hita isa
Mampanahiahy ahy
Ny hira, ny hirako
No alefako mamangy
Ireo havana, ireo havako
Mba iarahany misangy
Hitoetra ao ampo
Ampon'ny tsirairay
Hisolo toerana ao aloha
Mandrapaha-tonga ahy
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2026 - page load 0.0493