Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilaina ny Tsikera fa io ve no tokony ho betsaka @'izao?
1. Jeankely
(
19/06/2007 01:38)
Dia anisany momba ny tsikera aho ary ny firenena tsisy tsikera angamba ratsy indrindra. Saingy raha vao mipoitra dia tsikera no voalohany angamba tsisy ho vita. Ohatra tsotra: raha tsy miasa ny vehivavy dia tsikeraina fa tsy mampidibola, mihinanana fotsiny. Raha miasa indray tsikeraina fa mifandray @ lehilahy ary tsy mahita ny tokatrano. Izanyy hoe tsy asiana resaka mihintsy fa raha tsy miasa izy mikaraka ny ao antrano tanteraka ary raha miasa izy manampy @ fidirambola. eto vao tonga ny hoe mila manao fehikibo hono ny Chauffeur avy dia hoe tsy afa-mitsoaka ny Chauffeur raha tonga ny mpanendaka. ka eo amin'ny resaka Politika dia ny tsikera betsaka mitarika ny olona hiraviravy tanana ary tsy hakantoa izay fitondrana rehetra hifandimby eo fa tsy hoe ny eo antoerana ihany. iza anefa no manao ity fandrosoana ity? Ny vahoaka amiko no manao izany fa tsy ny mpitondra mihintsy. Ka raha ny mpanatanteraka ny fandrosoana fanina inona no ho azo eo? Raha tonga ny mpananibohitra dia ny ady hanoherana izany no atao fa tsy variana mifampitsikera hoe dia ahoana ny maty fa aleo resy izany. Amin'izao fotoana izao dia mbola resy ara-toekarena i Madagasikara ka tsy ny ady amin'izany ve no tokony hifandrimbonana sa dia ny hifampitsikerakera eto fotsiny? Amin'ny firenena hafa dia misy zavatra mivaingana be mihintsy vita ao anaty folo taona koa ho lany andro amin'ny tsikerakera eto ve? Fijery vahoaka tsotra io.
novalian'i tsoraka ny 28/06/2007 09:12
2. bozyboleta
(
19/06/2007 05:38)
Misy ny atao hoe tsikera manimba sy ny tsikera mampandroso.
Iry voalohany de le mitsikera bontolo be fahatany, baikon'ny fihetseham-po toy ny fankahalana fotsiny. Io de le toe-tsaina ory hava-manana ka raha maty aho de matesa rahavana. Reo mpanao politika gasy de ity no tena hainy.
Fa ity faharoa de sady mitsikera no manome soso-kevitra hanitsiana ny tsy mety, ary miasa mba ho tonga modely ho an'ny hafa. Olona tia tanindrazana ary mahatsiaro tompon'andraikitra no manana an'io.

3. Jeankely
(
19/06/2007 07:04)
Mazava ary tafiditra tsara ny tianao hambara "bozyboleta". Ka aminao izany mba averiko ihany ny fanontaniana. Fitsikerana hanintsy ny tsy mety ve no manana anjara toerana betsaka ary miasa hampandroso tokoa ve ireo mitsikera eto. ny zavatra hita dia ny mpametraka hoditr'akondro no betsaka ary modiany tsy hay fa i Madagasikara sy ny vahoaka mifafa eo ihany. Ny azy dia ny hoe: very ny seza ka ahoana ny ahazoana io indray ary atao daholo izay hevitra hita na mifanohitra amin'ny mahasoa ny daholobe na ny vahoaka aza. Dia aza gaga fa na mirodana na tsia izay amin'ny toerany dia lasa hifandovana ilay mifampitsikera be fahatany araka ny fanazavanao ka tsy hisy zava-banona. Ny vahoaka daholo no mahamay amin'izany fa ry zalahy aloha dia hita fa mangorona ihany. Raha tsy miaraka mirohitra aminao ny vahoaka dia tsarovy fa tsy ho tafavoaka mihintsy fa eo miodikodina eo.
4. bozyboleta
(
19/06/2007 07:54)
TSIA zany ny valiny e!
Ny mpanimba no tsy mahay afa-tsy mitsikera.
Fa ny te-handroso de miasa aloha, avy eo ny vokatra na ny fomba nenti-niasa sy nanatanteraka no tsikeraina mba ahafahana hanatsara azy raha hita fa nisy tsy nety.
Fa marina ny anao, betsaka le marary fo very seza de manao fisainana T1, ka lasa resa-jaza ny politika ny farany.

5. Jeankely
(
19/06/2007 08:12)
Jerenao tsara "bozyboleta" fa sahy miteny ny President ao Maurice hoe " nahita fandrosoana nohon'ny Fitoniana ara-politika ary tsy misy ady amin'ny resaka finoana fa mahay miaraka tsara ny vahoaka". Tsy misy akory ny ady finoana eto madagasikara saingy anisan'ny tafiditra antsehatra io. Ny asa ary ny asa hatrany no izy, marina ny anao. fa ny sain'ny olona mila mahalala fa avy eto isiaka ary miaraka manatratra tanjona ary. Mazava fa afaka mitsikera raha tsy makany ny tompon'andraikitra. Saingy averiko ihany ny handrava ny firaisankina no zahavina matetika. Koa ho ahy tsy mbola anisany nitondra aho ary tsy mahazaka fitondrana koa ka tsy mitady saingy mba mila fandrosoana. Miasa koa izahay tompoko ary tsy miandry mana latsaka ary tsy misy azo atao risoriso ny zavatra ataonay fa na mihinana na tsia.
6. Zazala
(
20/06/2007 01:01)
Olon-dehibe ireo mpanao politika eto Madagasikara, ka aza mba ato ohatrin'ny zaza ka nareo indray miseho ho mahay mihoatr'iz ireo, matoa iz mitsikera fantany fa tokony asiana fanitsiana ny zavatra tsikerainy. Misy ny tsy mety ao, ka mila fandiniha . Iz tsy eo @ fitondrana ka ny mitsikera zany no entiny hanitsina nareo. Tokony handinika enao sy hanome fanazavana matotra @ zay hitsikerany enao. Ar io tokoa no tokony mampandroso raha mahay ny mpitondra eo satria fantany @ alalan'io tsikera io ny lesoka @ fitondrany.
7. Jeankely
(
20/06/2007 01:48)
Olon-dehibe hoy ianao ary marina tokoa izany fa ilay hoe mahalala ny tokony hitondrana azy dia laviko tanteraka na lazaina tsy lehibe amin'ny taona aza aho. Mahalala ny tokony natao daholo ve dia tonga amin'ny toerana gisitra i Madagasikara. dia milaza ve ianao amin'ny fahaizanao fa izao fitondrana izao no nahatonga izao laharan'i Madagasikara izao? Izaho efa milaza fa vahoaka tsotra ary tsy misy ahazoako tmobony manonkana ny resaka Politika mivantana saingy miresaka aho satria samy vahoaka ary samy tompon'andraikitra raha mahita zavatra mivilana. Fanitsiana ve ny FANAOVANA IALAHY SY FIKALASIANA PRESIDENT AMIN'NY FARANY MALOTO ARIANA ARY AMIN'NY WC? izany no betsaka ato. Vakio ireo ambany ireo. Ary tenikoa aminao koa ry "Zazala" fa na hiova in-jato aza io dia misy ny zavatra hainao ahitsy (controlable et maitrisable) ary ny tsy hitanao ny hanaovana azy fa miodikodina eo (non controlable et non Maitrisable). Ka izahay na nalazainao fa miaro nefa tsy mifandray amin'ny fitondrana aza dia mba mijery ihany tompoko azafady. Vao miteny izahay dia "nul" hoy nareo koa inona izany? Tsy miaraka ny lalana.
8. Bita
(
21/06/2007 16:59)
Efa maro aminareo ny mahalala ity tantara ity nefa tsy maninona fa tanataraiko ihany:
Nisy 3 lahy samy hafa firazanana nalaina hanaovana fitsapana (asa na psyc na concentr na ......) Nohidiana tao anaty cellule. Iray avy any Frantsa, ny iray avy any Japon, ary ny iray Malagasy. Nalana daholo ny zavatra teny aminy ankoatry ny akanjo manify (toy ireny Kimono ireny) ary tsy nisy zavatra navela mihitsy manodidina azy na dia poti-javatra kely monja aza ankoatry ny boule de petang 2 avy(ireny vy boribory eo ho eo @ 500g eo ho eo ny lanjany e izay atsipy eny @ tany malalaka ireny e!) . Navela 3 andro nihidy tao izy 3 lahy (samy manana ny cellule avy. Tonga ny andro voalohany nojerena ny nataon'ilay Japoney: Indro izy fa mipetraka tsara @ ilay fipetraky ny japoney ireny ny tongony microise le bras(pied) ary dia mitazona ny boule 2 @ tanany ary manao meditation. Nojerena ny Frantsay: indro izy fa manoritra faritra boribory ery amin'ny coin dia nanomboka mikendry ilay boule iray @ tany @ iray. Nojerena ny Gasy: Tsy nokitihany mihitsy ilay boule fa izy mitsilanilany ery. Tonga ny andro faharoa: Nojerena indray ny Japoney: indro izy fa mbola toy ny pôziny omaly ihany fa saingy ny boule 2 indray eny @ tanany 1 ary dia nahodikodiny izy 2 (toa hoe massage io) ary ny Frantsay koa dia toy ny omaly ihany saingy nihova ny fitodihan'ny fitorahana. Ny Gasy kosa nojerena efa nifoha ary mba tena an-tanany ny boule 2 koa saingy mandehandeha sy mivezivezy toa mitady zavatra. Tonga ny fahatelo andro havoaka amin'izay izy 3 lahy: ny zavatra hita dia ilay Japoney hita fa toa afa-bizana, toa niala reraka tao ary namerina ilay boule 2 madio soamatsara, ary ilay Frantsay toa vonom-bonona ny hanao copetition ery ary dia courage mihitsy ny hanao zavatra ary namerina ilay boule 2 koa ary somary misy kikika kely, fa ny gasy kosa ny boule 1 potipotika ary ny boule iray nanjavona tanteraka. Ka nahagaga fa tsy nisy varavarankely ange tao e ary tsy nisy martô?????? Mahagaga an!! Inona ary no secret n'i Gasy e?????? :lol::lol::lol::lol::lol:

9. Jeankely
(
22/06/2007 02:45)
=))=))=))Tsy hay aloha na mitelimbato ny Malagasy araka ny filazanao na tsia fa ny fantatro ary efa nanokafako hevitra dia ny tantara nifandimbiasan'ny Malagasy mihintsy no diso ary samy milaza kivy amin'izay fanapahakevitra avy noraisina daholo. azo ny fahaleovantena, olana ary resahana hatramin'izao ny hoe Padesm, Mdrm, Mpamadika, mpitolona Mpivarotra Tanindrazana. Nandeha ny 1972 ary dinganiko kely natao ny Revolisiona Sosialista Malagasy sy ny Boky Menabe, oh diso lalana indray e. Nandeha ny 10 Aout, oh Grand dossiers, oh havereno ihany ilay teo aloha. Tafaverina tonga indray ny 2002. Izao soloy indray. Sarotra be ary na mifanolo aza ny mpitondra amin'ny firenena hafa dia hita ny fandrosoana saingy Ny an'i Madagasikara ny MPANAO POLITIKA dia tsy mitsahatra ny manimba ny sain'ny vahoaka ary manasaratsaraka azy sady mitarika azy hiraviravintana nefa ry zalahy maka sy manabe hatoka ihany fa ny fahantran'ny vahoaka no tanisainy eo foana.
10. tsoraka
(
28/06/2007 09:12)
Manao ianao ho hitan'ny olona avy eo manaraka anao ny olona fa raha tsikera tsikera tsy hinanana hanina fa vao mainka tsy ahavitana asa