16 taona lasa izay: 10 Aout 1991

1. jefra ( 18/06/2007 19:25)
Nalaina tamin'ny emission Resistances n'ny France 2 tam taona 1992. Mamelabelatra ny fitokonana misy sy ny fitifirana nataon-dRatsiraka tamin'ny 10 Aogositra 1991. Zaraiko ho an'izay liana.
Tsy hidirako ny hoe mety sa tsia ilay fijery, ataovy toy ny voankazo an'ala fotsiny...Efa 16 taona lasa.

Version courte (4mn): Carnage du 10/08/1991 http://www.dailymotion.com/ijefra/video/x2a3s6_madagascar-carnage-du-10-aout-1991/1
Version longue (12mn): Analyses(J.P.Raison)+Consequencess+Carnage http://www.dailymotion.com/ijefra/video/x2b4fk_madagascar-revolte-1991
novalian'i Andribe ny 19/12/2008 20:39
2. sitlo ( 18/06/2007 19:37)
dia mbola vao nitsika an'i ex-prezida Ratsiraka nge ny ex-prezida Zafy eh :twisted:
3. sitlo ( 18/06/2007 19:39)
nitsika -> nitsidika
4. kelly13 ( 18/06/2007 20:34)
:(:(:( tena otran'ny oe vao omaly reo zvt reo no nitranga, ary jefra sao d manana ny reportage momba ny rova may azafady? si oui miciii si non mbola miciii iany :)
5. Bita ( 19/06/2007 08:17)
Misaotra anao fa mampatsiahy ny fahiny. Ary raha tsy nisy io video io tena toa hoe mitantara vala maty ny olona. Indro kely dia nanimba zavatra maro iny tanatara iny: toe-tsaina, saina, fiaraha-monina, ary ny zavatra tsara rehetra vatsangana tao anaty indray mipi-maso potika ary koa ny tontolo iainana. Tohizo fa tsara alalan'ny ankehitrio ny lasa e!=D :-$
6. menalamba ( 19/06/2007 16:05)
Tena té hamono an'ilay ratsiraka tsy vaky hatatra alika lahy manehatra iny mihintsy aho izany an:evil::evil:Izahay anisan'ny tery aloha bé tery indrindra t@
ireny ,nolelafin'ny bala,tena h@ izao aho mbola manontany tena ny tsy nahafaty
ahy...:-/
7. mim ( 19/06/2007 18:08)
tena tokony vonohina le tsivanona io lé!à bat ratsiraka !!!!! à bat ratsiraka !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
8. xxx ( 19/06/2007 19:30)
tena tsaroako iny andro iny klé! Saika naty tany!
9. sipagasy ( 20/06/2007 14:37)
kay leh, izay aho vao tena nahita, fa kay tena tahaka izay ilay niseho?? tantara am-bava no henoko fa tsy nahita maso aho mantsy e!:cry:
10. naughtyboy ( 20/06/2007 16:04)
fa lery iny v de tsy azo samborina mihitsy na mampiasa immunite diplomatique aza efa mibaribary zao ny vono olona vitany atr@zay sa de oe tsy matimanota tsotra zao?tony frantsay tony ko no tena rangory fotry ny afo miaro2 azy eo:twisted:
11. bidagda ( 22/06/2007 12:31)
za de anisan\'ireny olona nitsoaka teny antanimbary ireny ary de narahin\'ireo miaramila tifitra taty aoriana, marihiko fa ny olona iray zay teo akaikiko de nitsirara t@ tany tampoka ary nitete ohatran\'ny rano @ pompe ny ran\'ny sandriny, mino aho fa mbola velona angamba le rangahy satria nobatain\'ny rehetra avy eo ankaviko indray lehilahy iray voatifitra tao andamosiny ny masoko roa no nahita ireo.misaotra an\'i zefra
12. lamie ( 25/06/2007 14:53)
sahia re olona manao vavolombelona eto daholo fa tanatara mila tsaroana lalandava ty a!
13. Fiffi ( 25/06/2007 16:30)
zah aloha de tsy nahita maso koh fa kay tenazava-doza beee!!!!!
http://www.teleologie.org/OT/textes/txteve2_IIIc.html
http://nah296.free.fr/dadou-an.htm
14. lamie ( 26/06/2007 14:57)
misy farany daolo ny zava-drehetra, ny tody koa misy fa tsy foronina,ny valin'izay nafafy no tsy ho zaka indrindra raha ratsy no nafafy;fianakaviana firy moa hatramin'ny nitondràn'i ratsiraka no torotoro fo fa tsy hita na matimaty foana ny havany?tsy nisy akory ny fizahana ny nanao izany satria ny mpitondra no naniraka nanao izany!dia malahelo hatramin'izao ireo mpanohana fa very fananana!ny mahagaga dia tsy tia ny tanindrazany akory ireo,ny vola no tena andrandrainy ary hanomezany ny ainy mihitsy raha azony hatao!
15. Andribe ( 19/12/2008 20:39)
tena gidra be t@ io fa avy eo vao tonga saina hoe saika gly tao koa nefa tsy nahazo ninin mbola lasa nilahatra vary sy menaka :twisted: :lol: sady ramaka be avy any an tsilaitra reto mpanao politika ireto raha hi manipuler olona aleo maka sisiny de mihinana lasopy fa tsy miditra @ ireny kizo ireny tsony. Ny mahagaga dia mbola misy ihany ny manaraka ireny tssss
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.411