Ry dada malala,ry dada malala

1. niryna ( 18/06/2007 17:44)
Sao dia mba misy mahatadidy an'io hira io ianareo.
Ry dada malala,ry dada malala.
Misento ny foko,misento fa lavitra anao.
Misaotra betsaka
répondu par kazanov le 01/02/2016 08:52
2. rafify ( 18/06/2007 18:23)
Ry dada malala,
Ry dada malala.
Misento ny foko,
Misento ra lavitra anao
Ry dada tsy foiko
Tsy manatsahala
Ny fanantenaiko
De ny hiverenanao
3. niryna ( 19/06/2007 04:58)
fafify>misaotra betsaka:D:*
4. tslem ( 19/06/2007 08:59)
Ry dada malala, ry dada malala
misento ny foko, misento raha lavitra anao
ry dada tsy foiko tsy manantsahala
ny fanatenako, ny hiverenanao.

Maniry mafy ny mbola hihaona
ny fanantenako, izany dia izany
tsy maty aho tsy akory fa aza misaona
fa mbola hihaona indray andro any.

Ry zaza malala, ry sombin'ny aiko
ny feonao miantso dia manindrona ny saiko
ho avy re ny ora hifankahita indray
tsy hifandao intsony ny zanaka sy ray.

[center]VICTOR SOLO[/center]
5. Imahaka ( 19/06/2007 09:06)
6. ratonga ( 19/06/2007 09:12)
mrci tslem zah ko efa ela nitady ny tohiny, fa hono wa tsy i Manantrso t@ izy mbola kely v no nihira an'io, troupy mpanao téatra talou ra tsy diso ah !!!!
7. tslem ( 19/06/2007 10:28)
Dia tena tsy haiko fa rangahy sy ankizy kely aloha ilay nihira an'azy tam zany ka ilay rangahy Victor Solo fa ilay ankizy no tsy haiko ny anarany.
8. niryna ( 20/06/2007 04:47)
:D misaotra tselem a.Hay mbola misy tohiny izy io fa tsy tadidiko.
Tena mampalahelo ahy ny ny mieritreritra ireny ankizy tsy mba manan-dray ireny tamin'io fetin'ny ray io. Na kamboty na nilaozany.Mahatsiaro ireo ankizy noresahiko aho tany dago.Nampianatra azy ireo ny famelan-keloka.Nisy ny nanana eritreritra ny hamaly faty,nisy ny tsy hiraharaha intsony rehefa lehibe,nisy ny tsy mbola nahita izany rainy izany mihitsy.Tao ihany koa anefa ireo ray niteraka nanitsaka ny reny,ny mamolava tsy mody an-trano,ny mamono vady.Ny ankizy rehetra anefa dia samy nanana fanirina ny hanana fitiavana sy fifandraisana amin'ny rainy avy.Samy mitaraina ary samy navelako hilaza ny tao am-pony sy ny tantarana izy ireo ary dia samy mitomany daholo izahay rehetra na ny mpitantara na ny mpihaino:cry:.Maivana ny alahelon'izy rehetra satria samy nizara ny tao am-po avy ary samy nanaiky koa fa tsy ny famaliana faty no fanafodiny.Tsy misy hafa tsy ny mianatra mamela sy mivavaka ny ray rehetra e mba ho voavonjy ny elony no hany fanafody manampy azy ireo.Ireo ihany no hany fanalahidy manala ny fahoriana sy ny famaliana faty satria tsy anjaran-tsika no mitsara sy mitsara azy.
9. benamosrawel ( 27/03/2012 09:00)
Mampalahelo tokoa ireny ankizy tsy mba manan-dRay sy reny ireny, fa mampalahelo kokoa ireny kamboty velon-dRay aman-dreny ireny. Indrindra moa ho an'ireo izay tsy mba mitsinjo ny zanany fa rehefa samy tezitra dia ny fisarahana foana no arantiranty; Ny maro aza tena nisaraka minhintsy.
Tsy fanozonana ny ahy fa fampieritreretana: mialohan'ny hanitsahana ny varavaran'ny lanitra mandinihy tena ihany sao rehefa tonga eo vao averina indray. tsy hoe avrina ety ambonin' ny tany fa averina mankany amin'ny toerana tsy hay heverina fa tsy ety an-tany aloha e!
Aza mba tia tena ianareo miadiady ireny.
Ny tsy afa-manoatra aza re olona efa tsy hita izay atao .
Misaotra anareo mpamaky
10. hery ( 27/03/2012 09:11)
Ary gravy koa benamosrawel raha hamoha dinika efa natory :-p
11. benamosrawel ( 27/03/2012 09:43)
Tsy sanatria mamoha ny efa nampanginina fa tena malahelo rehefa maka sary an-tsaina ny feo kelin'ireny zazakely ireny. Malahelo, marary, mamela ratra ao am-po. Tsy tanana hisarangotra, tsy tongotra hitsipaka fa dia tsy maintsy miaritra ny caprice-n'ireto olon-dehibe tia tena.
Miala tsiny raha sanatria namohafoha tamandry ny efa nangina fa tsetsatsetsa tsy haritra iny e. Ny an'ny vazaha toa efa fiainany ilay izy dia mandeha ho azy. Tsy olona ve ry zareo na koa tsy misy fo sa koa isika gasy no be sentiment.
12. rabom ( 01/02/2016 07:23)
miarahaba daholo o, tiko be io victor solo io fa bo meo video na mp3 ra mety oh, bisous daholo
13. kazanov ( 01/02/2016 08:52)
Famy miarahaba ny rehetra,
Ny mpamorona io hira io moa izany dia i RANDRIANASOLO Victor, alias "Victor SOLO",
Ilay zazavavy kely mihira azy indray dia ny zanany vavy matoa antsoina hoe Norosoa Nirina Jimmy Janoëlah.
Efa maty i Victor Solo (76ans) t@ août 2007.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.0356