Saribakolin'ny Ntaolo ihany io Politika manimba io

1. Jeankely ( 16/06/2007 06:41)
Ny filamatra dia ny hanamboatra ary hanatsara ny kely ananana, ny Politikan'ny Saribakolin'ny Ntaolo dia simbao, dory, poteo izay eo fa rehefa potika ve tsy hitady vola indray hanaovana azy. Iza no specialist amin'izany fomba sy fihetsika izany no mody manatsafa indray? Ianareo tanora rehefa tsy mihevitra ny hanana zavatra mijoro fa hanaraka Sarobakolin'ny Ntaolo Politika dia simbao fa ianareo ihany no sahirana amin'ny manaraka. Hajao ny kely hananana ry tanora ary aza manaiky revy Saribakolin'ny Ntaolo fa ny Fandrosoana tsy miasa amin'ny Saribakolin'ny Ntaolo. Sa ahoana? revy vaovao ary mbola tanora manja no andrasana manaraka fa tsy revy vizana. Okay.
répondu par Jeankely le 17/06/2007 04:45
2. marozevo ( 16/06/2007 10:08)
Tsy mazava ny tianao hambara : Ravao sa aza ravana ?
3. Voarabe ( 16/06/2007 16:17)
KIMANDORONDORO

Raha misy ny hevitra tsy itoviana
Mandinika aloha
Ny omby indray mandry na oviana na oviana
Tsy indray mifoha

Raha fampandrosoana no atao tarigetra
Sy lalan-kombana
Dia arovy ny dingana vita rehetra
Fa aza ravana

Rehefa mitokona kosa ary ve
Dia tsy maintsy mandoro
Fa angaha izy ity oniversite
Amin’ny trano zozoro ?

F’angaha ts’isy hevitra hafa sy tsara
Mba mety kokoa
Ahafan’ny gasy s’ilay Gasikara
Mitady ny soa ?

Ny mamotika anie rehefa sorena
Dia mora aok’izany
Fa vao maika mandetika ity firenena
Amin’ny farany ambany

Koa raiso ny ampinga asehoy ny hevitrao
Mahaiza mijoro
Kanefa tandremo, fadio sy ialao
‘Le kimandorondoro


VOARABE

16-06-07
4. marozevo ( 16/06/2007 19:49)
Tena "voarabe endriky ny saha" ianao. Mahereza.
5. Jeankely ( 17/06/2007 02:00)
Io hevitry "VOARABE" io no nazavaiko fa tamin'ny fomba hafa. Ny zanaky ny be sy maro ve afaka andeha ho any andafy sahala ny manana? Tsy fanenjehana ny manana akory izany fa tombony ho azy izany. Koa maninona no isaky ny misy hetsika dia tsy misy afatsy ny manimba satria ny modely raisintahaka dia ny ataon'ny vazaha izay maharina ny zavatra simba eo ao anaty ny fotoana fohy. Ny hevitra rehetra dia ireo Gasy tsy mahay miteny Malagasy no mamporisika ary mitarika amin'ny lalana tsy mitovy satria heveriny sahalan'ny andafy hitoerany i Madagasikara izay mbola mampitombo ary zara fa misy kely aza ka dorana indray. Ny fananana arovana fa tsy hitovy amin'ny vazaha manipy TV eny amin'ny varavarakely rehefa resy amin'ny baolina akory.
6. Zazala ( 17/06/2007 02:41)
Aoka aloh ry Voarabe ah! Tsara aloh le tononkalo, misaotra anao fa mety b ny heviny. Aoka ho jerentsika lalinadilana ny voalazan\'i Jeankely sy i Voarabe.
Jeankely:
Ny filamatra dia ny hanamboatra ary hanatsara ny kely ananana
Misaotra anao zaho @ iny, io miits ny zavatra ilaiko.
Jeankely:
Politikan\'ny Saribakolin\'ny Ntaolo dia simbao, dory, poteo izay eo fa rehefa potika ve tsy hitady vola indray hanaovana azy
raha azoko tsara ny fanazavana dia : Mamotika, mandoro, manimba izay efa anana kely eo no atao hoe Politikan\'ny Saribakolin\'ny Ntaolo. Ar nanontany ko enao hoe :
Jeankely:
Iza no specialist amin\'izany fomba sy fihetsika izany
Fa sao d diso kosa enao @ valiny.
Voarabe:
Raha fampandrosoana no atao tarigetra
Sy lalan-kombana
Dia arovy ny dingana vita rehetra
Fa aza ravana
izao ar ny fanazavako @ ireo rehetra voalaza teo.
Raha jerena ny any Diego, ny jiro mandeha adin\'4 isan\'andro indraindray 3 andro tsis jiro miitsy, ny any Nosy-Be Hell ville ko tahak\'izany, @zao fotoana hitenenako zao misy faritra efa ho 4-bolana tsy nirehitra miitsy ny jirony. Amiko an, Famotehana by fiahainan\'olona sy ny fivelomany izany, ar raha hoe Fandrosoana no lazaina dia FIHEMORANA angamba no ilazako izany. Ao @ Onvesité politeknikan\'Antananarivo 4 ora Maximum d nidina andalambe ko zao ry zareo. Ka iza hoy enao ny responssable, Iza ny manao ny Politikan\'ny Saribakolin\'ny Ntaolo? Aoka anareo manantsaina handinika tsara fa tsy ilaintsika io politika mandrava ny lalampanorenana mamotika ny kely ananana.
Jeankely nannome definition. Ar Tononkalo manja b.
7. Jeankely ( 17/06/2007 04:45)
Misaotra anao aloha "Zazala" rehefa misy mba mihiratra sy mifandray kely ny resaka sy tiana ahatongavana. Raha ny hoe Mpanohana tsisy fepetra dia tsy izahay mihintsy izany fa saingy rehefa mahazo mafy dia hainao ihany fa mandraingiraingy ary mba mandona izay tratra koa. Ny zavatra tsy mandeha dia tsy misy faly amin'izany ary raha ny hevitro dia tsy misy faritra tokony avela hijanona amin'ny haizina fa samy hampandrosoana raha mbola misy ihany ny hevitra. io resaka JIRAMA io dia tena miteraka zavatra be dia be ary iza no mahazo tombotsoa amin'izany? Ataoko fa tsy hisy angamba? Ny asa ve andeha raha tsisy "Jiro" ary ny "machine' tsy afaka hiodina. tsy misy faly amin'izany. Raha ny "lalampanorenana" indray dia tsy manampahaizana momba io aho ka tsy hiaro izany. Saingy ny fantatro dia samy efa nanova ary nanatsara lalampanorenana daholo ny Firenena rehetra. Anao ny manambara hoe Repoblika fahafiry io Frantsa izay hivavahana io? Koa ny fanontaniako anao dia fanahiniana sy tsy fahaizana fotsiny ve no mahasahirana amin'io JIRAMA io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0865