Fitaratra manjavona

1. Zazala ( 16/06/2007 02:21)
Tsy ny sakana eo anoloana no tsy ahafahana miroso amin'ny fampandrosoana, nefa matoa ao ny fingana dia aoka samy handinika sy hieritreritra ny nahatonga iny ny olona lasibatra. Mipoitra avokoa ny olana maro isan-karazany, toy ny naha-may ny Oniversite teny Andrianjato Fianarantsoa. Nolavin'ny loholona ny lalàm-panitsiana ny tetibolam-panjaka 2004, izay tsy mifanaraka amin'ny tokony fandaniana ny vola navoaka tao anaty kitapom-bolam-panjakana, izay mety hiteraka olana eo anivon'ny mpamatsy vola mahazatra ny tahaka izany. Miady an-trano ny samy TIM, ka tonga ao an-tsaina avy hatrany ilay tenin'ny soratra masina hoe, « ny firenena miady an-trano ho rava tsy ho ela ». Miditra amin'ny fandrahonana mpandraharaha vahiny ny filoham-pirenena ka niaraka amin'ny vava dia niverina tamin'ny laoniny io fampiakarana ny vidin-tsolika io. Tsy ho tanisaina eto ny fandroahana mpitondra fivavahana, fa samy mandinika ireny ny rehetra na dia nangatam-panazavana aza ny fiangonana katolika.
Ampaham-piainana nolalovan'ny fiainam-pirenena ireo ka tsy azo lavina. Tsy misy izay tsy mahalala ireo izao tontolo izao, na miezaka aza ny fitondrana mampisongadina ny ambara ho asa vita dia samy mahatsapa ny isam-batan'olona fa hisy fiantraikany goavana eo amin'ny tontolon'ny toekarena eto Madagasikara ireo. Inona no hilazana izany ? Mpandraharaha iza no mbola sahy hampiasa ny volany eto manoloana ny fahitana ireny kabary mampihoron-koditra ny maro toy ny nataon'ny filoha tany Taolagnaro ireny ? Hanaiky lembenana amin'ny famoaham-bola tsy hita fototra ve ny FMI na ny BM ?
Raha raisina indray ny fandorana ny Oniversite tany Fianarantsoa, moa mbola hitombina amin'ny fianarany ve ny ankizy manoloana ireny olana isan-karazany ireny ? Koa na hampianarana any amin'ny Hotely tonga lafatra aza ve, hifantoka amin'izany ny zanak'atidoha ? Mametraka rafitra maty paika ny fanjakana ahafahan'ny rehetra mitaratra ny asa vita saingy fitaratra manjavona aloha hatreto no hitan'ny sarababem-bahoaka, ka hazavao ry mpitondra isan'isany fa ny olona anie tsy mahalala afa-tsy izay hitan'ny masony sy hiadanan'ny taranaka fara amandimbiny e. Koa iza ao amin'ny fitondrana ankoatry ny filoham-pirenena moa no afaka hanazava izany eo anatrehan'ny vahoaka ? Ny antoko mpanohana azy aza ity jereo ireto ataony fa miady an-trano, sy mifamingana andro aman'alina, koa aiza ireo ray aman-dreny to teny hanelenalena hifandaminan-tsika malagasy fa ho ringan'ny ady an-trano eto isika raha tsy mitandrina, ary ny mpamatsy vola hanao ankivy ny tanindrazana, ka izay indroa ahita ny maizina ny taranaka fara aman-dimby, satria ny natsangana tsy mijoro, ary ny efa vita kila hotohoto. http://www.madagascar-tribune.com/index.php?JOURNAL=1231&ART=23885
novalian'i ranitse ny 28/06/2007 10:10
2. Jeankely ( 16/06/2007 03:50)
Ny ady antrano dia farany ratsy ary ireo mpanoratra eto avy any Frantsa no efa nibitaka sy nireoka fa ho lasa alavitra ity fandrodanana fanjakana ity satria efa mandroaka ny foko hafa ny any Tolear sy Diego. Ny zavatra hita sy atao any Frantsa na andafy rehefa misy ny "Grevy" dia mamotika sy mandoro zavatra anehoana ny tsy fahafaliana ary fotoana fohy dia voaharina ny zavatra potika. Raha izany no arahina dia iza no voa rehefa dorana ny University ary voaharina fotoana fohy sahalan'ny mitranga any amin'ireo tany manana ireo ve ny simba sy potika? Izay mitranga rehetra dia izay mpitondra sy tompon'andraikitra eo no voasoketa fa ny mpandrangitra sy ny mpanararaotra voalaza indray no miseho milaza ny fahavoazan'ny firenena. Ary loza fa ny tariky ny nangalatra ny fitaratra aza no mety milaza hoe aiza ny fitaratra. Ny fo sy ny saina no lalaovin'ny sasany ka samia mandinika fa samy mitady ny ahasoa ny Firenena isiaka.
3. marozevo ( 16/06/2007 10:10)
Marina izany ry Jeankely ah... Eto vao azoko ny tianao hambara izay nametrahako fanontaniana ao ambony ao.
4. bazylou ( 16/06/2007 23:42)
FA NANINONA ARY RAJEANKELY NO TONGA ANY AMIN'IZANY FANDORANA IZANY NY OLONA ??? NANINONA NO NAVELAHO LO NY SITUATION VAO MANOME SOLUTION IANAO?? VALINY SATRIA TSY HAIN'NY AKAMANAO NY MAMALY NY VAHA OLANA FAMIANDRY I LE8 IZY VAO MANAO!! SATRIMIARO NY PLACENY DAHOLO!!!
5. Jeankely ( 17/06/2007 02:40)
EFA OLANA HATRAMIN'IZAY NY RESAKA UNIVERSITY RY DONTO O. NY MPAMPIANATRA KOA LAZAO FA NY PRESIDENT NO MILAZA AZY HATRAMIN'IZAY HOE IZAO HAMPIANARINA SY FOMBA HITONDRANA NY COURS. IZAHO TSY MANANA PLACE HAROVANA ARY TSY MITADY SADY TSY HAINY FA IALAHY HITA IZAO FA MITADY HAMERINA SARIBAKOLIN'NY NTAOLO. ANGAHA IO LOVA TSY MIFINDRA KA ANDRASAN'IALAHY INDRAY. MBOLA NISY FARITRA TSY NITONDRA KOA NY AVY ANY ATSIMO LEITY FA TSY HIALAHY INDRAY NO MIHEVITRA HIVERINA EO A.=)) REHEFA TONGA NY FOTOANA ARA-DALANA AN!=))
6. ranitse ( 28/06/2007 10:10)
Bazy sy zazala no nangalatra seza sy latabatra ary fitaratra ry leiry e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0492