Mbola politika ve no resaka ato sa inona e?

1. Fody ( 15/06/2007 20:17)

Manjary mahakamo ny mamaky ny dinika eto amin'izao fotoana izao. Tsy hitako intsony izay maha politika azy. Taim-bava sy fanasana vangy no sisa. Ny zavatra tena mivaingana sy voadinika tsy misy. Sa ve izany indray no atao hoe politika ankehitriny?

Aoka izay e! Raha misy ny tsy mety lazao am-pahendrena sy am-panajana. Izay manohana kosa, aza manohana be fahatany fotsiny fa mba zavatra voadinika no lazao. Tsy midika izany akory fa tena tsy misaina isika eto, saingy saron'ny hatezerana sy ambom-po ny marina ka sarotra ny mandray azy.

novalian'i Jeankely ny 19/06/2007 01:09
2. marozevo ( 15/06/2007 20:56)
ka ilay ambiance politika mihitsy koa anie angamba no mahatezitra eh...
fa na izany na tsy izany dia tena mbola Politika tsara mihitsy no resaka eto.
3. Jeankely ( 16/06/2007 03:38)
Manodidina ny Politika ny resaka eto ary misy fahamarinany ny hoe lany andro ary tsy misy hevitra voaray na azo raisina mivantana. Izaho manonkana dia nilaza teto fa na ahoana na ahoana dia tsy mahasoa mihintsy ity manompa sy mifanaratsy ary manambany Mpitondra na ny eo antoerana na ny efa dila ity. Ny vahoaka dia mijery ary rehefa tonga koa ny andro hisolon'ny mpitondra dia lasa fahazarana ity tsy misy fifanajana ity ka izay hevitra aroso dia ny fitanisana ny tsy mety (weakness)amin'izany hevitra izany no betsaka. Na manana saina tia hifanakalo hevitra aza ianao avy dia omen'ny olona ny "nul", ny "adala", ny "Malagasy mahantra", "Madagasikara mbola PMA", "mpanompo" sns dia mba tohina ihany ary mivadika sy mba mamaly koa. Izahay aloha tsy manaiky ny darohana fa mamely koa izahay raha mandona mafy anay. Olombelona nofo sy ra koa ny izahay.
4. marozevo ( 16/06/2007 19:52)
Ilay manompa sy manambany aloha dia tena tsy mety mihitsy tokoa e... Ary ny tena marina aza dia izay manambany dia manaporofo ny fahambanian-toe-tsainy koa.

Fa ny mitsikera kosa tokony hatao. Tsy sanatria tsikera handravana na handrodanana koa anefa, fa mba teny ampitaina any amin'ny tompon'andraikitra. Adidin'ny olona rehetra io.... fa ny mitranga INDRAINDRAY dia misy tsy mahazaka tsikera. Dia io no olana.
5. Jeankely ( 17/06/2007 02:08)
Aiza ny tany tsy misy tsikera ry havana o. Na inona na inona ataonao tsy misy tonga lafatra izany ary izay mihevitra ny tenany ho tnga lafatra dia efa mila mitsabo tena. Ilaina ny tsikera saingy ny tsikera sasany dia tsy ny hanatsara izany. Teny mazava ny teto azerao fotsiny ary aza mieritritra izay asolo azy fa mahita isiaka avy eo. Ry zalahy nefa samy manana ny endrika tiany hitaritana azy na samy izy aza tsy mifankahazo dia hiantehitra amin'ny tsy misy ve? Lazaina ny sasany fa miaro be fahatany. Tsy misy ahy ao ary tsy mbola nanana havana nitondra aho saingy tsy manaiky kosa aho fa mba manome ny hevitro raha taritina amin'ny tsy misy sahala io ambony io ny olona. Vao manoratra ianao dia "nul" hoy ry zalahy koa tsy afaka ny hiaraka @ olona manambany anay izahay.
6. marozevo ( 17/06/2007 06:51)
Marina izany
7. Jeankely ( 17/06/2007 07:37)
Misaotra maozevo o! Madagasikaran-tsika io. Angaha ny olona hamaha ny olana fa vao mainka aza mampiditra olana vaovao no ataony. Iza no tsy ho faly raha omena ny milay saingy tsy misy fa zavapoana no arosony. Na ny tenanao ihany aza dia mahita fa misy diso ny nataonao koa ahoana moa no hiaro fahatany? Izay hampisondrotra anay sy ny taranakay hainay tsara fa ny mapanadala TSIA, TSY MANARAKA IZAHAY.
8. bazylou ( 18/06/2007 07:08)
:-P:-P:-P:-P:-P:miam::b:b
9. Jeankely ( 18/06/2007 07:52)
Io fa manaraka i bazylou VINDINA.:evil::evil:
10. naughtyboy ( 18/06/2007 12:18)
ka nareo mitsamm nge to tsy afapo @ ty mifanala ty mintsy e aoka @ zay ilamm fa samy tsisy misy mahazo tombony:°)
11. Jeankely ( 19/06/2007 01:09)
Ka izaho koa tsy mitetika ny ahazo tombony e. Izay avy nitondra sy mbola tia hiverina ary ny eo amin'ny toerana no miady seza. Ny vahoaka dia izay handehanan'ny raharaha no ilainy ka anisan'ny vahoaka aho. Fantatro tsara fa anisan'ny taranakin'ny very seza kosa ilay VINDINA ka mandreraka satria na mifanohitra amin'ny teniny omaly aza dia ampidiriny androany rehefa hitany fa mahakasika fitondrana dia alefany any dia izay fidonany any hoy izy. Ny vahoaka kosa tsy ahazo ny seza izy fa mijanona ho vahoaka na izany aza mba nisy afaka miresaka sy manoratra ny zavatra ao antsainy. tsy mety koa raha mandeha ila izy ity e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.009