porteur ao aeroport Ivato

1. patrick2002 ( 15/06/2007 18:51)
Rehefa manao vacances any madagasikara ianao dia misy,porteur ao @ aeroport Ivato tonga dia maka ny entanao vao mivoaka ny sous douane ianao ,fa ny mahagaga dia izao tsy mandray Ariary ireo porteur ireo fa mangataka Euro ary tena mitaky euro aminao mihintsy .:roll::roll:
novalian'i Jeankely ny 21/06/2007 06:02
2. patrick2002 ( 15/06/2007 19:01)
Tandremo fa efa nahazo ahy io ,tonga dia nisy naka ny entako ,alao ho entiko ny entanao ramose ,valise 1 dia sakosy 1 sy sac au dos ,ny entako tsy nanaiky izao fa tonga dia nalainy ,dia navelako ,ny mpitsena moa nisy olona 4 izy teo ,noho ny tonga teny @ auto dia nomen'ilay zokiko 4000 fmg izy ,tsy mba misy euro ve ramose ,tsy manana madinika euro izao hoy aho ,tonga dia niakatra ny zokiko niteny hoe izao aza tsy andray euro ko ialahy no tsy mety raha tsy euro , namoaka vola madinika indray ny anabaviko anampina an'ilay 4000 fmg ,ka nalainy ilay 4000 fmg ary nariny tamin'i tany ilay vola madinika ,:roll::roll: dia gaga izaho @ fiavonavon'ireto porteur ireto ,ary maheno izaho fa rehefa ireny vazaha tsy misy mpitsena ireny hono tena mitaky 10 euro mintsy ry zalahy ary mandrahona .
3. Fiffi ( 15/06/2007 19:13)
heu....fa toa misy ny tena porteur ao de manao akanjo miavaka mintss zareo .....
4. kally ( 15/06/2007 20:09)
Manao akanjo hafa aloha ny porteur ao Ivato izao e! sady tsy misy manao ambosy be ohatry ny taloha intsony, rehefa miteny ianao hoe aok'izao fa misaotra dia tsy maninona izy.
5. tinasou ( 15/06/2007 21:00)
tena tsy mahataira ahy ny lazain'i patrick2002 fa tamiza tany t@ eritaona dia mbola tratran'io kou, sady tena mitaky mitsy izy an! mba ameo euro na majinoka aza. dia nomeko zay taty izy, tsy nanana afatsy 0.50€ za fa noraisiny ihany, miaraka @ vola fmg nomena azy.
mitandrema ihany amin'ireny sao dia tsy hita tsony ny entana e:?:8-)
6. mamzelkely ( 16/06/2007 06:52)
ny zokiko vô tratran'io mits tam izy tonga taty ry zareo ko mo somary be entana de tena tsisy majinika euro tany aminy de efa saika 10 000 fmg sa ôtrain no nomeny d oziz tsisy majinika euro angah any de gaga za hoe fa inn mits ny but andry zalah maka majinika euro io :roll:
7. kelly13 ( 16/06/2007 06:59)
za klou t@ tany farany d voasola 5 euros e, hihihi
8. Jeankely ( 16/06/2007 06:59)
Miala tsiny fa miditra kely aho. Ianareo ihany anie eto no manoratra isakarazany maneho fa be ny vola aty andafy, ny karama any Madagasikara kely tsy mahavita inoninona koa aiza no tsy hievitra ny olona fa rehefa avy andafy dia be vola. Mianatra tsy mitovy amin'ny miasa ary tsy voatery hanome saingy mba tokony ho ferana ihany ity resaka atao eran'ny rehetra milaza ny fananana volabe andafy ity fa manimba sain'ny any amin'ny tanana. Diniho fa be no mirehareha amin'io.
9. kally ( 16/06/2007 07:17)
Jeankely:

Taiza ho aiza ary iza teto no nilaza an'izany ry Jeankely? Iza io "ianareo" tondroinao io?
10. Fiffi ( 16/06/2007 07:21)
Jeankely:

mba tokony ho ferana ihany ity resaka atao eran'ny rehetra milaza ny fananana volabe andafy ity fa manimba sain'ny any amin'ny tanana. Diniho fa be no mirehareha amin'io.
:roll::roll: enao kosa agamba no manao an'zany an ! shhhhhhh ! iza koh no andé hisehoseho anao an'zany ? raha tsy adala ny olona koh !

11. booboo ( 16/06/2007 10:45)
Manao akanjo hafa aloha ny porteur ao Ivato izao e! sady tsy misy manao ambosy be ohatry ny taloha intsony, rehefa miteny ianao hoe aok'izao fa misaotra dia tsy maninona izy.

ie !
12. bazylou ( 17/06/2007 00:18)
be fialonana indray le jeankely!! beeeurllkk:-D:-D, aza manome mihitsy na 1 euro aza ry zalahy a!! ary aza manao vacance any intsony fa tananan'"ny mpangataka sy pauvre any!! voahataka any fa tandremo!!
13. Fiffi ( 17/06/2007 11:49)
bazylou:
ary aza manao vacance any intsony fa tananan'"ny mpangataka sy pauvre any!! voahataka any fa tandremo!!
samy manao zay tiany io ry bazylou an ! misy ny olona manam-po mba te-hanampy justement ireo mahantra ireo....c'est clair !! tsy enao mintss no handrasana hanao la moindre geste ho azy ireo !

14. sympa ( 18/06/2007 01:13)
bazylou :arrow: Nga enao tsy gasy ééé :roll:
15. Jeankely ( 18/06/2007 01:57)
Samy tsy any Mada ry havana aloha amin'izao fotoana izao a. Tsy haiko na tsy mamaky ianareo fa ato no misy ireo noteneniko ireo ary ny fahitana izany no nahatonga ahy mba nandray anjara tamin'ity Forum ity. Manazava tsara mihintsy ry zareo fa aty ny vola misonanika ary mandefa vola fotsiny no ataony;, tsy hijanona any amin'ny karama kely any Mada any izahay sns. Ny karamanao anao ary tsy diso amin'izany ianao fa ny teniko hoe "misy fiantraikany amin'ny olona izany teninao izany". Izaho koa tsy mbola miaina amin'ny ariary amin'izao fotoana izao saingy tsy mbola nirehareha ary mahatsapa tsy ampy.
16. tolona ( 20/06/2007 12:17)
ny ahy kosa aloha ra mbola miinsiste hitondra ny entako dia lazaiko fa tsy manambola za e;dia avelako himenomenona eo
17. xxx ( 20/06/2007 12:57)
Jeankely:

Samy tsy any Mada ry havana aloha amin'izao fotoana izao a. Tsy haiko na tsy mamaky ianareo fa ato no misy ireo noteneniko ireo ary ny fahitana izany no nahatonga ahy mba nandray anjara tamin'ity Forum ity. Manazava tsara mihintsy ry zareo fa aty ny vola misonanika ary mandefa vola fotsiny no ataony;, tsy hijanona any amin'ny karama kely any Mada any izahay sns. Ny karamanao anao ary tsy diso amin'izany ianao fa ny teniko hoe "misy fiantraikany amin'ny olona izany teninao izany". Izaho koa tsy mbola miaina amin'ny ariary amin'izao fotoana izao saingy tsy mbola nirehareha ary mahatsapa tsy ampy.

Aza atao safobemantsina ho aho : tsy rehefa misy olona 1 miteny an'izany dia izany aby no lazain'ny rehetra . Io généralisation io ihany no mahavoa antsika mianakavy eto

"Zao daholo ny gasy any an-dafy " ...
dia mba avy koa ny hafa izany "izao daholo ny any Dago"

18. Jeankely ( 21/06/2007 06:02)
Marina ny anao fa rehefa nahita vehivavy Malagasy nivarotena ahazoana "Euros" ny olona dia lazainy fa mpivarotena daholo ny vehivavy Malagasy any andafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6403