Mba miangavy ny filoha hanova toe-tsaina

1. rfd2001 ( 13/06/2007 14:37)
Ny tenako dia tena olona makasitraka andra-8 mihintsy ary nanohana andra-8 faona. Ankehitriny anefa betsaka loatra ireo fombafomba sy fanapahan-kevitra tsy dia mazava. Fotoana zao haonavana ny lalana sao solafa eto isika. Mbola tsy tara fa mahaiza mamindra sady ny hendry ihany hono no hanarina e.
novalian'i Jeankely ny 18/06/2007 01:48
2. bozyboleta ( 13/06/2007 14:56)
Ny fijeriko an'io fomban'ny filoha io de toa sinema ihany fa efa tena te-hamaky ady @ firenena 1 efa diso fantatsika loatra izy.
Atambatambaro daholo ny zava-nitranga tato ho ato.
1- Miteny ny filoha
2- Miteny ny minisitry ny raharaham-bahiny avy eo mipasoka
3- Miteny indray avy eo ny masoivoho frantsay manao laza masaka hoe tena tsara ny fifandraisana

Ny frantsay no tena iantefan'ny mesazin'ny filoha fa mody atifitra @ rehetra! Ary anakipiliana ny frantsay daholo ny hetsika ataon'ny filoha zao.
Fa hita ihany ho matahotra ny frantsay an!
Fahitako azy aloha io fa asa e!!
3. caprio ( 13/06/2007 22:13)
rft2001>> inona anefa no porofo hoentinareo fa nanohana an-dR8 nareo hatramin'izay,za zao mahatsapa fa ny firesakareo zao dia manaporofo fa tsy nanohana an-dR8 zany nareo fa mandainga fotsiny,mba hoentina anamboarana ny saim-bahoaka
4. Jeankely ( 14/06/2007 02:04)
Ny frantsay dia tafita ary mazana fa ny firenena Malagasy na niseho niteny Frantsay daholo aza ny mpiseho Elite folaitra dia tsy nahatonga an'i Madagasikara nankaiza. Izahay koa tsy tia ahalala izany Frantsay izany. Samy vahoaka fa tsy nareo no maro an'isa. Izay fanapahan'ny fanjakana dia ny fanjakana no mitaty ny vokany ary miongana izy raha tsy mahay fa ianareo kosa tsy nahavita inoninona fa "Favoritisme, Nepotisme, Corruption, Mpandroaka ny akama miasa,...." Tsy miala io fa manohana azy izahay. Mazava angamba izay.
5. bozyboleta ( 14/06/2007 05:43)
Ka io efa nolazaiko t@ dinika hafa fa na mazana sal@ inona aza enao nefa tsy mizara de sal@ tsy nanao n'inn n'inn ihany e.
Mazava be ny tenin'ny filoha tany Tolagnaro. Mila manana "ambom-po" tsika hozy teniny. Jereo ireo firenena mandroso toa an'i Etazonia, Japana, Alemana, ambom-po no nampandroso an'ireo.
Fa tena tsy tao anaty lisitra sady tsy nasiany sira mitsy zany lafrantsa zany an. Satria efa fantatra fa reo elite miteny frantsay lazain'i Jeankely reo, ze nahazo fanabeazana frantsay tsy nampianarina hanana zay ambom-po zay fa notezaina hirehoka sy hanabaty ny malagasy namany. Io fanabezana sadasada io no fototry ny fahorian'ny malagasy.
Ka rariny ny filoha @ maha-RAD azy raha mananatra sy mampianatra ny malagasy zanany hiala @ io fahambanian-tsaina io.
Soa fa be ny malagasy no efa tonga saina.
6. Jeankely ( 14/06/2007 05:52)
OK, "Bozyboleta" a. Tena tiakobe ianao sy ilay hevitrao e. Ny Elita miteny Frantsay sady tsy nahazo "Prix Nobel" no manambany Malagasy, no be theorie tsy nitondra mankaiza firy tao-maty izay. Ataovy foana ilay teny Frantsay fa tsy raharahanay ary io ambenanay satria ahitanay mangirana. Na mijaly aza io no tianay. Mazava sa tsy mazava ry OWAOWAWA??? Ianao no donto koa toe-tsain'iza no hanaiky hiverina hanaraka donto eo. Avadio teny Pararantsay indray eeeee.Izay tsy mila an'ialahy.
7. boga ( 14/06/2007 08:07)
fa inona ary \'ty .aleo ny filoha hanao zay fantany eo fa azy ny toerana e! afaka ny anao inona eo sika .
Samy manao zay tiany anie zay tonga eo e!
Tsy de mahay politika lotra ka mangina e!
8. Jeankely ( 14/06/2007 08:16)
Tsisy izany fa mahavita zavatra io fa tsy sahala ny teo aloha. Tia hiverina nefa disque gaoka.
9. lila ( 14/06/2007 08:48)
za kosa aloha faly hoe mba nivelatra tam firenena hafa kokoa i Mcar tam ravalo e, hatrizay isika borné tam france sy ny frantsay foana tsita ze fandroso. aleo mba mijery fiarahamiasa am firenena hafa mba hisian'ny fifaninanana.
10. bozyboleta ( 14/06/2007 08:57)
Zay le fanatontoloana. Mila mivelatra @ hafa.
Fa ny an'ny frantsay de tedaviny ho faty ankazotokana eo aminy eo.
11. Jeankely ( 14/06/2007 09:21)
Ny mpanao politika hatramin'izay koa no tsy mamely fa tsy dia izay loatra. Variana mamafa ny kiraron'i Frantsa dia tsy mandroso ary maizina ampototry ny mazava. Tsy ry zareo no vendrana fa ianao no tsy mahay maka ny tsirony.
12. bazylou ( 14/06/2007 12:11)
KOa tsy vakina ny ady raha masakisaky nyanareo e, tsy afa manoatra satria voatazon'ny frantsay ny aindehiben'i Madagasikara sy le8!! hohhooh:-D:-D:-D
13. bozyboleta ( 14/06/2007 12:40)
IEEE, fa le renimalala nge tsy mahalala tsy tiana fa izy ndray zao no manambitamby e!
14. rfd2001 ( 14/06/2007 14:13)
Ny tiako am-pitaina ange tsy dia le resaka la frantsa loatra e! Havahako tsara fa tsy politika no tokony ovaina fa toe-tsaina. Politika an'azy iny devoirny zany; fa toe-tsaina tsy tiako ohatra: fitiavan-tena, fanaovana bodogerona, didi-kofehy lehibe zany ny toe-tsaina ovaina fa ny politikany amiko azy iny.
Ohatra hainy zao manao pression @ prix essence fa aona ny @ huile zavatra iray fotsiny iny fa mbola betsaka noa azo ambara.
Dia ho antsika koa aza faly mandrangitra @ resaka politika fotsiny fa toe-tsaina no resahana e !
15. bazylou ( 15/06/2007 00:39)
ka i le8 no tokony hanova toe tsaina prema e!!:wink:
16. Jeankely ( 15/06/2007 07:15)
Ialahy tsy ilainay ry "bazylou" o. Efa nilaza ny Malagasy ho tay sy vendrana ialahy inona no mbola hidirana amin'ny hevitry ny Malagasy? Na lasa andavaka izahay na miakatra ny avo anay Madagasikara ary tsy manaratsy Malagasy sahala an'ialahy izahay. Io no solontenanay ary President-nay. Ny fianarana vitaina dia mijanona any. Tsy asolonay disque laoka io. Mazava???
17. jimtex ( 17/06/2007 17:15)
ka le olona anarina tsy hendry fa adala mintsy ko ,de andraso kely mo fa ato ho ato de ho avy ndray ny pire ,hatrany ampiangonana io
18. Jeankely ( 18/06/2007 01:48)
Aleo ho avy jerena e. Miriorio ny angidina fa any ankady ny farany izany tsy midika fa ny mpitondra no angidina fa izay rehetra manao ny tsy mety dia samy hijinja ny nataony. na manaonao foana na miteniteny foana samy miandry ny vokatry ny asany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1054