Antso

1. Ralay ( 13/06/2007 09:58)
Ny caummunauté Catholique Malgache de la Côte d'azur (CCMCA)dia hanao fivavahana firaisampinoana ho fankalazana ny fetimpirenena ny alahady 24jiona @ folo sy fahefany 10H15 ao @ trano fiangonana soeurs Ste Claire Cimiez Nice.
Izany dia arahin'ny sakafompiangonana katolika ao antoerana ihany.
Koa manasa antsika izay afaka hanatevina izany sakafo izany.
Ny sarantsakafo dia 22€ ary 10€ - 12ans.
Contact: ccmca@free.fr na 0613491789/ 0603685267/0611116124/ 0489922741

"Invité d'honneur @io fotoana ny groupe Njakatiana"

novalian'i marozevo ny 14/06/2007 23:30
2. diamondra27 ( 13/06/2007 10:23)
mazotoa daholo e!

3. majesty ( 13/06/2007 11:10)
Mahafinaritra ilay hoe mivavaka ho an'ny Tanindrazana,sady amin'izao ilay tanindrazana efa miha-milentika any anaty kizo mihitsy,fa misaotra ny mpikarakara,fa ny manitikitika ahy dia ny hoe:

1)Fivavahana rano fotsiny izany ny maraina ve?
2)Inona ilay hoe sakafompiangonana katolika?
3)Dia rehefa avy mivavaka izany dia avy misakafo an'ilay sakafom-piangonana katolika dia miaraka mandihy amin'i Njakatiana sa hira Evanjelika no ataony ao?

Misaotra é:D
4. sallai ( 13/06/2007 11:24)
Ny caummunauté Catholique Malgache de la Côte d'azur (CCMCA)dia hanao fivavahana firaisampinoana ho fankalazana ny fetimpirenena ny alahady 24jiona
mialatsiny raha manintsy anao fa ny CCMCA sy ny FPMA no manao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana fa tsy ny CCMCA irery
5. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:32)
majesty>
1)tsy voatery ho fivavahana ranofotsiny ka
2) vita ny lamesa dia miaraka mikaly ko.ao ampiangonana (samihafa @ komonio io an)
3) Vita ny sakafo dia mirava kosa angamba ka. sady tsy voatery hisy hira ko:wink:
6. Ralay ( 13/06/2007 15:06)
majesty: Ny maraina dia fivavahana iraisampinoana fa rehefa vita ny fifavahana vao misy ny sakafompiangoana.
sallai:Marina ny fantsiana nataonao fa ny antony nilazako hoe CCMCA dia izy no mandray @ ity indray mitoraka ity.
Ny fandihizana aloha angamba tsy hisy fa ny hira² no hisy.
7. marozevo ( 14/06/2007 23:30)
Angaha moa tsy misy rubrique hanaovana filazana na fanaovana vaovao tselatra ?

Raha tsy misy dia tokony hamorona hametrahana ity, fa raha misy kosa dia mieke fa diso toerana ity.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.14