farasisa

21. niryna ( 17/06/2007 04:56)
Mety tsy ho ireo tety sy angatra ireo no tian-dravakamalala ho tenenina.Toa tsy misy hidiran'ny aretina eo ambony ireo io eczema io.
eczema dia aretina hoditra izay hatraorina elabe ilay faritra mangidihidy dia lasa mviovK nana kely sy ra ary mitsovaka vokatr'ilay hidihidy sy kikisana lava, dia iny no mifindrafindra.Jereo raha misy zavatra tsy zakan'ilay zaza amin'ny hodiny ohatra savony fanasana lamba,akanjo landy(vita amin'ny wool)zavatra synthetic,volon'alika na saka sns.Dia fadio ireo.Aza avela hatraoriny fotsiny fa mamela trasy.Raha izay no mitranga dia hosory menaka diloilo kokoa(butter cocoa)rehefa sitrana dia miala tsikelikely ilay loko maity,na asio vitamine E koa fa manampy be io.Andramo ny menaka vaseline pure fa io no mandaitra.Raha ilay resaka farasisa amin'ny ankizy izany a.Ny olon-dehibe koa aza manome tongotr'omby ny olona rehefa misy bevohoka mba hiarovana ny farasisa sy mampadio ny hodi-jaza hono.Tsy haiko indray rehefa avy teraka vao omena ilay ankizy na rehefa lehibe fa andramo aloha .
22. ravakamalala ( 17/06/2007 11:38)
tsy ilay dokotera no niteny hoe farasisa ka! aty france ilay tantara no mitranga, ny azy dia hoe eczema, fa ny ilay beben ilay zaza no miziriziry amin ny hoe farasisa dia lasa ihany ny saiko!

tena misy mahasamihafa azy mantsy raha hoe farasisa sa eczema!

raha eczema dia fitsaboana eto ivelany ihany fa raha farasisa mety mila fandiovana tanteraka ny any anaty any!
23. niryna ( 18/06/2007 03:31)
Raha farasisa mantsy dia ireo lazain'ny namana ireo no mety antony dia ny fisotroan'ny ray na reny toaka be loatra na maharitra na zanak'antitra koa izany hoe efa lehibe ilay olona vao miteraka dia maro ny aretina mety mahazo an'iray amin'izy mivady.Asa ianao na efa nahita ireny ankizy atao hoe zanak'antitra ireny,toa lehibe sahady sady fetsy be.Fa io farasisa io no mety mahazo azy rehefa mihalehibe tsikelikely.Jereo tsara ihany izay zavatra tsy zakany na sakafo na savony na akanjo.Eny anelanelany eny dia mila miosotra lotion koa ny vatany rehefa sitrana.Tsy dia mahazo mandro elabe koa fa maina ny hodiny.
24. niryna ( 18/06/2007 03:45)
Ireto misy karazana eczema.
http://chip.med.nyu.edu/file.php/6/eczema.jpg
http://www.allergycapital.com.au/Images/Delayed%20eczema.jpg
http://medimages.healthopedia.com/large/coin-shaped-eczema.jpg
http://eczema.skyeherbals.com/images_and_css/eczema_on_hand.jpg
http://missinglink.ucsf.edu/lm/DermatologyGlossary/img/Dermatology%20Glossary/Glossary%20Clinical%20Images/Eczema_Nummular-L.jpg
Ka misy mitovy amin'ireo ve ilay mahazo an'ilay zaza?
25. ravakamalala ( 18/06/2007 11:01)
ô ry niryna a! lé sary vao voalohany kosa mampatahotra be an! sady tonga dia any amin ny lohan ilay zaza mihitsy! loza be!
ohatran ilay faharoa io angamba hoy aho fa tsy be rougeur be ohatran izao aloha e!
nahita sary iray koa aho tsy tadidiko na fahafiry izy teo na fahafiry fa ilay ohatran ny misy "plaque". io koa mahazo azy.
izany hoe bouton kely bdb sy plaque izany e! fa ny fahitako ireo sary nalefanao ireo ohatran efa tena grave be an! sady miampy an ilay hoe hôtrôrin ilay zaza koa ilay izy, vao maika maratra, d mmisy risque na infection!
26. niryna ( 19/06/2007 04:50)
Ravakamalala a.Ireo no karazany fa mbola misy sady mihoatra an'ireo aza.Tena mijaly ny ankizy satria tsy mba afaka mitaraina.Aza asiana manoatra fotsiny izy,na rehefa tena tsy mety dia asio gant ny tanany:roll:.Raha tena grave be dia sarotra tsaboina na tsy mety ho tsaboina intsony.Enga anie ka mba ahita fanafody ny dokotera.Jereo aloha raha efa mihoatra ny iray volana ilay fanafody nomen'ny Dr azy ka tsy misy fihovana dia miverena any indray.Fadio fotsiny ny zavatra tsy zakany na sakafo na ety ivelany.Toy ny savony fanasana lamba(ilay malefaka tsy misy fofona ireny atao),ny fanasana vilia,ny menaka hosorana amin'ny vatany(vaseline na petrolium jelly fa io no malefaka)fadio ny ranomanitra na lotion misy fofona manitra,ny lasantsy sy ny dissolvant,rehefa mety zavatra mety tonga amin'ny vatany e fa vao maika mijaly ny zaza.Mafana ny andro dia akanjo mangatsiatsiaka omena anaovany,ilay hatsembohana vao maika mampangidihidy ilay zaza.Mangatsiaka ny andro dia fonosina izy fa maina ny hodiny ary amin'io ilay izy no tena mipoitra matetika.Akanjo vita cotton daholo ampanaovina azy.Tsy dia mahazo milalao rano be loatra na mandro maharitra ilay zaza fa vao maika maina ny vatany.Fohy kely mihitsy ho fotoana hampandroana azy fa tsy mahazo milona rano izy,rano matimaty koa fa tsy mangatsiaka na mafana fa vao maika maina ilay hoditra.Vao avy am-pandroana dia hosory io vaseline io ny tenany rehetra.Ny milomano amin'ny piscine moa dia ie,ie,misy chlorine ka vao maika zava-doza.Rehefa tena mangidihidy tsy zakany dia afaka mividy ireny alovera naturel ireny koa ianao,lotion ilay fanalana hidihidy.Asa na mety mahazaka ilay zaza fa io vahona io koa manadio fery be.Ohanina aza ilay izy fa manadio ny rehetra ao anaty.Ilay madidy iny no potserina dia asiana tantely (tantely amam-bahona ny fiainana:D).Raha misy celery ka mahazaka ilay jus de carrotte miaraka amin'ny celery dia omeo,fa celery hono misy hery manasitrana fery anaty.Mampalahelo ahy izany zaza izany.:cry:
27. tix16 ( 08/11/2018 06:38)
salut. mba mila fanampina r reto za a
28. Lesteraction ( 15/03/2023 07:35)
Perhaps Dravakamalala isn't interested in discussing these advice and techniques. It seems that none of the aforementioned disorders are present in this case of eczema.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6662