Tao am gazety tribune ka asa na marina na tsia fa hoe:
Tsy misy mihitsy ny mangarahara amin'ny fandaniam-bolam-panjakana, ka na dia mangataka fanazavana ny nampiasana ireny aza izahay olom-boafidy, dia zara raha mahazo fanazavana ». Io no nambaran'ny depiote Reboza raha nangata-panazavana tamin'ny ministry ny fitsinjaram-pahefana ry zareo amin'ny filazana fa nisy vola mitentina 27 miliara ariary naparitaka manerana ny kaominina rehetra teto Madagasikara. Iza avy no nahazo ireo vola ireo, ary ohatrinino isaky ny kaominina ? Iza no tsy mahalala fa 30 tapitrisa isaky ny kaominina isan-taona no azon'ireo kaominina ambanivohitra, fa ny antanan-dehibe kosa dia hafa raha mitaha amin'io. Eo ihany koa ny fahitana fa misy kaomina antanan-dehibe toan'i Fianarantsoa sy Toamasina nataon'ny fanjakana anjorom-bala amin'ny fanampiana tahaka izao ? « Izay no hilanay fanazavana matotra, mba tsy ho tompon-trano mihono ny mpanao lalana, ary tsara hazavaina ihany koa ny vola natobaka ho an'ny kaominina eto andrenivohitra ».
Tsy mahagaga raha mandroso i gasikara aloha e. Mbola manohy ny fikan'ny tamin'ny andron-ny Deba ihany ny mpitondra sasany nefa tsy bedin'ny filoham-pirenena