Resaka toekarena no latsa-danja eto

1. Jeankely ( 10/06/2007 07:10)
Raha mandinika isiaka dia misisika any amin'ny resaka Politika, Fitiavana, Resa-behivavy sn fa ny toekarena indray no tsy vitsy loha-hevitra. Sa tena voasaron'ny Politika izy io?
novalian'i Jeankely ny 21/07/2007 05:47
2. tsoraka ( 29/06/2007 09:22)
Rehefa mpanao politika dia mahay toe-karena. Izay no nahatonga ny laharan'ny Malagasy sahala izao. Mahaibe daholo izy rehetra nifandimby teo.
3. mandrindra ( 29/06/2007 12:01)
jeankely a, velombelomy ary izy io dia hitondray lohahevitra vaovao fa hisy hamaly foana eo eee:D
4. pissoa ( 30/06/2007 04:20)
Ry Jeankely refa miresaka politika dia tsy mba miresaka toe-karena lôzan'izy sy Bazylou mikôndrana eran'ny forum kou :lol::lol::lol:
5. rahiratra ( 30/06/2007 06:30)
Ataovy mahamay rehefa mikondrana dia diniho tsara ny toekarena fa aza variana amin'ny kilalao fitiavana pissoa
6. pissoa ( 30/06/2007 16:56)
:-D:-D:-D:-D:-D
7. kally ( 01/07/2007 08:25)
pissoa:

Ry Jeankely refa miresaka politika dia tsy mba miresaka toe-karena lôzan'izy sy Bazylou mikôndrana eran'ny forum kou :lol::lol::lol:
:-D:-D
Tsy mba ny hevitra mihitsy no miady fa tonga dia miakatrakatra sy mifanenjika eraky ny forum ry zareo.

Ary izy ange ohatry ny efa lasa niova anarana vao tsy ela akory izay e!:-D


8. ranitse ( 02/07/2007 09:16)
Lasa iza indray leiry? Na izany aza mba jereo kosa fa efa lasa hatraiza ny resaka fitiavana sy Politika nefa miresaka hoe mahantra, Hetra, sns. Tsy aty amin'ny toekarena ve ireny?
9. Jeankely ( 03/07/2007 01:47)
Mbola sahirana ry "kally" a. Tsy misy fotoana hiakatrakarana sy hifanenjehana araky ny teninao. Sa ianao afaka hijanona ento mandavataona?
10. mandrindra ( 06/07/2007 09:16)
jeankely, mba asio lohahevitra ho vakianay tsy dia maharaka fa mamaly ihany izahay raha mba manana hevitra na dia kely monja aza e:D
11. Jeankely ( 17/07/2007 03:11)
Marina izany fa samy mahita fa voa ara-toekarena isiaka Malagasy noho izany ao no tokony hifandrombahana hitadiavana hevitra. Izaho moa tafiditra amin'ny mpiakatrakatra hoy ny akama ka matilolo koa satria mifandray amin'ny polifika ilay izy ity.
12. mandrindra ( 18/07/2007 10:29)
tsy voatery ampifandraisina amin'ny resaka polifika ny toekarena. afaka mampiady hevitra mikasika ny modely mety hampandroso ny firenena nefa tsy mijery ny firehana politika.
13. Jeankely ( 19/07/2007 03:29)
Izaho tsy anisan'ireo mpanaratsy Frantsay saingy milaza kosa aho fa tsy mety amin'ny Malagasy ny Modely Frantsay. Maro ny manampahaizana avy Frantsa, maro ny mbola ao Frantsa ary betsaka ny andraikitra omena ny olona avy tany Frantsa saingy tsy hitako hoe lasa aiza ny Tanana. Tsy olona na ny manampahaizana amiko no tsy mahavoa fa ny Modely raisina mihintsy tsy mifanaraka amin'ny toetsaina Malagasy entina miasa.
14. mandrindra ( 19/07/2007 07:05)
jeankely, mba velabelaro hoe inona ilay atao hoe modely frantsay azafady
15. Jeankely ( 21/07/2007 05:47)
Tsy fampianarana lesona ny ento ary tsy mahay izany aho. Ny azoko lazaina tsotra fotsiny dia mijery modely ny mpanjaitra ary mandraitra ny ankajonao mifanaraka amin'ny modely malaza. Samy manana ny modeliny ny Frantsay, ny Angalisy na ny be kintana fa tsy mitovy. Koa ny fahitako azy dia noho isiaka mitodika be amin'ny Frantsay izay lasa alavitra ary mpikambana ao amin'ny G8 tsy zakan'ny tsenan-tsiaka ny modeliny. Mahasana sehatra maro io na sosialy na toekarena na kolotoraly kolotaraly=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047