Mangingina ndray ny ao an-tanana

1. ronaldo09 ( 09/06/2007 07:55)
Amizao aloha dia mangingina indray ny ao an-tanana,toa tsy aharezam-peo intsony mpanohitra!Ny avy ao amin'ny fitondrana koa revo eo amin'ny asany !
Mahafinaritra e!
novalian'i Jeankely ny 12/06/2007 08:49
2. marozevo ( 09/06/2007 09:25)
ie... mahafinaritra tokoa rehefa mba mangingina sy milamina. Enga anie ka ho tena fahanginana hitondra ho any amin'ny fampandrosoana sy ny fahatsiarovan-tena.
3. Fiffi ( 09/06/2007 10:53)
=D=D=D
4. xxx ( 09/06/2007 21:37)
Mangina sa ampanginina? Izay migika tao tapa-doha daholo koa. Tsy azo tsikeraina mantsy ny fanjakana.

Izaho aloha mahita fa intelligent ihany ny mpanohitra malagasy e. Tamin'ny andron'i Sylla dia tsy mba nikitikitika an'ny filoha firy ry zalahy fa sylla no nokotrohany. Izao vao tena mazava ny raharaha. Hay iny olona iny no tena niasa sy nanafina ny kileman'ny filoha teo aloha. Miseho tsikelikely izao ny tena maha izy azy.
Enga anie ka ho diso be io fiheverako io.
5. Jeankely ( 10/06/2007 03:09)
Io ry xxx tsy ny fiarovana fanjakana no mahafaly anay ny hisian'ny fahanginana sy filaminana fa mampalahelo loatra ity resaka miverindalana foana ity an. Lazaik mazava fa na io MInistera miova Ministra sy rafitra io aza dia midika fa "Transition" foana ary vao manomboka hanao zavatra iray dia miova ary tsy mihatsara fa indraindray miverina depart zero. Izay no hilainay filaminanana fa tsy hiaro izay heverinao tsy mendrika akory. Aminay kosa tsy mendrika raha mitarika any amin'ny tsy misy sy mandany jiro. Aleo handroso fa mila fivoarana ny firenena.
6. Zazala ( 10/06/2007 14:25)
Jeankely:

Io ry xxx tsy ny fiarovana fanjakana no mahafaly anay. Aminay kosa tsy mendrika raha mitarika any amin'ny tsy misy sy mandany jiro. Aleo handroso fa mila fivoarana ny firenena.


Raha i Jeankely ni asian-teny d, isan'izay avocat n'io fitondrana ankehitriny hita fa efa kely sisa d lasa fanjaka'ny miaramila. Io politikan'R8 io tsy hitany fa ho lasan'ny miaramila tsikelikely ny fitondrany. any @ faritany rehetra efa miaramila daholo no PDS sy ny sisa, izao koa efa 1er ministra, Kely sia d president koa ny miaramila.
Ho hitantsika tsy ho ela zany.

Jeankely:

Aminay kosa tsy mendrika raha mitarika any amin'ny tsy misy sy mandany jiro. Aleo handroso fa mila fivoarana ny firenena.


Aty aminay kosa na ny jiro ho lanina aza tsis.

Raha mandeha maharitraritra ny jiro d gaga b izahay, ka miheritreritra fa simba angah ny famonona azy io ao.
7. xxx ( 10/06/2007 15:12)
Zazala: Tena marina izay lazainao.:D:D:D

Angamba manao be fandrehatra ry jeankely ao dia izany no tsy mahampy sy tsy mampisy jiro lava any amin'ny faritra sasany. :-D:-D:-D
8. marozevo ( 10/06/2007 16:35)
Mbola mitohy angaha ilay delestazy hatramin'izao ?
9. Balack ( 11/06/2007 05:27)
To mbola mitohy hono ry marozevo a! Izy ty nge to anahirana e! Tonga daholo zao groupe avy any ivelany zao ka miomana isika fa hiakatra io vidin-jiro io!Ny politikam-panjakana de hampisy jiro hatrany ambanivohitra de @zay ngamba tsy hangingina intsony ny ao an-tanana.Mety ho voalohan'ny Ambanivohitra ve ny vidin-jiro ra tonga any????????????? Ny renivohitra aza mikolay vo mahaloa.
10. Jeankely ( 11/06/2007 05:45)
Izaho tsy Avocat ry havana o. Tsy fantatr'izay mpitondra ary tsy mila ho fatany aho. Mba hiaran'ny delestage ny tenanay tompoko ary tsy faly amin'izany. Efa nosoratako teto fa atao ahoana moa no hitarika olona hiasa sy hanagana orin'asa matanjaka aty Madagascar raha tsy misy jiro. Aiza no fiarovana amin'izany. Tnga daholo ny Karazana "Investisseur" mizaha ny toe-draharaha fa tsy mifanaraka amin'ny mpitsidika ny miverina na koa manakaiky ny tsy misy. Mahalala izany aho ary tsy mahazo tombony amin'izany tompoko o. Ny zavatra resahiko dia ny hoe lany andro mifampimenomenona ary na hovaina araka ny hevitra sasany ve dia hino ianao va voavaha mora ny "delestage" Noho izany no hilazaiko fa tokony handroso ary samy manao mafy izay asa tandrify azy. Tamin'ny Gazety aho nahita fanontaniana hoe atao ho an'iza izany "electrification rurale" izany? Dia gaga aho amin'ny fanonataniana. ekeko fa ny andrenivohitra aza tsy ampy ny jiro koa izany ve midika hoe ho an'iza ny tombony raha asiana izany any ambanivihitra. Izahay ry akama rehefa hoe mandroso dia mandroso fa tsy miverina izany e. Problema misy foana fa mandroso ihany.
11. marozevo ( 11/06/2007 22:28)
Ary sao dia mba tsy misy pile hitabataban'ny megaphone intsony ary, dia izay no mampangingina ny ao an-tanĂ na.
12. Jeankely ( 12/06/2007 05:34)
Tsy ny pile no tsy misy fa ny hevitra koa indraindray tsy mitombona. Ny mpanohitra dia misandrahaka. Misy antoko efa ho 200 angamba ary samy milaza azy mahita ny lalana sy fomba ahatafita an'i Madagasikara haingana. Mba mijery re tompoko ny vahoaka na miaina ao anaty fahantrana aza fa atao ahoana no hanaraka izany mpanohatra miparitaka izany. Ao ny sasany avaty andafy milaza ny hoe azerao fotsiny ny fitondrana fa mahita hasolo azy avy eo. Amiko na tsy tafavoaka aza ny Mpitondra dia ao Madagasikara koa no misy ny Mpanohatra hafa sy miparitaka tsisy azo raisina na dondrona indrindra eran-tany. Mijery izany ny vahoaka na mahantra aza. Mahita ny vahoaka na mahantra aza fa tia ho be atoka fotsiny ny sasany nefa tsy alehany koa.
13. marozevo ( 12/06/2007 08:45)
Lany bala zany eh... Sarin-teny ihany ange io "pile" sy "megaphone" io eh. Io lazainao io no tian-kambara ka...
14. Jeankely ( 12/06/2007 08:49)
Misaotra fa tsy nahatakatra ny akama.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0369