Ny vahoaka ve midika ho manara-drenirano na mpanompo foana?

1. Jeankely ( 09/06/2007 07:05)
Foana ny fanandevozana na mbola misy mpanjaka aza angamba amin'ny faritra isanisany eran'i Madagasikara. Tsy misy intsony ny voaozona ho mpanompo hatrany amin'ny taranany. Ankehitriny dia azo lazaina fa manompo ny mpanao "politika" tsy nitondra nakaiza ny Malagasy sy i Madagasikara ny vahoaka raha tsy mandinika sy mamakakafa. Ny vahoaka no tokony samy tonga saina handray sy hanantanteraka izany fandrosoana izany. Raha tena misaina sy mandalina tsara isiaka vahoaka dia hamay tokoa izay mpanao politika maloto saingy raha mbola hijanona ho mpanompo isiaka dia isiaka vahoaka no sady tsy mandroso no mizaka ny tsy fivoarana nefa ry zalahy mitombo ihany ny hatony koa samia mitandrina amin'ity fampiadiana ity. Sa mbola mpanompo?
répondu par Jeankely le 12/06/2007 05:26
2. marozevo ( 09/06/2007 09:30)
Ny olana ange ry jeankely, raha ny fahitako azy, dia mbola be loatra ny Malagasy tsy maharaka ny tena vaovao sy ny zava-misy, ka lasa mpanompo tsy fidiny eh. Ny 80% n'ny Malagasy dia any ambanivohitra. Iaraha-mahita fa ny ankabeazan'izy ireny dia miaina ny "anio" fotsiny ihany. Izany Télé (na vison io na phone) izany dia tsy misy. Boky aman-gazety, nofy. Zara raha mahavidy pile roa na telo handefasana radio. Nefa ny Radio koa ve tena azo itokisana ?
Amiko dia ny fanabeazana sy fampianarana no làlana ivoahana... izany hoe afaka taona maromaro. Na izany aza anefa, tsy kivy fa miroso moramora eny ihany.
3. daomania ( 09/06/2007 10:18)
Manaiky ny tenin'i marozevo aho mikasika ny ezaka lehibe mikasika ny fampahalalam-baovao sy ny fampianarana. Ny mikasika ny radio sy ny gazety, mampalahelo fa mbola misy ny intox indraindray (noana angaha ny kibo ka mirenireny ny fanahy ?).
Na izany anefa mahatoky ny fahamatorana ara-politikan'ny vahoaka malagasy aho. Efa nasehony hatramin'ny taona 1972 ny fahamarinan'ilay fiteny hoe "aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka !". Tsy manara-drenirano izany ny malagasy, fa izy mihitsy no mivondrona ho tsunami rehefa mila handifotra ny fahoriana sy ny fahadisoam-panantenana ataon'ny olom-boafidy. Rehefa mahazo toerana izireo dia mihevitra azy ho tsy refesi-mandidy ary manao izay danin'ny kibo, mihevitra fa bado ny vahoaka. Rehefa avy eo "exilés" toy ny mpitondra adala rehetra t@ tany mahantra. Amiko na tsy maha-vidy gazety sy piles radio aza ny gasy, ny fiainana iainany andavanandro dia efa hahaizany mamantatra ireo mpitondra "mpitari-bato vilam-bava". Mbola hifanena amin'ny mpaka kitay ireo ...
4. marozevo ( 09/06/2007 12:48)
Mbola hifanena amin'ny mpaka kitay ireo ...
Efa mifanena mihitsy ka
5. Jeankely ( 10/06/2007 03:02)
Mifameno ary tena mahaliana ny resaka. Ny hany mba asiako resaka koa dia na tonga saina amin'ny fahantrana sy asa mafy ataony aza ny vahoaka dia mbola misy ny tia kely ka manaiky ny hamono na handroaka ny namany rehefa mahazo kely. Io fahantrana io anie ka fitaovana ho an'ny mpanao politika maloto tokoa. Io no entina hanaovana tetik'asa ahazoana trosa ary io koa no entina handrodanana fanjakana, dia mbola io ihany no azo ampiasaina rehefa hamotika sy hampiady satria ny kibo tsy lamosina. Jereo tsara ny antoko politika raha mba mivory ary mampianatra ny membre-ny amin'izany fitiavana tandrazana sy firaisankina izany. Ny resaka dia ny ahazoana seza sy hijanonana eo ary tsy mila mivory fa rehefa hifidy dia resaka "propagande" misy vola fa antsoina ny membre.
6. marozevo ( 10/06/2007 16:37)
Hozy ilay mpanao politika izay indray taona : "Malahelo aho milaza aminareo fa tsy mahazo vola fanampiana isika amin'ity taona ity, satria tsy nisy siklaonina".
7. Jeankely ( 11/06/2007 02:33)
Efa firy moa ny tompon'andraikitra nirehareha fa tafiditra anatin'ny IPPTE i Madagasikara ary ahazo vola? Mazava fa tsy ny vola ampaosinao no hanaovana ny fampandrosoana na izany aza ve dia hoe tafiditra anatin'ny valan'ny faran'izay mahantra no mahafaly nefa ianao mangalatra sy be takolaka amin'ny trosan'ny firenena? Ny dikan'ny vahoaka tsy hoe ny vahoaka madinika ihany fa anisan'ny vahoaka ireo manampahaizana voalaza ho marobe koa fahaizana ve ny mijery fotsiny ny tsy nety ary izay voalaza fa mbola tsy mety.
8. marozevo ( 11/06/2007 22:31)
Ndao Rangahy hiverina any Mcar daholo isika aty an-dafy aty, dia hovantsika milay be io Mcar io ah. Inona no tsy efa hitantsika taty raha resaka fampandrosoana no resahina.

Ndao Rangahy hiverina any Mcar isika, dia hazavaintsika tsara ny toe-tsain'ny vahoaka ah.

Ndao Rangahy hiverina any Mcar, dia hampiasaina amin'ny fampandrosoana daholo izay volakely mba niforetana taty nandritra ny taona maro ah.

Ndao hiverina eh
9. Jeankely ( 12/06/2007 05:26)
Misy fotonany ny rehetra. Mazava fa izay afaka miverina sy manao zavatra afaka mifanaraka ny any Madagasikara dia mety fa ireo izay mbola mampitombo ny fananany angamba tsy homena tsiny ny amin'izany. Ny samy manampahaizana dia anisany manahirana ihany koa satria samy mahalala isiaka fa tsy misy lalana tonga lafatra fa misy tsininy daholo ary ny samy manampahaizana no tena variana mifampi-critique. Vao misy hevitra miseho dia ny lafi-ratsin'iny no havoakan'ny manampahaizana hafa. Tsy mifameno izany fa miafamono. Amiko na mijanona andafy aza ianao ka mnome hevitra na mapirisika ny olona fa tsy vita mora izany fampandrosoana izany. Dia gaga aho indraindray fa misy tsy mieritreritra fa nandalo lalana marobe ary nahita ny mangidy ny firenena manakarena hipetrahany nefa vao misy olana ao Madagasikara dia avaty andafy indray no mitabataba manakivy ny vahoaka. Mila mahay mifanaja koa ny samy manampahaizana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0756