Qui a écrit la Bible et pourquoi ?

21. marozevo ( 10/06/2007 12:48)
Oay !!! Inona ary ity ?
Eny eh... I Jesoa Kristy no fototra sy tanjona. Tsarovy anefa fa i Jesoa Kristy no ilay TENY (Verbe - Logos) tonga nofo.
Io TENY io dia efa nisy talohan'ny nahariana izao tontolo izao. (Jn 1,1...).
Io TENY io dia niara-nonina tamintsika. (Jn 1,.. ihany).Io TENY io dia "Tsy maintsy toriana eran-tany". Tsy tadidiko ny referansy.Io TENY io dia te-ho-tonga-nofo ato amiko, ankehitriny. Ka ahoana moa no hahatongavany ho nofo raha tsy miainga amin'ny tantaram-pamonjena raiketin'ny Baiboly aho.

Ny Baiboly tsy tantara fa tantaram-pamonjena.
22. xxx ( 10/06/2007 21:34)
Ny tiako ahatongavana eto dia izao : ny Soratra Masina dia tsy lettre morte io. Ka izay voasoratra ao dia tsy maintsy adika ara-bakiteny avokoa. Tadidio anefa fa mazava ny tenin'i Md PAoly : " la lettre tue mais l'esprit vivifie".
Ka tokony hitandrina ihany isika noho izany @ famakiana sy ny fomba fi-interprete-na Baiboly.
23. rrgmt ( 10/06/2007 23:30)
Ny itovizany dia samy boky inspiré izy ireo. Izany hoe tsy vokatry ny asa-sainan'ny olombelona fotsiny fa notsilovin'ny Fanahy Masina ihany koa ireo mpanoratra

Ny soratra rehetra "inspiré" avy amin'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana,ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana araka ny fahamarinana...( II Tim 3.16).
Koa raiso ka vakio ilay HARENA SAROBIDY, mba hijerena izay zava-misy na amin'ny fiangonana aza ka ampitahaina ara-tSoratra Masina ary hanitsiana izay diso. Mazotoa mamaky ary mila mangataka ny Fanahy Masina isika hanolo-tsaina !!!!:D
24. prime ( 15/06/2007 14:18)
Mitovy hevitra tanteraka amin\'i marozevo aho eto...

Ny baiboly dia boky, fitambarana boky maromaro no tena marina, nosoratan\'olona maromaro, samy nanana ny nahaizy azy, sy ny vanim-potoana niainany, mety nisy nifandraisany nefa mety tsy nisy koa...

Ka raha eo fotsiny dia tsy mitombina ilay fanontanian\'ilay olona notsongain\'i fiffi manao hoe: \"qui a écrit...?\"; \"qui ont écrit...?\" no mety hitombina kokoa...

Nampianarina ahy ireto ka dia mba zaraiko... Raha fehezina tsotsotra dia toy izao:

  1. baiboly=fitambarana boky maromaro manambara ny tantaran\'ny Zanak\'Andriamanitra sy ny fitiavan\'Andriamanitra ny olombelona hatr@ fanombohana ka hatr@ fiafaràna...
  2. soratra masina=soratra nomena araka ny tsindrimandrin\'Andriamanitra ka nanamasinany izany tamin\'ny fanahy tao amin\'ireo mpanompo voafidy manokana hirakitra an-tsoratra ny fitiavan\'Andriamanitra
  3. tenin\'Andriamanitra=teny tonga nofo (logos) teny velona, dia Jesosy Kristy... ilay Zanak\'ondrin\'Andriamanitra tsy misy pentina tonga nanolotra ny ainy ho famonjena ny olombelona voaozona noho ny ota ka handraisan\'ireto farany ny fiadanana sy ny fanjakàn\'ny lanitra araka ny sitrapon\'Andriamanitra...


Ka raha valiana ny fanontaniana dia olona maro no nanoratra ny baiboly araka ny mahaizy azy avy sy araka ny vanim-potoany avy... ny antony dia efa voalazan\'ny namana ireo ambony ireo fa ny votoatiny dia FITIAVANA...
25. marozevo ( 15/06/2007 17:25)
Merci prime. Mampahatsiaro ny katesizy natao fahiny ireo famintinana telo nataonao ireo.
taloha ireo nianarana tsianjery, fa ankehitriny ezahina hivelomana.
26. Fiffi ( 17/06/2007 10:56)
misaotra anareo fa tena misy ho dinihina mintss eto...
27. prime ( 19/06/2007 13:41)
fiffi> tsy misy fisaorana retsy a... mahereza hatrany...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.198