Manaova tahaka ireny zazakely ireny dia.....
1. xxx
(
07/06/2007 17:46)
Tsy fantatro na ato no tokony hanoratako ity na any @ hatsikana fa saingy nampisaina ahy dia hoy aho hoe: mety @ finoana ilay izy.
Indray andro niditra tao @ magazay lehibe ireny ireto mivady niaraka t@ zanany vavy kely. Rehefa hitan'ilay mpivarotra fa mahafatifaty ilay zazakely dia hoy izy: avy ange ianao aty e! Notaritiny teo @ bokaly feno bonbon iray, ary hoy izy alaivo fenoy ny tanana. Ary alaivo izay zakanao. Dia hoy izy andraso ary aloha.... Dia hoy izy Dada a!, Dada a! avy ange Dada aty e! Heverin'ilay mpivarotra fa hangataka alalana fotsiny ilay zazakely kay hoy izy atsofohy ato ny tanan'i Dada dia fenoy bonbon ho ahy ny tananan'i Dada. Tsy nahateny ilay rangahy satria nahazo alalana izy ary nisafidy ilay tanan-drainy izy satria lehibe ny tanan-drainy noho ny azy. Mba efa noeritretitsika ve izany fahalalan'ny zazakely izany mahalala ny tsaratsara kokoa.......Dia hoy ny soratra masina hoe raha tsy .......fa toa azy ny fanjakan'Andriamanitra..........

novalian'i prime ny 13/06/2007 10:34
2. marozevo
(
07/06/2007 18:43)
Voalohany fahatsorana.
faharoa fahatokisana sy fianteherana an'ilay rainy.
Tokony ho hatsikana aloha raha ny fahitako azy, nefa misy azo ampiharina amin'ny fivavahana ihany.
faharoa fahatokisana sy fianteherana an'ilay rainy.
Tokony ho hatsikana aloha raha ny fahitako azy, nefa misy azo ampiharina amin'ny fivavahana ihany.
3. Fiffi
(
07/06/2007 19:11)
Dada a! avy ange Dada aty e! Heverin'ilay mpivarotra fa hangataka alalana fotsiny ilay zazakely kay hoy izy atsofohy ato ny tanan'i Dada dia fenoy bonbon ho ahy ny tananan'i Dada.heu...de midika kosa ve zany hoe mety le fitiavana hanana bdb no nahatonga azy nanontany ny dadany haka an'le bonbon ? de ho raisina ratsy satria tsy mahay mionona am le tanany kely ? fa....heu...ao am heritreritra mandalo angamba no nahatsara nasiana an'ity....
4. marozevo
(
07/06/2007 19:13)
Tena "eritreritra nandalo" io, satria ny tapany faharoa dia voalobo-jaza ihany.
5. Fiffi
(
07/06/2007 19:16)
sady tsy feno le hoe:
Dia hoy ny soratra masina hoe raha tsy .......fa toa azy ny fanjakan'Andriamanitra..........de tsy azo zay tiana lazaina....
6. marozevo
(
07/06/2007 19:20)
Ao ihany ilay izy fa ataony "sous-entendu". Nefa io no tena tokony ho fototry ny resaka.
9. ari.malala
(
08/06/2007 14:31)
Fiffi:
Voalaza teo :
Dada a! avy ange Dada aty e! Heverin'ilay mpivarotra fa hangataka alalana fotsiny ilay zazakely kay hoy izy atsofohy ato ny tanan'i Dada dia fenoy bonbon ho ahy ny tananan'i Dada.
heu...de midika kosa ve zany hoe mety le fitiavana hanana bdb no nahatonga azy nanontany ny dadany haka an'le bonbon ? de ho raisina ratsy satria tsy mahay mionona am le tanany kely ?
Tsia kosa hoy aho, satria io fahatsorana io dia anisan'ny toetra soa ananan'ny zazakely. Ny fahazoako azy tsy hoe te hanana be dia be ilay zazakely, tsy hoe tsy nahay nionona @ tanan-keliny fa niankina sy natoky an'ilay rainy izy.
Izay toetra izay ilay tenenin'i Jesoa tokony hananantsika, miantehitra tanteraka @ Atra Ray; dia izay ilay ataon'ny mpandefa lohahevitra sous-entendu hoe "Raha tsy miova ianareo ka manjary toy ny zaza dia tsy handray ny Fanjakan'Andriamanitra" (izaho tsy mahay toko sy andininy fa miala tsiny)
10. marozevo
(
08/06/2007 17:22)
Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny.
Matokia ny Tomponao, hatrizao ka amin'ny taona tsy misy fetrany.
Matokia ny Tomponao, hatrizao ka amin'ny taona tsy misy fetrany.
11. linarako2
(
08/06/2007 20:41)
Nanana fahatokisana tanteraka an-drainy izy ka izany no niantso azy .Enga anie isika mba hanana fahatokisana an'Andriamanitra izay nonome antsika ny Zanany amin'ny fiainantsika.8)
12. xxx
(
10/06/2007 15:46)
Misaotra antsika rehetra raha nanome ny heviny avy @ ilay tantara kely iny. Tsy fantatro anie ny tohin'ilay fehezanteny tao @ SM e fa fantaro fotsiny fa ny zazakely no nalain'i Jesosy ohatra raha nampiannatra izy. Ka iza no tsy matoky ny rainy? Raha ilay rainy nanome ohatra tsara foana ny zanany. Ohatra kely hanoanako izay: Nisy zazalahy kely niaraka t@ ndrainy niara nitsangatsangana t@n-janany tany anaty ala. Dia hoy ilay rainy tamin'ilay zaza: aza mihetsika ianao. Tsy nihetsika tokoa ilay rainy saingy nanontany izy inona no antony? Dia hoy ilay rainy: midina moramora dia mandadiza ianao. Dia nidina tokoa ilay zaza ary nandandy. Rehefa avieio dia hoy izy m andadiza mankaty amiko aty moramora fa aza mikoropaka dia nanao izay nolazain-drainy ilay ankizy. Rehefa viata ny nataon'ilay ankizy dia hoy ny rrainy jereo iry ambony iry! Inona hoy ianareo no teny: Bibilava (dò) be iray izay efa nikendry ilay zaza. Hevero raha hoy ilay zaza hoe:i Dada koa manadala, dia inona no nitranga?
13. marozevo
(
10/06/2007 15:57)
Horera be ilay tantara misy bibilava. Fa mbola Horera lavitra noho izany ny fahotana. Ilay Ray be fitiavana anefa MIARO sy MIANTSO ny zanany tsy hivarilavo amin'ny fahotana.
Miverena ianao ô ry mpanota ô...
Ry mpanota ô, tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao...
Miverena ianao ô ry mpanota ô...
Ry mpanota ô, tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao...
14. xxx
(
11/06/2007 07:50)
Dia hoy ilay hira misy hoe:
Mba tantanonao ry Raiko
Zato lalan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra anao...........
Heveriko fa raha manaiky toa ny zaza marina isika, ary miantehatra amin'Ilay Ray be fitiavana dia tsy hisy horera...........tahaka ilay bibilava (dò) izay efa mikendry ny hilatsaka eo ambonintsika ary raha toa ka maka ny hevitr'ilay Raintsika isika na mangataka ny fanampiany dia hanana ny tsara indrindra sy ny ampy @ zavatra rehetra.
*** An'Ilay efa tiantsika hatramin'izay ka hatramin'izao anie ny Haja sy Laza ary ny Voninahitra.....****

15. marozevo
(
11/06/2007 08:17)
Nefa raha tsy izay no didy, voasoritrao ho ahy.
Amboary ny safidy sy ny ratrako am-panahy...
Izy anie no homem-boninahitra.
Amboary ny safidy sy ny ratrako am-panahy...
Izy anie no homem-boninahitra.
16. prime
(
13/06/2007 10:34)
Misaotra an'i xxx... sady fampianarana no azo atao amin'ny dimy minitran'ny SA no sady tsotra mora raisina...