Fihaonana Firenena matanjaka G8 eto Allemagne

1. saho ( 07/06/2007 14:33)
tena zava-dehibe ho an'ny firenena afrikana tokoa izao fihaonana ao Heiligendamm izao satria resahana ao koa ny fampandrosoana an'ny continent africain

misy isankarazany ny fomba filaza ataon'ireo afrikana monina eto allemagne noho izany ao no miteny hoe mahavita azy afrika fa tsy mila fanampiana...raha fiteny olona nahita fianarana afrikana dia tsy ho toy izany no fomba filaza satria tena mila fanampiana b d b tokoa ity continent ity

Raha ny fandinihana nataon'ny journaliste allemand dia ny Europee Union ihany no mampisy blem @ resaka branche economie sasany ohatra izao ao Senegal, betsaka ireo mpanjono tsy mahazo tronddro intsony satria lasan'irony mpaka trondro specialiste bateau prof irony ny trondro eran'iny faritra afrikana iny, izany dia fifanarahan'ny EU @ fanjakana afrikana toa ny Senegaly kanefa tsy tsinjovina ireo mpanjono na mpanarato ao an-toerana manao ny asany fa dia jerena fotsiny, hany ka tsy mahagaga raha be ireo Afrikana tonga @ sambo hazo kely feno olona be ireny @ sisiny Espagnol ireny ao no matimaty foana noho ny hanoanana sy hatsiaka ary ny tsy fahampian'ny rano

nisy fisehoana koa tao @ TV allemand hoe iny continent iny dia be ireo fitondrana misy miaro ny tenany aloha indrindra fa ny bizna misy ao @ fireneny dia ohatra tsy azo n'iza n'iza hidirana izany bizna izany fa ny azy ihany no arovany....dia tena nahatsiaro antsika any mada aho fa ity ra8 ity dia miaro ny orinasany...tiko...izy irery ihany no mahazo mamokatra produit laitier sy ny resaka menaka eran'ny mada...ny resaka fananantany koa dia arovany ho azy daholo ny firenena rehetra rehefa adala tompo


ny resaka blem ao mada ohatra dia ity resaka napetraky ny colonisation faran'ny tay ity dia resaka ady eo @ samy malagasy, i ra-anina avy any Atsimo tsy tia ny avy any Avaratra, na ra-anina avy ao Afovoantany tsy tia avy any Atsinanaa....


Izaho aloha dia tena maharaka tsara ny blem ao dago fa izay mahazo toerana sy be vola ihany no tena mahay manao ny firesahana etsy sy eroa fa raha izany lalana na hoe droit de l'homme mbola tsy mipetraka tsara @ firenena Afrikana

Ny firafitry ny lalana Justice mbola tsy mitombona tsara ary io anefa no fomba hiadiana ny fahantrana voalohany....
Nahoana isika malagasy no tsy manana rafitra izany justice atao matanjaka tsara ary samy mba hanaja izany daholo sa mbola hampitahorina ity hoe fahamasinana sy fahamarinana ity...tsy ho hisy hanefa izany na aiza na aiza eto antany...
Ny fampianarana (Formation isankarazany) koa no tsy ampy @ firenena Afrikana...

Ahoana raha tena misy gasy mahay any amintsika kanefa tsy afaka mankaiza io gasy io satria tsy miteny ny lalana ao mada raha ny fomba fiarovana ny fahaizan'io gasy io, ohatra gasy mahay momba ny atao hoe Organisation Administratif, industriel, infrastructure, transport, Famatsiana menaka...
Lasa any am-paosy ve ilay vola fangatahina 4milliard de dollar azo ka aiza ny marimaritra iraisana hahafahana mesurer-na fa mandeha ny fiainam-bahoaka sa ilay mamba voay be mpangoron-karena irony ka vetivety dia milliardaire ny sasany ary ireo vahoaka maro an'isa dia jamba tantanana daholo

Izany hoe miankina @ organisation daholo ny fandehan-javatra @ firenena iray...

Io anefa dia rava ho azy raha misy ny adim-poko, raha tsy miteny ny Justice, raha misy ny tsolitra raha misy ny olona voavidin'ny vola, raha misy ny vahoaka tsy mahay taratasy ary tsy ho lasa lavitra...

Dia tena lava be ilay resako ary tena mahavizana o!
Izay no mba anjaara fitenenako @ mpiray tanindrazana ka dia ampitampitao any...
novalian'i Jeankely ny 10/06/2007 02:46
2. xxx ( 07/06/2007 15:40)
tongava any Berlin am 30 jiona sady manao fety no mitafatafa
3. Bita ( 07/06/2007 16:37)
F'angaha ts'isy fihaonana @ 26 Juin. Aiza ny fotoana dia iza no mikarakara azy. Mahaliana io ary mahafinaritra ny fihaonana. Dia samy ho tratran'ny Asaramanitra izany e!
4. Fiffi ( 07/06/2007 17:23)
soahiany fa any no atao io G8 io fa tsy eto frantsa..
5. Jeankely ( 08/06/2007 03:55)
Lalina ny resakao ry "saho". Niresaka ny Fihaonan'ny G8 ianao ary tsy ny resaka ny tokony hataon'ny firenena afrikanina na firenena vaventy hampandroso an'io Afrika io no betsaka fa ny "problemes" manokan'i Madagasikara no nivoitrabe. Raha ny olan'i Madagasikara dia tsy hay fa ny vahoaka tsy mitady olana ary mila fivoarana. Raha ny resaka tsy fahaizan'ny mpitondra sy ny fitiavantenan'ny mpitondra dia azy manokana izany ka ilaina tokoa ny mifampiserasera tahaka izao ahatonga saina ny vahoaka rehetra. Ny ady antrano kosa dia ny Mpanohitra sy Mpitondra mifandimby teto no manao fitaovana io ady foko io. Ny ao Afovoantany tsy mbola nisy nadroaka olona avy amin'ny faritany fa izireo foana no lasibatra ary ny mpiasampanjakana na mpitsabo, na mpampianatra na koa ny mpivaromandeha ve no misy hifandraisany amin'ny fitondrana no ireny no roahina? Ny vahoaka dia tokony hifampiaro fa tsy hanaiky hatao fitaovana ara-politika. Raha ny resaka "injustuce" na "Nepotisme" na "Favoritisme" tsy mahazo tombony amin'izany ny vahoaka. Ho lava marina ny resaka satria tsy vita mora ireo zavatra marobe nosimbaina sy potika ireo. Eto aza misy tary iray ao France mifaly sy mibitaka fa "lasa lavitra hoy izy ity satria efa mandroaka merina ny any Diego sy Toliary". Olona ahoana koa izany aminao any "Germany".
6. rakaroka ( 09/06/2007 08:24)
G8 ny lohan-teny:roll::roll::roll::?:
Dia inn hono no hidiran'ny fahatran'ny Afrikana sy isika @ izany:roll::'Taoko adin'ny manana sy fitandrovana ny tombontsoany hatrany no fototr'izany?...
7. andrimboara ( 09/06/2007 10:11)
henjena ny ady hevitra, sady miresaka ny raharaham-pirenena anatiny enao, no mitondra ny fomba fijerinao @ ny politika ivela.

Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifandray ihany. Misy @ ireo no fototra tsy maintsy iaingana raha te hanana firenena vanona,
dia ny fanana politika anatiny miainga @ zava-misy iainan'ny firenena, voajery ao anatin'zany avokoa na ny lafin'ny sosialy,ny toe_karena ary ny politika @ an-kapobeny. ny mifanohitra @ zay nefa no mahamaika an'ireo mpitondra Afrikanina dia ny ahatsara endrika azy @ ireo Firenen-dehibe sy ny mpamatsy vola, ahazoana sora-bola be avy hatrany,izay tsy fantatra hoe:ahoana ny fomba nampiasana azy ary ahoana ny hamerenana azy?
Hany ka asaina mitehaka lava izao ny vahoka malagasy isak'zay idiran-trosa. tongom-bakivaky, sady maharary no mahamenatra.

Zah kosa eto dia tsy manome tsiny ny Firenen-dehibe fa isika mihitsy no manaiky lembenana. firifiry @ ireo manampahaizana malagasy no tsy tamana eto Mada, noho ny fahatsapany fa tsy misy rafitra mazava eto ary ny lalàna dia maro no tsy ara-drariny fa notefitefena hifanaraka @ tombotsoan'olom-bitsy. Ary moa ve tsy ireo Akora fototra avy aty afrika no mampihodina ireo Indostria Goavana maro aty Europe. Tsy atao mahagaga izany satria any no azo antoka ny fampiasam-bola, eto amintsika na ny fanan-tany aza ngeh ka tsy mazava e!! samy mangorona izay tiany angoronina ireo mpitondra. hatramin'ny sopitr'i Madagasikara aza lasa misy tompony e!!

Ny samy malagasy aza mifambotry ka mba manao ny ataony ny vahiny, indrindra ny firenen-dehibe, hany ka vizaniny @ resaka mondialisation lava zao ny "Balance commercial" aty @ firenena mahantra. Samy mahatsapa izany ireo Economiste Afrikanina, nefa nahoana no tsy miteny.Ny tena mahagaga dia isika sahy miditra @ ZLE, nefa ny indostria sady osa de osa no azo isaina @ ratsa-tanana.Ny azo amehezana ireo rehetra ireo dia ny hoe "Tsy mbola fantatry ny Afrikanina maro ny atao hoe Firenena, ary ahoana no hiarovana azy?". isika aza moa samy malagasy izao ihany dia azo hampirafesina @ resa-poko. Mahamenatra e!!

Dia eto isika samy mitehaka @ "éléphant Blanc" omen'ny mpamatsy vola eto.

@ manaraka indray isika mijery ny Kolotsaina, izay tsy mitsaha-mihapotika hatram'zao.
Samy soava e!!
8. daomania ( 09/06/2007 11:35)
G8 sy tany mahantra (tsy andalam-pandrosoana akory fa andala-pilentehana no marina). T@ 1989 no nirodana ny mur de Berlin nisakanana ireo tatsinanana tsy handositra ny tsy fahampiana teo @ taniny. Faly daholo ny iray tanana, indindra ny tany tandrefana fa nandresy ny libéralisme. @ izao fotoana izao anefa dia ny G8 no manangana rindrina @ frontières-ny mba tsy hidiran\'ny mahantra mila vonjy ao aminy. Le mur de la honte est tombé, des murs de l\'hypocrisie et du cynisme s\'érigent un peu partout (en même temps ils se disent les champions du droit de l\'homme !). Avy aiza ny akora mampiroborobo ny famokarany sy ny toe-kareny ? avy ny ati-doha (une partie) manamafy ny suprématie-ny ?
Raha ny marina hananan\'ny tany \"mahantra\" na ny ati-doha na ny akora. Ny olana dia izao, ny teknisiana tsy mpanao politika samy manana ny talenta nomen-janahary azy. Ny zava-tsy hay rahateo tsy ibitabitahana. Ny mpanao politika no mametraka ny drafitra fampandrosoana ary ny teknisiana kosa no mampiasa ny fahaizany manantanteraka izany.
Ny tena olana na ho an\'ny teknisiana na ny mpanao politika dia izao. Mifampitaha @ ireo mitovy laharana aminy maneran-tany izy dia milaza hoe samy nivaky loha izao ihany koa nahoana ny teknisiana @ tany hafa niara-nianatra tamiko na ny mpnao politika mitovy lenta amiko no miaina (conforts et avantages matériels) tsara kokoa noho izaho. Il n\'y a qu\'une vie, pourquoi les autres ailleurs vivraient mieux que moi ?
Tant que cela sera ainsi, les pays du G8 continueront de nous exploiter et de nous jeter des miettes juste pour entretenir leur vivier d\'esclaves modernes. Quand on s\'adresse à eux, ce sera toujours en mendant, alors que ... tompony mangatak\'atiny !
9. Jeankely ( 10/06/2007 02:46)
Betsaka ny lesona azo tsoahina amin'ny resakareo ary hisaorana tokoa. Na izany aza dia efa tafiditra anatiny isiaka ka sarotra ny hivoaka ary amiko izay hevitra ahafahana miady sy mivoatra dia tena misy saingy isiaka ihany koa variana amin'ny ady na ny problema anatiny. NY resaka ZLE lazain'ny namana iray rery ambony ohatra dia tena mbola osa tokoa ny indostrio malagasy nefa raha mbola mpikambana amin'ireo WTO,SADC,COMOSA sns dia manaraka ny lalana voafaritra noho izany anjaranao no maka lesona sy manao izay ahazoana tombony amin'izany. Ahoana no misy tafavoaka koa isiaka no tsy maintsy rendrika? Manana dia manana manampahaizana avy andafy tokoa ny Malagasy saingy tsy misaraka izany ny asan'ny technician sy mpanao politika fa mifangaro ary efa nanokatra hevitra mikasika ny hoe technician manaraka revy politician ka ny firenena no tsy tafavoaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0861