Tsy nanaiky lembenana ny katolika.

1. Fiffi ( 07/06/2007 09:30)

Nitroatra tamin’ny hatezerany ny katolika, ka raikitra ny filaharana an-dàlambe omaly tao Fianarantsoa, izay nandraisan’ny mpianatra anjara ho fanehoana ny tsy fahafaliany. Sora-baventy isan-karazany no nirenty nandritra ny filaharana, izay mitaky ny tsy tokony handroahana mompera hiala eto, teo ihany koa ny fitakiana ny tokony hanajan’ny fanjakana ny soa toavina malagasy. Voahosihosy ny fomba amam-panao Katolika ka mora resy lahatra ny mpianatra teo anivon’ity finoana ity, ary dia nirohotra avokoa ny mpianatra tsy miankina rehetra tao Fianarantsoa niampy ireo mpianatry ny Oniversite tao Andrainjato, saingy noravan’ny mpitandro ny filaminana io filaharana io.
Mbola hitohy ?
Niantso fifampidinihana haingana ny mpitondra tao an-toerana, saingy raha ny tsilian-tsofina heno farany alina dia hitohy anio ny filaharana ka hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny hetsika. Mifamahofaho anefa ny tetika hatreto, satria ao no milaza fa hiainga eo anoloan’ny Magro ny filaharana, ary misy kosa no tsy nanaiky io fa eo anoloan’ny kaominina no hanaovana izany ka hiazo ny làlam-be isan-karazany any an-toerana. Ny mampametram-panontaniana ny rehetra dia ny hoe misy hifandraisany amin’ny fahitana rezervista maro tany andro vitsy lasa ve izao zava-mitranga izao ? Toa miray hina ihany koa ny mpianatra amin’ny finoana maro samy hafa, izay midika inona ? Hatreto aloha dia tsy manaiky lembenana ny katolika manoloana ny fisehoan-javatra nahazo ity finoana ity tao ho ao, ka hinoana fa tsy hisy hanam-pitsofina intsony ny rehetra, sao ity trambo mandady ity no hivadika hamono ny fitondrana.
Aiza ireo raiaman-dreny ao an-tanàna ?
Samy variana amin’izay mahavariana azy tokoa angamba ny mpiahy tao an-tanàna, fa toa misy hifandraisaina avokoa ny olana any . Ny antony dia mbola maro ireo tsy faly tamin’ilay fisamborana ilay mpimasy sy ny namany tany Vohipeno niaraka tamin’ny « sorabe » izay teo amin’ity olona ity, kanefa dia izao miseho izao indray ny olana momba ny resaka fitakiana ny ataon’ny mpianatra . Raha ny vaovao voaray dia mitohy tsy miato ny fivorian’ireto voalaza farany mba handaminana ny raharaha, ary omaly alarobia aza dia saika nafampana ihany ny ady hevitra, ka zary nisy naha-voatonona ny foko merina ho mpanimbazimba mihitsy. Ny anio no ahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo.
Naivo kely Madagascar Tribune


novalian'i Fiffi ny 17/06/2007 11:46
2. bozyboleta ( 07/06/2007 10:31)
Asa aloha na vavan-gazety fa raha ny fahitana io lahatsoratra io de sal@ hoe tafiditra ao anaty haraton'ny mpanakorontana ara-politika ny anaran'ny katolika @ zao.
Ary tena vao maika politika raha any Fianarantsoa io tranga io no miseho satria mino aho fa misy hifandraisany @ Pety sy ny maha-avy any ny Kardinaly ty resaka ty.
Asa aloha fa fijeriko io e!
3. xxx ( 07/06/2007 10:38)
ka izao ny vokatry ny fanambarana tsy voalanjalanja ny fiatraikany. Nefa tsy hay koa na izao mihitsy no notadiavina!
4. Fiffi ( 07/06/2007 10:41)
ka tsy hay intsony le fandehan-raharaha fa mifangaro am politika....
5. jentilisa ( 09/06/2007 08:34)
Izao vao miteny ny vicaire any fa tsy ao ambadik'izao filaharana izao mihitsy ny fiangonana katolika!
6. Fiffi ( 11/06/2007 07:02)
ié ! hitako ny lahatsoratra iny !
7. bozyboleta ( 11/06/2007 11:05)
Fa maninona no tsy i Arseveka mitsy no manao fanambarana na mamory mpanao gazety toy ny fanaony?
Sa i vicaire ihany de ampy hamono ny afo?
Nefa efa ny anaran'ny fiangonana katolika mitsy ange zany no solokian'ny sasany e!
8. xxx ( 11/06/2007 11:51)
Izaho aloha dia tsy mino ity voalazan'ny gazety ity mihitsy e! Betsaka ny lainga ao anatiny. Manana havana mipetraka any Fianar aho, ary manana zandry mianatra ao amin'ny college SFX. Fa samy nihomehy fotsiny ry zareo niresahako an'io. Tena lainga be.

Asa mety avoaka gazety angamba aloha de tanterahana avy eo.
9. Fiffi ( 17/06/2007 11:46)
de asa fa lasa resaka politika be le izy....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2755