Mila an'i Jesoa isika

1. LazaDaddy ( 07/06/2007 01:20)
Amin'ny zavatra rehetra atao sy kasaina (na amin'ny zavatra haintsika na amin'ny zavatra tsy haintsika) dia mila an'i Jesoa mpamonjy mandrakariva isika.

Ohatra tsotra azo raisina ny fakam-panahy toy ito:
- hanoratra hafatra eto amin'ny serasera koa ve dia ilaina vavaka? (olona firy arivo anefa ny iantefan'izany?)

novalian'i prime ny 13/06/2007 10:38
2. Fiffi ( 07/06/2007 05:40)
LazaDaddy:

Amin'ny zavatra rehetra atao sy kasaina (na amin'ny zavatra haintsika na amin'ny zavatra tsy haintsika) dia mila an'i Jesoa mpamonjy mandrakariva isika.
hatram-zay ka mandrakizay !


3. niryna ( 07/06/2007 06:52)
Ka Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy Izy.Hitady an'ny ray isika dia izy no antsoy fa hamaly tokoa Izy.
4. prime ( 07/06/2007 14:01)
LD> Miala tsiny dieny mialoha fa tsy azoko tsara ilay tianao ahatongavana hoe : tsy mety ve izany ilay mivavaka isaky ny hametraka hafatra ohatra sa ilay mpametraka hafatra no tratran\'ny fakam-panahy ka manaonao foana sahy miteny io voalaza io...

Misaotra amin\'ny fanampim-panazavàna...
5. LazaDaddy ( 07/06/2007 20:14)
prime> mifanohitra @ izany ny tiako ambara ka. Tena tokony hivavaka mihitsy fa ilay fakam-panahy miteny hoe: "izay hanoratra hafatra eto koa ve dia ivavahana!"

io ilay hoe heverintsika fa zavatra madinika sy tsy misy lanjany kanefa...dia izay no anankinana azy @ i Jesoa foana na heverintsika fa kely nalehibe, na haintska na tsy haintsika :)
6. marozevo ( 07/06/2007 21:00)
Jesoa oh !
Amin'iza indray no holazaiko.
Ny fahoriana manjo ahy.
Raha toa ianao izay antenaiko.
Tsy ho eo akory hihaino ahy.

O ô mila namana aho.
7. ari.malala ( 08/06/2007 14:22)
Mitoera eto amiko o ry Jesoa be fitiavana
Saro-tahotra ny foko sady mora mianjera...
Iza no hiaraka amiko? O ry Jesoa mitoera!
8. marozevo ( 08/06/2007 17:27)
Mandrosoa e... Mandrosoa ato an-tranonay Ianao ry Jesoa.
9. xxx ( 08/06/2007 21:10)
LazaDaddy:

prime> mifanohitra @ izany ny tiako ambara ka. Tena tokony hivavaka mihitsy fa ilay fakam-panahy miteny hoe: "izay hanoratra hafatra eto koa ve dia ivavahana!"

io ilay hoe heverintsika fa zavatra madinika sy tsy misy lanjany kanefa...dia izay no anankinana azy @ i Jesoa foana na heverintsika fa kely nalehibe, na haintska na tsy haintsika :)


Na vao hiditra ny dinika Fivavahana aza isika dia mila mivavaka fa maro ny olona tsy mahafantatra fa atao'ny satana fitaovana fotsiny ary milaza hevi-diso sy miteniteny foana tsisy resaka fivavahana:oops:.Araho tsirairay ny lohateny rehetra dia ho hitanareo.Soa ihany fa mamaky baiboly ny tena dia mba mahafantatra ny marina na tsy dia mahay aza:oops:
10. marozevo ( 09/06/2007 00:00)
Misaotra anao aho, ry Ray fa tsy mba nataonao mitovy amin'itsy Poblikana itsy.
Izaho mifady hanina isan'andro, manao asa soa, tsara fitondran-tena.....

Mamindra fo amiko, Tompo, fa mpanota aho....

Nony nidina nody izy roalahy, dia ilay Poblikana no efa nohainoan'Andrimanitra.
11. prime ( 11/06/2007 14:17)
LD> Misaotra, tena marina ny voalazanao sy xxx... misaora amin'ny fampatsiahivana...

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany...^:^
12. ikaretsaka ( 12/06/2007 03:50)

Ohatra tsotra azo raisina ny fakam-panahy toy ito:
- hanoratra hafatra eto amin'ny serasera koa ve dia ilaina vavaka? (olona firy arivo anefa ny iantefan'izany?)


Tokony tsy ho tonga ao an-tsaina akory anefa izany raha tena "nivavaka sy nanolotra ny andro" tokoa ianao.

Raha tonga de ilay vavaka manao hoe : "Ry fon'i Jesoa Andriamanitra, atolotro anao (Miaraka amin ny vavak'i'i Maria Madio Indrindra sy ny Olomasina ary ny anjely rehetra ) ny fivavahako, ny asako ny hafaliako,ny hatezarako, ny fijaliako, sy ny ny ataoko rehetra amin'ity androany ity ho fanoherana ny fahotako sy fandraisako anjara amin'ny sorona nanoloranao tena teo ambony Otely"
No nanombohanao ny andronao!
13. marozevo ( 12/06/2007 08:32)
ikaretsaka > Vive le FET; vive IK-VK.
14. prime ( 13/06/2007 10:38)
Ika> Ny fiainan'ny mpino rehetra na inona atao na inona atao dia tokony ho fiainam-bavaka fa tsy voafetran'ny vavaka indray mandeha fanombohana andro ihany na ilay iray alohan'ny handriana ihany koa fotsiny...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1452