App foto num

1. andry44 ( 06/06/2007 09:53)
Mety ho tratry ny virus koa ve ry zalahy ny appareil photo numérique reny?
Ohatra refa lay hamindra sary makany @ ordi iny ohatra?
novalian'i andry44 ny 10/06/2007 19:59
2. xxx ( 09/06/2007 13:57)
ie. Refeha misy virus ny ordi iray dia tsy tokony atoka-monina mihitsy : tsy azo anatsofohana cd, na disket, na appareil photo, na imprimante, sns mihitsy. Mety ho simba mantsy ny mémoire-n'ireo zavatra notanisaiko ireo, na koa mety hamindra amin'ny appareil hafa izy.
3. andry44 ( 10/06/2007 10:12)
de tsy azo tsaboina tsony zany lay appareil avy eo?
4. sitlo ( 10/06/2007 15:06)
Raha ny fahafantarako azy dia tsy tokony hisy virus ny appareil photo. Aiza moa no dia tsy hisy, fa tsy simba. Fa afaka mamindra kosa anefa araka io xxx io, raha nanao copie virus tam ordi nafindra tam app photo ianao dia ho voan'ny virus ny ordi hafa ampifandraisinao amin'iny app photo iny.
Ny antony mantsy dia ny programa ao anaty app photo dia efa vita hatramin'ny nanamboarana azy fa tsy mety ovana. Tsy mahafantatra ny app photo rehetra aho fa ny fantatro hatrizao dia any anaty circuit integre (ci) no misy ny programa rehetra. ci izany mitovitovy amin'ireny BIOS am ordi ireny.
Dia io programa io no mandeha mijery ny zavatra rehetra ao anaty memory card, ilay memoire flash fisaka kely iny. Ny fichier rehetra dia ao am memory card: sary, mety asiana fichier hafa koa na ficher misy virus aza. Ka noho izany raha ka misy virus ny fichier dia mety tsy ho voavakin'ny app photo fotsiny.
Ilay izy ohatra ny hoe lecteur vcd na dvd. Raha misy virus ny vcd na dvd atsofokao ao dia tsy tokony handeha fotsiny izao fa tsy hanimba ny appareil.
Izao andramana raha izaho ianao. Formateo am camera ilay memory card. Na raha tsy mety dia formateo am ordi aloha dia avy eo formateo am camera amin'izay.
Dia mazotoa
5. andry44 ( 10/06/2007 19:59)
Mety ho marina ihany reo voalazan'i stilo reo fa na izany aza de aleo mailo e!!:lol:
Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816