Toeran'ny "Renivohitra" sy ny Toekarena Iraisam-pirenena

1. Jeankely ( 06/06/2007 04:40)
Sarotra sady Politika lalina ity saingy resahana satria hevitra tsapa sy hita. Raha mijery ireo firenena lazaina ho nandroso haingana toy Singapore, Hong Kong na ny hafa dia mahita fa tsy lavitra ny seranan-tsambo no misy ny "Capital" na Renivohitra. Ny antsiaka moa tsy hoe ratsy fa any ampovoantany no misy azy. Izany hoe ny toeran'ny mpitondra, ny "Embassy", ny misy ny infrastructures izay ahafahana miasa amin'ny tandrify azy sy ny fanaovana taratasy amin'ny ankapobeny. Marina fa miezaka ny hanaparitaka ny asa rehetra isamparitra ny fitondrana na izany aza mbola hafa ny renivohitra. Koa asa iza no mpitondra ahasahy hanorina tanana vaovao sahala ny nataon'ny Firenena hafa?
novalian'i Jeankely ny 09/06/2007 07:47
2. caprio ( 06/06/2007 11:20)
tsy mazava tsara ny tianao lazaina,fa nga efa nisy firenena nanova ny capital ho any akaikin'ny serana-tsambo?de ahona zany ireo firenena marobe mandroso kanefa ny capital ny ampovoan-tany,zay no lazaiko we dinio tsara ry ledada fa tsy mazava loatra ny tinareo ambara
3. Jeankely ( 08/06/2007 04:21)
Efa miresaka aho ery ambony ry ledada hoe jereo Hong Kong sy Singapore an. Ary ny resaka fananganana tanana vaovao dia ianao no tsy mandinika fa saika manao izany daholo ny firenena maro fa tsy midohika amin'ny toerana iray.
4. LazaDaddy ( 08/06/2007 04:49)
tsy mitombona kosa angamba ilay hevitr'i Jean kely amiko fa manao jery vilana. Ny firenena nandroso haingana indrindra dia i Japon sy Allemagne taorian'ny ady lehibe. I Japon moa nosy kanefa jereo hoe aiza ny "capital". I Allemagne (RFA) koa aiza ny "capital"?
5. Jeankely ( 09/06/2007 07:47)
Mety tsy mitombona hoy ianareo ary tsy laviko ny fijerinareo saingy mba diniho raha hanao zavatra any M/car dia sarotra tokoa ny resaka lalana, sns ary mampitombo "Cout" ka mety hitovy amin'i Japon sy ny hafa izay mandrosobe amin'ny resaka "infrastructure" rehetra ve? Zavatra sarotra koa izany ary aleo ho any fa tsy hanamafy iny intsony aho e. Efa mihezaka hanangana "zone industriel" any amin'ny faritany ry zalahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2973