Tsy mahay Politika ny malagasy ary tsy nateraka hanao azy

1. ronaldo09 ( 05/06/2007 10:21)
Raha atao ny fandinihana dia tsy nateraka hanao politika ny malagasy ,ary tsy mahay politika! Be ihany izay revolution natao tao Dago izay ,ny grevy tao ny ra latsaka nefa tsy hita hoe aiza ho aiza no itondran'ny mpanao politika an'i Madagasikara ary aiza i Madagasikara raha eo amin'ny sehatra politika no jerena?
Ny mpanao politika Malagasy dia toa mahery antaniny fotsiny fa raha eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia toa tsy hita !!!Faly ny hifanakiana sy ny hitondra fotsiny fa tsy hita be eny ihany!
Raha jerentsika zao aty Afrika dia misongadina ry Kaddafi sy ry Mougabe,Mandela ary ry Wade....Tsy ny didy jadona akory no ilazako iretsy roa voalohany fa ny fahasahiana miteny ....ary mba aiza ireo mpanao politika gasy e???Na mpanohitra aza dia malaza be eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ry Bernard Kolela(Congo Brazza) ,Etienne sese kedi (Kongo Kinshasa ) sns...ary ny mpanohitra malagasy mba iza no malaza???
Hoy fotsiny aho hoe :tsy mahay politika ny gasy ary tsy nateraka hanao izany!Ny antony ny filoha Ravalomanana dia tsy mpanao politika talohan'ny nahatongavany teo amin'ny fitondrana saingy amin'izao fotoana itondrany izao no hita fa misy ny stabilite politika ao Mada ,ny antony dia tsy mahavita na inona na inona ny mpanohitra na dia mivory atsy mivory aroa mihetsika atsy mihetsika aroa!Io no mba iderako sy amporisihako ny filoha satria toa manao zavatra tsy ampiheverana loatra ny mpanao politika malagasy!
Ary mba misy faculite-na Polotologie ve ao Dago e?Raha tsy misy aoka hasiana fa tsy misy politika vanona ao Dago !
novalian'i Jeankely ny 08/06/2007 03:28
2. Jeankely ( 05/06/2007 10:36)
Marina ny anao ary izay no nanokafako loha-hevitra hoe ny tanora amin'izao no tokony hianatra tsara ary tsy manaiky ataon'ny Politika lany andro sy tsy nakaiza fitaovana fa mba hisongadina any aoriana. Sa manaiky ny ho gisitra mandrakizay izany isiaka? Aza adino fa mirehareha ny olona amin'ny tany hafa satria efa nahita izany hoe nahazera Fiaramanidina mpiady Amerikana na hafa fa isiaka kosa dia ny faharesena no betsaka ary ny mifampitsongoloka anatiny ao no tena hay ka aiza no tsy tia ho vazaha ny tanora ary matahotra ny lazaina ho Malagasy. Resaka Satana e, Demony e izany no andaniana rondoha. Miandry anareo hivoatra sy ho lasa alavitra ny Firenena ry Tanora a.
3. xxx ( 05/06/2007 10:45)
Marina izany ,raha nahay ny mpanao politika gasy mba niakatra ny firenena fa tsy nitotongana tahaka izao ary na sport na ekonomia samy gisitra daholo ary efa milentika ny anaran'ny Madagasikara zany hoe tsy mba misy zavatra azo entina mirehareha amizany atao hoe :Madagasikara izany.
Mpanao politika tsy mahay!!!
4. ronaldo09 ( 05/06/2007 10:54)
Azafady !!!Politologie fa tsy polotologie .Mihinambary aza misy latsaka!
5. bozyboleta ( 05/06/2007 11:08)
Betsaka reo milaza azy ho mpanao politika no nianatra politika t@ fianarana ambony ary azo lazaina aza fa tokony ho nanana ny toerany ihany (ohatra i Pasitera), fa ny fahavoazany de tsy nahay nampiasa ny politika politisiana t@ toerany fa nampiana fihetseham-po be loatra (état d'âme)de nisavoana.
Ireo mpanao politika gasy goaika antitra atao hoe efa miverin-tsaina ka tsy mahagaga raha miteniteny sy manaonao foana, fa ireo tanoranora ndray jamban'ny fankahalana olona diso tafahoatra sy ny fitadiavan-tseza ka tsy mahay manavaka intsony ny tsikera hampandroso (critique constructive) fa tafalatsaka @ fanapotehana ny tanora sy ny firenena.
6. patrick2002 ( 05/06/2007 14:27)
amiko dia tsy hoe ny mpanao politika gasy no tsy mahay ,fa ny olom-pirenena malagasy mihintsy ,no tsy manana an'izany civisme ,na koa ny patriotisme ,hanotany aminao izaho hoe mba firy ny hetra haloan'i olom-pirenena malagasy iray dia ho gaga ianao . Samy manao izay tsy handoavana hetra ,na gasy ambony na ambany na antenantenanany,hany ka izay mpanao politika manao demagogue ihany no mahazo toerana sy fidin'i vahoaka ,fidio izao fa mihena ny vidim-bary ,hamboariko ny lalana, hasiako hopitaly ,aiza no hanaovana anireo raha tsy miasa ny vahoaka ,mapiditra hetra ,SAMY MIANDRY RAHA BOJO ABY NY MALAGASY ,:cry::cry:, hany ka izay tonga eo mameno posy dia miala.:oops::oops: mahamenatra.
7. xxx ( 05/06/2007 15:20)
marina daholo ny voalaza ao ambony fa tena hitako mitombina tsara koa ny analysen'i patrick.
8. Jeankely ( 06/06/2007 02:05)
Tena samy marina ny fomba fijerinareo ary efa hita sy voaresaka any @ loha-hevitra hafa fa ny tsirairay no tena mitondra ny fandrosoana. Ohatra mivaingana moa ny resaka Hetra voalaza etsy ambony. Na OLona ambany na ambony hoy izy samy mitsoaka izany avokoa saingy amin'ny fijeriko indray dia ny ambony sy lehibe no fitaratra ka raha vao ireo no mamala-kira dia mihitatra amin'ny vahoaka rehetra. Ampiasan'ny "Mpanao Politika Malagasy mihintsy ny hoe: "sao lany ihany ny paiso ankady fa aleo koa mba haka ny anjarako aho". Izany no hifampireharehana ary rehefa tompon'andraikitra amin'ny fanjakana dia atangorona eo antokotany daholo ny Fiara-panjakana ka raha tonga ny hoe soloina @ toerany dia simbaina ny fananam-panjakana ary hatsipy eny @ varavarakely ny fanalahidin'ny Fiara. Izy rehetra anefa dia mirehareha fa nahavitabe tamin'ny Madagasikara ity ary raha mba tsy mankasitraka ny korontana ianao fa mila izany fandrosoana izany dia lazaina koa fa miandany ary mpanohana ny fitondrana na koa voatsentsina volabe ka be resaka satria izay no Politika aminy. Tsara indrindra rehefa samy mifoha ary tonga saina isiaka vahoaka ary haelezo izay hampivoatra ny sain'ny namana fa ny mpanao politika maloto ny vahoaka ihany no manafay azy.
9. ratanana ( 07/06/2007 13:07)
bon tsy mbola namaky tsara ny hevitran'areo aho fa voalonany indrindra de izao:
tsisy zavatra hay tany ankibon dreny ry akama, zavatra ianarana daholo io, ary betsaka ny mahay azy fa ny olana de toe tsaintsika malagasy tena lomorina miala tsiny aho amin'le fiteny fa marina io lazaiko io. inona moa nama no maha samy hafa atsika amin'nt sinoa nefa aiza ry zareo amin'izao. japon, betsaka anie ry zalahy ny malagasy mahay miasa aty an dafy aty e! inona ny antony tsy mampody ady le toe tsaitsika ao m/car bon mbola be ny hotantaraina fa amin'ny manaraka manao misy2.
10. Jeankely ( 08/06/2007 03:28)
Toe-tsain'ny Mpitondra nifanesy angamba fa lazao mazava. Nifaninana amin'ny ratsy ary aza adino fa ireo nivoaka avy andafy anie no tena nomena toerana sy nitondra tao noho izany tsy nahay nitondra ny zavatra tsara izy ireny izany. Asa iza no olombelona manda izany hoe fivoarana izany fa ny sasany moa dia ny handetika ihany no fatany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0333