Andriamanitra mahery(Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina)

1. cristal ( 05/06/2007 07:39)
(l)(l)(l)Raha nanao tafika masina tany @ faritra Madihivato iny ny mpino maromaro tao @ FLM 67ha dia namangy tokatrano maromaro;nisy anefa tokatrano iray nalehan'izy ireo tsy dia mbola tao anatiny finoana sy faharetana ka namoaka teny hoe elabe koa izy izany nefa teo @ 5mn teo no hany nivanihanana tao;rehefa handeha ireto mpino ireto ny andro hodiana aty tana dia nisy olona niteny niazakazaka nanao hoe;mahery Andriamanitra ary tsy azo itenenan-dratsy izy satria raha iny hiakatra ho aty tana iny ity renimpianankaviana namoaka ilay vava hoe elabe izy izany dia voahitsaky ny fiara ka maty!Fehiny miala nenina @tsika farany Andriamanitra ka izay ampahafatarina ny momba azy ankehitriny ka mino dia voavonjy fa raha manda kosa dia homelohany avy hatrany nefa aleo mandinika fa tsy miteniteny foana ny an'Andriamanitra!Tantara marina vao t@ Herinandro io!(l)
novalian'i prime ny 06/06/2007 12:11
2. LazaDaddy ( 05/06/2007 07:50)
1) Ataoko fa tsy fanompana ny fitenenana hoe "ela be izy izany". Raisiko ho anatra ho ahy ny olona miteny izany.

2) Izaho dia anisan'ny mpananatra ny olona ao @ fikambanana misy ahy tsy hanao vavaka lava reny. Matetika ny vavaka lava reny dia miodikodina sy miverimberina, ka mahamonaina ny tsy mpino indrindra indrindra.

=> Raha tianao ho tafita ny hafatra na vavaka dia ataovy fohy kanefa mafonja

3) Mampalahelo raha lasa fanesoesoana ny voina mihatra @ ilay fianakaviana.
3. marozevo ( 05/06/2007 09:06)
Sao dia heverinareo àry fa ireny olona nianjeran'ny tilikambon'i Silô ireny no tena mpanota. Tsia hoy aho aminareo, fa raha tsy mibebaka ianareo dia hoy toy ireny koa.

Sao dia heverinareo fa ireo olona nataon'i Heroda tao anaty memy afo no tena mpanota. Tsia hoy aho aminareo....

Sao dia heveriko fa ilay ramatoa voahitsaky ny fiara no tena mpanota. Tsia... fa raha tsy mibebaka aho dia ho toa azy koa.
4. diamondra27 ( 05/06/2007 09:28)
Io le voalaza ao @ baiboly hoe: anio raha mihaino ny feony ianao dia aza manamafy ny fonao

izao ny andro ankasitrahana

5. diamondra27 ( 05/06/2007 09:36)
diamondra27:

Io le voalaza ao @ baiboly hoe: anio raha hihaino ny feony ianareo ; aza manamafy ny fonareo tahaka ny t@ fahasosorana HEBREO 3:15

izao ny andro ankasitrahana





6. hps ( 05/06/2007 13:54)
Tsara ihany aloha ny mahafatatra,fa vokatrin'ny Fanahy mibitsika ao anaty ny ahafahan'ny olona miova fo ka miala @ ratsy fanaony @ izay fotoana izay dia tsy hisy intsony ny iasan'ny asan'ny devoly ka hilaza hoe: Lava loatra ny vavaka,na hoe ataovy fohy kely fa Mafonja.(mahamonamonaina)
Tsarovy ry namana isany fa izay tarihin'ny Fanahin'Atra no zanany ka rehefa ny fanahin'Atra no miasa ao anatinao dia hajaka ao anatinao ny maha Atra mahery Azy(l)(l)
7. ari.malala ( 05/06/2007 14:36)
kanefa koa aoka tsy hoadino fa ny Fanahy anie no efa mivavaka hoantsika araka ity "
Rom8:26 -27:

De même aussi l'Esprit nous aide dans notre faiblesse, car nous ne savons pas ce qu'il nous convient de demander dans nos prières. Mais l'Esprit lui-même intercède par des soupirs inexprimables ;
et celui qui sonde les coeurs connaît quelle est la pensée de l'Esprit, parce que c'est selon Dieu qu'il intercède en faveur des saints


(miala tsiny fa tsy voadikako @ teny gasy)
8. diamondra27 ( 05/06/2007 15:00)
rehefa mitory dia tokony fantatra ny disponibilté ny le oul
na de manaiky aza izy we libre de jereo we mbola mi -intéresser sa tsia

de efa tokony ianarana daholo ny zavatra tiana ho lazaina @ izany ary ampiana ny fitarihan'ny Fanahy Masina fa tsy hoe: fanatika akory le fitorianteny


milaza ny zavatra ankapobeny aho fa tsy miteny le zavatra tokony nataon'ny mpanao tafika masina teto.



Atra efa niteny fa Atra tsy azo vazivaziana Izy
Atra marina, Mahery

9. niryna ( 06/06/2007 06:44)
hps:

Tsara ihany aloha ny mahafatatra,fa vokatrin'ny Fanahy mibitsika ao anaty ny ahafahan'ny olona miova fo ka miala @ ratsy fanaony @ izay fotoana izay dia tsy hisy intsony ny iasan'ny asan'ny devoly ka hilaza hoe: Lava loatra ny vavaka,na hoe ataovy fohy kely fa Mafonja.(mahamonamonaina)
Tsarovy ry namana isany fa izay tarihin'ny Fanahin'Atra no zanany ka rehefa ny fanahin'Atra no miasa ao anatinao dia hajaka ao anatinao ny maha Atra mahery Azy(l)(l)

=D=D

10. prime ( 06/06/2007 12:11)
cristal> tena mampalahelo izany zava-nisy izany ary mahontsa... mila fandinihan-tena lalina izany satria mbola hadinin'Andriamanitra ny tsirairay tamin'ny nataony avy... fandrao noho ny fahalavan'ny fotoana nataon'ny mpiantafika tokoa no nahatonga fahatafintohinana ka mihafara amin'ny tranga toy izao... ny an'ilay ramatoa efa vita ny azy, fa ny an'ny mpiantafika mbola mitohy ary mbola ho mafy kokoa no hitsaran'Andriamanitra ny mpino noho ny tsy mpino... fa na ny apostoly Paoly aza dia niteny toy izao :

"fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." I Korintiana 9:27

Ny toy izany indrindra no mila iambenana mafy rehefa hanafika satria ilay fahavalo koa tsy mipetra-potsiny... fa ny fahatafintohinan'ny olona iray dia tena mahatezitra an'Andriamanitra mihitsy, indrindra fa raha avy amin'ny mpino no mahatonga izany, satria famonjena fanahy ho amin'ny fanjakàn'Andriamanitra no nanirahan'i Kristy ny mpino fa tsy ny hitsara na hanameloka na ihany koa hanozona... fa raha lavo izany ramatoa izany dia mendrika ny hanarina izy avy amin'ireo mpiantafika ihany... nefa indrindra koa tsara mandinin-tena mafy ny mpiantafika ny amin'ny fotoana famangiana sy ny atao (ny fiomanana, fitiliana mialoha, fanangonam-baovao, famaritana ireo tokantrano hovangiana, famantarana mialoha ny ady atrehina sy ny olana isan-tokantrano, ny fotoana famangiana, ny halavan'ny fotoana hihaonana...) mba tsy hahatonga fahatafintohinana, indrindra fa ireo hovangiana fandrao ny ataon'ny mpiantafika no tsy mahatafiditra ny olona amin'ny fanjakàn'ny lanitra...

Miambena ry zareo a...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5946