Fanomezana ny fiainana..(vehivavy jamba/fehiny)

1. niryna ( 01/06/2007 21:26)
Nisy tovovavy jamba izay tsy tia ny tenany izy satria jamba.Tsy misy tiany daholo ny olona rehetra afats'ilay olon-tiany irery.Eo amin'ny mandrakariva ity tovolahy.Hoy izy raha mba mahita izao tontolo izao aho dia hanambady anao.
Indray andro nomen'olona maso izy ary dia nahita ny rehetra hatramin'ity tovolahy tiany.
Nanontany azy ity tovolahy"Efa mahita an'izao tontolo izao ianao ka afaka ny hanambady ahy amin'izay?"
Hendratra ilay tovovavy raha nahita ity tovolahy izay jamba ihany koa,ary dia nandaha ny hanambady azy izy.
Lasa ilay tovolahy miaraka ny ranomaso sy ny alahelo,nony afaka avy eo nanoratra ho an'ity tovovavy izy."Hiangaviako ianao ,karakarao tsara ny masoko."
(Ny masony no nomeny ilay tovovavy)
[u]FEHINY[/U]
Toy izao zavatra mitranga izao no mahazo ny sain'olona rehefa misy fiovana ny fiainana.
Vitsy ihany no mahatadidy ny fiainana taloha,sy ny iza no teo amintsika foana hatramin'ny fiainana rehetra izay mety nahazo.
[u]FANOMEZANA NY FIAINANA NA NY FIAINANA DIA FANOMEZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA.[/U]

Tokony hidera sy hankalaza Azy isan'andro isika,ho faly amin'izay rehetra nomeny antsika,hianatra ny ho tia ny tenantsika,hizara,hifampahery,ary tokony hisaotra azy mandrakariva fa tsy toa izao isika raha tsy nisy Azy.

*Androany alohan'ny hitenenanao tena mahatezitra na manafitohina olona.Eritrereto fa misy olona moana any tsy mba afaka miteny.

*Alohan'ny hitarainana fa ratsy ny sakafo.Tadidio fa misy olona tsy manan-kanina ho hanina any,mitsimpona sakafo eny amin'ny fako.

*Alohan'ny himenomenomana ny vadinao.Eritrereto fa misy olona maniry mafy mba hanana namana hiara-dia aminy amin'ny fiainana na namana fotsiny ihany aza.

*Androany raha mitaraina ny fiainana ianao.Diniho fa maro ireo olona efa lasa talohanao.

*Alohan'ny hitarainana ny momba ny ankizy.Eritrereto fa misy olona mitady zaza mafy any ,na tsy miteraka.

*Androan
novalian'i marozevo ny 10/06/2007 16:23
2. marozevo ( 01/06/2007 21:53)
Toa ohatran'ny fiml efa nandeha ity koo
3. diamondra27 ( 01/06/2007 21:56)
kay kay kay, mazana be zany an!

ny ahy ny mampimenomenona ahy de le olona tsy manaraka ny toro-hevitro, efa lazaina izao anefa fa toy izao sy izao ny zava-miseho fa mbola mafy loha ihany , de zay le tsy tantiko
Ankoatran'izay de la vie est belle
Raha tsy efa nandia ireo zavatra ireo ry nyrina tsy afaka ny hanao effort fa misy latsaka foana ao a!

Raha mbola tanora ianao dia mazotoa manao tafika masina fa ahitàna zava-maro ny fanaovanao izany.
Ho hitanao eny ny fiainan'ny olona hoe: ao ny ory ary ao ny manana
Ho moramora kokoa @izay ny manantanteraka ireo voalaza etsy ambony ireo

4. diamondra27 ( 01/06/2007 21:59)
izay ilay lazaiko foana eto hoe: tokony hifaly @izay anananao .

(l)Mifalia mandrakariva Ites5:16
5. niryna ( 02/06/2007 01:33)
*** Miala tsiny kely fa nisy tsy ampy,tsy feno, noho ny antony ara-teknika:D:D.Midongy tsy nety nanoratra intsony ilay ordinateur:roll::D=))=))

Nisy tovovavy jamba izay tsy tia ny tenany izy satria jamba.Tsy misy tiany daholo ny olona rehetra afats'ilay olon-tiany irery.Eo amin'ny mandrakariva ity tovolahy.Hoy izy raha mba mahita izao tontolo izao aho dia hanambady anao.
Indray andro nomen'olona maso izy ary dia nahita ny rehetra hatramin'ity tovolahy tiany.
Nanontany azy ity tovolahy"Efa mahita an'izao tontolo izao ianao ka afaka ny hanambady ahy amin'izay?"
Hendratra ilay tovovavy raha nahita ity tovolahy izay jamba ihany koa,ary dia nandaha ny hanambady azy izy.
Lasa ilay tovolahy miaraka ny ranomaso sy ny alahelo,nony afaka avy eo nanoratra ho an'ity tovovavy izy."Hiangaviako ianao ,karakarao tsara ny masoko."
(Ny masony no nomeny ilay tovovavy)
FEHINY[/U]
Toy izao zavatra mitranga izao no mahazo ny sain'olona rehefa misy fiovana ny fiainana.
Vitsy ihany no mahatadidy ny fiainana taloha,sy ny iza no teo amintsika foana hatramin'ny fiainana rehetra izay mety nahazo.
[u]FANOMEZANA NY FIAINANA NA NY FIAINANA DIA FANOMEZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA.[/U]

Tokony hidera sy hankalaza Azy isan'andro isika,ho faly amin'izay rehetra nomeny antsika,hianatra ny ho tia ny tenantsika,hizara,hifampahery,ary tokony hisaotra azy mandrakariva fa tsy toa izao isika raha tsy nisy Azy.

*Androany alohan'ny hitenenanao tena mahatezitra na manafitohina olona.Eritrereto fa misy olona moana any tsy mba afaka miteny.

*Alohan'ny hitarainana fa ratsy ny sakafo.Tadidio fa misy olona tsy manan-kanina ho hanina any,mitsimpona sakafo eny amin'ny fako.

*Alohan'ny himenomenomana ny vadinao.Eritrereto fa misy olona maniry mafy mba hanana namana hiara-dia aminy amin'ny fiainana na namana fotsiny ihany aza.

*Androany raha mitaraina ny fiainana ianao.Diniho fa maro ireo olona efa lasa talohanao.

*Alohan'ny hitarainana ny momba ny ankizy.Eritrereto fa misy olona mitady zaza mafy any ,na tsy miteraka.

---------------------------------------------------

*Raha maloto sy mikorontana ny tranonao ka sorena ianao?Fantaro fa misy olona mipetraka eny amoron-dalana.

*Rehefa reraka sy mitaraina ny asanao ianao.Maro ny olona tsy manana asa ary mitsiriritra ny asanao.

*Alohany eritreretanao ny hanaratsy na handratra fo olona.Tadidio fa tsy misy na iray aza tsy nanao fahadisoana.Ary isika rehetra dia mbola ho tsarain'ilay Ray ao ambony.

*Raha ny adin-tsaina sy ny fahoriana no manosika anao ho kivy.Mitsiky fotsiny ihany,asio fifaliana ny fiainanao.

[u]FANOMEZANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA NY FIAINANA


Tsiky dia ampy,tsy vidiam-bola io ka afaka manao an'io daholo isika rehetra.Misaora an'Atra fa mbola velona ianao.

[U]NY FIAINANA DIA TOY NY FANOMEZANA[/U] KA:HIFALIO-HAKASITRAO-TIAVO DIA HO HITANAO TSIKELIKELY NY FAHASAMBARANA:D8):P(l)(l)(l):*
(l)niryna
6. niryna ( 05/06/2007 05:29)
Ny finoana an'i kristy izany dia ampiarina amin'ny fiainana isan'andro.Tsy mora kanefa raha mahafantatra sy mihaino ny tenin'Atra foana isika dia mieritreritra kely foana vao manao izay tokony atao.Mety ve izany,ataovy toy ny tenenao foana izay zavatra tianao atao amin'ny olona.Aza mba reraka ny mizara,manaova foana ny tsara na tsy misy mijery anao aza dia ny fahamarinana foana no hiezaho fa tsy misy anenenanao mihitsy.:*
7. linarako2 ( 08/06/2007 21:27)
:roll:tena sarotra ho tanterahana daholo ireo fa hianarana tsikelikely angamba:D
8. marozevo ( 08/06/2007 23:57)
Morale izany zareo anh...
9. xxx ( 10/06/2007 16:02)
Mba fantany kosa ve hoe ilay tovolahy no nanome maso ho azy (na ilay mason'ilay tovolahy no nomena azy?) Raha fantatsika hoe I Jesosy Kristy no nanolotra ny ainy hahatonga antsika ho masio dia inona no ataontsika sy hamaliantsika ny fitiavany. Matetika ny zavatra ataontsika dia tahaka ilay tovovavy. Tsy te hahalala sy tsy te hahafantatra izay fampanatenana nataontsika tery alohha ... Raha, raha rahaUnderlined textHoy izy raha mba mahita izao tontolo izao aho dia hanambady anaoUnderlined text. Dia toy izay izany ny ankabeazan'ny olona e!
10. marozevo ( 10/06/2007 16:23)
Sa koa ilay tovolahy no tokony ho niteny hoe "Ao fa homeko anao ara ny masoko eh".

I Jesoa aza talohan'ny nanolorany ny ainy mbola nampiomana an'ireo mpianany koa : Mc 8 sy 9 ary 10. Toko ireo fa tadiavo ao ny andininy fa tsy tadidiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1639