Mahazo alalana hihaona amin'i kristy ve ireo olona talohany?

1. linarako2 ( 01/06/2007 17:50)
Mba mampieritreritra ahy ihany ity tenin'i kristy ity.
"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana,tsy misy olona mankany amin'ny Ray hafa tsy amin'ny alalako."
Dia ahoana izany ireo olona maty talohan'i kristy?
Moa ve hovonjeny satria tsy nisy nitory io teny io taloha?
Moa ve mahazo alalana hihaona amin'i kristy ireo olona taloha rehefa tonga ny fitsarana ka haka ny ondriny Izy,nahafantatra fotsiny izy ireo fa miandry ny mpaminany na Emmanoely hatramin'izay kanefa dia maty talohanyizy ireo?
novalian'i marozevo ny 03/06/2007 22:40
2. xxx ( 01/06/2007 20:39)

Voaloha indrindra aloha: Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra. Ny fitiavan dia mahavita izay tsy takitry ny saintsika olombelona.

Faharoa: ny fahitako ny olana ho anao eto dia resaka fotoana: temps. Ho an'Andriamanitra dia tsy misy ny lasa, sy ny ho avy. Ho antsika olombelona no misy an'izany. Ho azy dia Présent ihany. Ny dikan'izay dia teo lalandava izy hatramin'ny voalohany.
Manamarina izany izay voasoratra ao amin'i Evanjely nosoratan'i Md Joany manambara fa ny Teny (logos) dia tao amin'Andriamanitra hatramin'ny voalohany...

Hitombo ao amintsika anie ny fahalalana an'Andriamanitra. Amen
3. marozevo ( 01/06/2007 21:51)
Ankoatra io voalazan'i xxx io, dia azonao jerena koa izay voalazan'ny Evanjely nosoratan'i Matio. Ao amin'ny faramparany ao izy izay (Jereo ny Matio toko fa ha 27, ka ny andininy 51 sy 52) na koa soratana hoe Mt 27, 51-52.
4. ikaretsaka ( 02/06/2007 10:42)
Andriamanitra talohanny Zavatra rehetra koa i Kristy ka!
Izay ilay maha deity azy:

@ fiekem-pinoana katolika (tsy mbola haiko ny finoana sasany fa raha misy vao mainka tsara)
dia misy hoe
...."teraky ny Ray talohan'ny taona rehetra"----> efa nisy foana i kristy
fa "naka nofo t@ Maria Virijiny izy, nohon'ny herin'ny fanahy masina ...ka tonga olombelona"
5. marozevo ( 02/06/2007 13:34)
Andriamanitra avy amin'Andriamanitra,
Fahazavana avy amin'ny fahazavana,
Andriamanitra marina avy amin'Andriamanitra marina.
6. niryna ( 03/06/2007 06:41)
Marovezo>Izaho koa mba lasa eritreritra ihany nahita ity fanontaniana.Novakiko ny Matio 27:51-52 nomenao nilaza fa nitsangana daholo ireo maty taloha,dia mbola hiverina toy izany ihany koa ireo amin'ny fahatongavany sa efa tonga dia lasa any an-danitra.:roll:
Kanefa ilay izy indray miresaka hoe lasa nankany amin'ny tanana masina ary niseho ny maro.Tsy azoko ?
Io aloha dia efa manambara fa I Jesosy no manangana ny maty e.
7. marozevo ( 03/06/2007 22:40)
Amin'ny zavatra saro-baliana toy izao, dia tsy ny valiny no tokony hahamaika, fa ilay izy mampametra-panontaniana. Mampandinika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1304