Tranplantation

1. Imahaka ( 01/06/2007 10:14)
Ahoana ny fampianaran'ny Fiangonana ny amin'io resaka io? indrindra ilay taova "fo" mihitsy no soloina avy amin'ny olon-kafa?
Misaotra izay afaka manome "version ofisialy".
novalian'i marozevo ny 06/06/2007 19:06
2. Imahaka ( 01/06/2007 10:29)
Transplantation
3. ikaretsaka ( 01/06/2007 12:56)
tsy haiko ny momban'ny sasany:

Fa ho an'ny Katolika io dia resaka charity mihitsy no itondrany azy. Ohatran'ny hoe fitiavana eo @ samy pirahalahy sy mpianadahy ary ekena ara-pomba sy ara moraly. ary sacrifice hanavotana ny aina (izay sarobidy kokoa)
Tsy mampaninona ny manome organes olona hafa ivelomany raha ohatra ka tsy mahafaty sy tsy manembatsembana ny fahasalaman'ny roa tonta izany.

Ohatra velona: Voa (rein) n'ny rahalahiko no ato amiko, fa samy velona izao izahay mirahalahy!

Toy izao ny filazan'ny Papa (Joany Paoly faharoa)sy ny Vatican momba an'io:
"Those who believe in our Lord Jesus Christ, who gave His life for the salvation of all, should recognize the urgent need for a ready availability of organs for transplants a challenge to their generosity and fraternal love."

Raha sanatria fo ((l)) dia raha ohatra ka hita fa tsy ho avotra intsony ny tenany fa efa ambavahoana, nefa ilay olona mila azy mety ho avotra... dia tsy hitako ny olana
4. tywa68 ( 01/06/2007 16:59)
Raha fanomezana am-pitiavana no atao hanavotana olona dia mino aho fa tsy misy maharatsy izany : marina mihitsy io tenenin'i Ikaretsaka io !
5. marozevo ( 01/06/2007 22:23)
Tany Madagasikara no niseho ity tantara ity : Narary izay vazaha izay, Eveka izy io, ka rehefa hitany fa ho faty izy, dia nanafatra mba homena izay mila azy ny masony, ary dia nomena olona tokoa, ka nahasoa an'ilay nitondra azy. Tsy angano io fa tena misy. Tamin'ny taona 1973 no niseho ny tantara.
6. ikaretsaka ( 02/06/2007 03:29)
Efa henoko koe io tantaran'i marozevo io
7. marozevo ( 02/06/2007 13:46)
Tamin'ny 2003 aho dia tonga taty Europe, ary niezaka nitady ny tanindrazan'io Eveka vazaha io. Hitako tokoa ary hitako koa ny havany (nièce). Mipetraka tsy very tadidy ao amin zareo io tantara io.
8. Fiffi ( 02/06/2007 15:41)
efa henoko koh io tantara io...émouvant be...
9. marozevo ( 03/06/2007 22:57)
Ity koa misy tantara velona iray :
Narary mafy ity Mompera iray, ary nila voa (rein) izy fa raha tsy izany dia hofaty. Ny anabaviny no nanolotra ny rein ho azy, ary velona soa aman-tsara Ralehilahy, Mompera manko eh.
Tany Paris no niseho ny tantara fa gasy kosa io Mompera io, ary mbola velona soa aman-tsara amin'izao fotoana izao. Mipetraka ao Paris izy fa lasa nanao vakansy any Mcar amin'izao isika miserasera izao.

Fehiny : Transplantation moa no resaka eto, ary voalaza manokana ao ambony ao ny momba ny fo. Io aloha mbola tsy naheno na nahita aho, fa ny hoe nosoloina fo "pace maker" no efa henoko. Nefa raha mandinika aho dia mitovy ihany ny filozofian'ireo na maso na voa na fo no anaovana transplantation.
10. Imahaka ( 04/06/2007 08:55)
Misaotra anareo rehetra amin'ny valin-teny
11. ikaretsaka ( 04/06/2007 15:04)
Ohatra velona: Voa (rein) n'ny rahalahiko no ato amiko, fa samy velona izao izahay mirahalahy!

ny anay moa ny sangisanginay roalahy dia hoe rehefa sanatria maty ny 1 dia mbola misy vatany velona foana ao amin'ny anankiray!:-D
12. marozevo ( 04/06/2007 21:03)
Ho ela velona anie ikaretsaka sy ny rahalahiny.

Ilay hoe version ofisialy kosa angamba sarotra ny hanome azy eh. Tsy fantatra manko hoe ofisialy amin'iza.
13. Fiffi ( 05/06/2007 20:04)
marozevo:

Ilay hoe version ofisialy kosa angamba sarotra ny hanome azy eh. Tsy fantatra manko hoe ofisialy amin'iza.
nefa: "Il faut la foi pour trouver un foie


14. marozevo ( 06/06/2007 07:49)
Il était une fois
un homme de Foi
qui a donné son foie.
15. dailynews ( 06/06/2007 18:35)
Inona ny olana amin ny trasplantation?
nomen Atra fahaizana ny olombelona @ alalan ny fandidiana sy ny fitsaboana koa ampiharo.
ny resaka fo eto dia zavatra ara nofo be, tsy misy hidirany amin ny toe-po hananan ny olona izay vonjena amin ny alalan ny fandidiana.
ilay toe po no zava dehibe fa tsy ny fo ara bakiteny.
16. marozevo ( 06/06/2007 19:06)
Il était un hiver
un homme de prière
qui a donné son coeur
Mais ce n'était que la chair.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4633