Fa tsy misy na dia iray aza avy amiko!

1. xxx ( 01/06/2007 09:28)
[size=13px][center]Fa na talenta na fahaizana na saina
Sy izay rehetra azoko ampiasaina
Dia voninahitrao na dia toa kilalao
Fa tsy misy na iray aza avy amiko
Fa Anao ireny no nindramiko...[/center][/size]
Mba mila an'io tonon-kira io raha mba misy mahay azy e! (Henri Ratsimbazafy no mihira azy).

- Dia ahoana ny hevitsika amin'ny zavatra ambaran'io hira io?

Misaotra antsika mialoha, ary misaotra manokana an'i ari.malala koa.

Ho amintsika hatrany anie ny fitiavan'Andriamanitra.
novalian'i marozevo ny 04/06/2007 07:26
2. toovs ( 01/06/2007 09:50)
ka efa io le tononkira ko.

ho an'ny mpino fa Andriamanitra no manome ny zavatra rehetra de manaiky an'io izy.
ho an'ny tsy mino izany fa ny ezaka ataonao ihany no mahatafita sy ahazoanao zavatra de mampimé be azy enao.

fanontaniana tsy misy valiny iray io, raha tsy hoe angaha avahanao tsara izay antokon'olona anontanianao.
3. kelly13 ( 01/06/2007 10:02)
mmhh vao hitako teo izy ty, hira iany kanefa fa ny tonony tsy hananako http://sitlo.blaogy.org/2007/05/31/si-fito-henri-ratsimbazafy/
4. kelly13 ( 01/06/2007 10:03)
nindramiko sitlo fa milay b an, miciii elàh d kisss b miforetaka b
5. xxx ( 01/06/2007 10:10)
kelly13, sitlo: misaotra betsaka e
6. marozevo ( 01/06/2007 10:19)
Ohatran'ny misy site izay, fa tsy tsaroako misy tononkira be dia be an-dRatsimbazafy. Andramo tapena ery ambony amin'ny GOOGLE hoe ny anaran-dRatsimbazafy. Hikaroka aho ka raha mbola tsy hitanao dia omeko raha hitako.

Izaho manokana dia mimbon-kevitra amin'ny mpamorona an'io hira io.
7. Imahaka ( 01/06/2007 10:26)
Fa na talenta, na fahaizana, na saina,
sy izay rehetra nentiko ho nampiasaina
dia voninahitrao, na dia toa kilalao
fa tsy misy na iray aza avy amiko
fa anao ireny no nindramiko.


Ny fiainako manontolo
hatramin'ny elabe
dia narindranao daholo
na taiza no naleha
ka ny hany holazaiko
ny azoko hatao
dia izay takatry ny saiko
no isaorako anao.

Ny tongotro aman-tanako
ny feo, ny maso koa
izay lazaiko hoe fananako
dia avy aminao avokoa.
Ka n'inon'inona lazaiko
n'inon'inona hatao
dia tsy vokatry ny saiko
fa fanomezana avy aminao.
'Zay rehetra nomenao ahy
na ny saina, na ny fo
na ny tena, na ny fanahy
mba hamasino avokoa
Mba oneno re ny foko
tena ho tempolinao
ary dia Ianao no antsoiko
n'inon'inona atao.

Dia iriko mba hitohy
'zany fitahiana izany
na ho lava na ho fohy
ny androm-piainako eto an-tany.
Mba omeo ahy ny hery
sy ny toky avy aminao
fa raha izay izaho irery
tsy hahavita izay hatao.


8. xxx ( 01/06/2007 10:40)
Imamahaka: misaotra anao. Misaotra an'i marozevo koa.
9. linarako2 ( 01/06/2007 17:38)
xxx:

[size=13px][center]Fa na talenta na fahaizana na saina
Sy izay rehetra azoko ampiasaina
Dia voninahitrao na dia toa kilalao
Fa tsy misy na iray aza avy amiko
Fa Anao ireny no nindramiko...[/center][/size]
Mba mila an'io tonon-kira io raha mba misy mahay azy e! (Henri Ratsimbazafy no mihira azy).


Raha kristiana ilay olona dia tsy avy aminy mihitsy izay rehetra fananany,fahalalany,fahaizany.
Fa ho an'ny tsy kristiana dia ny herinao no hiankihinanao,tsy mino izy fa avy amin'Andriamanitra daholo izay rehetra.
10. tywa68 ( 01/06/2007 17:40)
Raha kristiana ilay olona dia tsy avy aminy mihitsy izay rehetra fananany,fahalalany,fahaizany.


Mitovy hevitra aminao :wink:
11. marozevo ( 01/06/2007 22:29)
Eo am-pihainoana ilay hira indrindra aho izao. Saiky handika azy eto, nefa efa io ambony io, fisaorana mitafotafo no atolotra an'ilay nanoratra azy eto.

Mbola misy maro koa ny hiran-dRatsimbazafy momba ny fivavahana :
-Andriamanitra fitiavana, Ianao no he nampiray...
-Faly aho raha hoy izy ireo tamiko...
-Tsy mendrika ahy mpanompo, ny hatao hoe zanakao...
sy ny sisa tsy voatanisa...
Sao dia mbola misy afaka manome koa !

Tena olomangan'ny kanto sy ny masina mihitsy Rangahy io. Ho ela velona anie izy.
12. cutie ( 01/06/2007 22:32)
Tsy mendrika ahy mpanompo, ny hatao hoe zanakao...

io no tena tiako :lol:
13. xxx ( 02/06/2007 02:26)
Tiako be io hira io ary miombon-kevitra amin'ilay namorona azy aho.

Efa nisy Choralie iray manontolo mihitsy natokana ho an'i Henri Ratsimbazafy tany Frantsa tany.
14. marozevo ( 02/06/2007 13:49)
Tsy mendrika ahy mpanompo ny hatao hoe zanakao.
Kanefa ianao ry Tompo no miantso ahy izao.
Izay manatona ahy, tsy ho laviko, hoy ianao.
Dia tamy aho ka sahy manatona anao.

Ianao no marina... mba amarino aho re.
Ianao no madio... mba diovy aho re.
Ianao no masina... Mba hamasino aho re.

Tsy mendrika ny hihinana ny latsaka amin'ny latabatrao aho, kanefa hoy ianao izay manatona ahy. Tsy ho laviko mihitsy. Noho ny teninao, duia sahiko ny manatona...

Asa na tena io ilay izy, fa ataoko tsianjery monga fotsiny. Tena tiako ilay hira, ka mba amarino raha sendra diso eh.
Misaotra
15. diamondra27 ( 02/06/2007 14:33)
xxx:

Tiako be io hira io ary miombon-kevitra amin'ilay namorona azy aho.

Efa nisy Choralie iray manontolo mihitsy natokana ho an'i Henri Ratsimbazafy tany Frantsa tany.


____________________________
toa manana site ange ny choralie fa tsy haiko le site e!
ze mahita manoro ôoooooooooooooo!:wink:
16. Fiffi ( 02/06/2007 15:44)
marozevo:

Tsy mendrika ahy mpanompo ny hatao hoe zanakao.
Kanefa ianao ry Tompo no miantso ahy izao.
Izay manatona ahy, tsy ho laviko, hoy ianao.
Dia tamy aho ka sahy manatona anao.
tsy mendrika ahy mpanompo ny hatao hoe zanakao....mapi-heritreritra lalina.....


17. cutie ( 02/06/2007 18:39)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 02-06-2007 15:49:57
Lohateny : Re : Fa tsy misy na dia iray aza avy amiko!
Tsy mendrika ahy mpanompo ny atao hoe zanakao.
Kanefa ianao ry Tompo no miantso ahy izao.
F'izay manatona ahy, tsy ho laviko, hoy ianao.
Dia tamy aho ka sahy manatona anao.

Ianao no marina... mba amarino aho re.
Ianao no madio... mba diovy aho re.
Ianao no masina... Mba hamasino aho re.

Tsy mendrika ny hitsimpona ny latsaka amin'ny latabatrao aho, kanefa hoy ianao izay manatona ahy. Tsy ho laviko mihitsy. Noho ny teninao, duia sahiko ny manatona...

Asa na tena io ilay izy, fa ataoko tsianjery monga fotsiny. Tena tiako ilay hira, ka mba amarino raha sendra diso eh.
Misaotra

tena io le izy ry marozevo a
kely fotsiny no nahitsiko:lol:
18. marozevo ( 03/06/2007 23:00)
Misaotra an'i cutie ary eh.
Aiza ilay hoe "kely fotsiny" nahitsy ?
19. cutie ( 04/06/2007 02:47)
marozevo
ito
Tsy mendrika ny hitsimpona ny latsaka amin'ny latabatrao aho
20. marozevo ( 04/06/2007 07:26)
Hita fa misaotra... Ankoatra an'io zany marina ? Faly be aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2992