FANOMEZAM-PAHASOAVANA VE NY FIANARANA TONTOSA TSARA?

1. tsiafoi1 ( 31/05/2007 16:14)
Azo raisina ho fanomezam-pahasoavana ve ny fianarana zvt iray ka tontosa soamatsara izany : ohatra hoe Fitsaboana, Fianarana langue, Fianarana manamboatra zvt simba,... ka hanasoavana ny tena sy ny mpiara-belona?
novalian'i prime ny 15/06/2007 11:12
2. diamondra27 ( 31/05/2007 16:34)
ny fanomezm-pahasoavana dia be de be
amiko raha nianarana dia asa izay fa tsy don

ny don dia zavatra nomena maimaimpoana
3. tsiafoi1 ( 31/05/2007 16:42)
kanefa iza no nanome saina sy fahasalamana ary aina ka nahatontosana ilay fianarana. Moa tsy Andriamanitra?
4. tsiafoi1 ( 31/05/2007 16:48)
misy teny ao @'ny Soratra Masina we "Andrao ianao hanao anankam-po we, ny heriko no nahavoriako harena..., fa tsarovy Jehovah Andriamanitra izay nanome anao ny aina sy ny hery...", Ohatran'izay le teny fa tsy tadidiko le verset fa omeko manaraka

Ny dikan'izany de izao, avy amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, fanomezan'Andriamanitra ny zavatra rehetra, na ny saina, na ny fahalalana, fa io na hikiry hianatra koa aza rehefa tsy vocation na talent de tsy tafa mihitsy e!
5. xxx ( 31/05/2007 17:10)
Ny dikan'izany de izao, avy amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, fanomezan'Andriamanitra ny zavatra rehetra, na ny saina, na ny fahalalana, fa io na hikiry hianatra koa aza rehefa tsy vocation na talent de tsy tafa mihitsy e!

Miombon-kevitra aminao aho.


Hanapiako azy kely dia hoe: Miara-miasa amintsika mandrakariva Andriamanitra.
6. kelly13 ( 31/05/2007 18:41)
tsiafoi1:

misy teny ao @'ny Soratra Masina we "Andrao ianao hanao anankam-po we, ny heriko no nahavoriako harena..., fa tsarovy Jehovah Andriamanitra izay nanome anao ny aina sy ny hery...", Ohatran'izay le teny fa tsy tadidiko le verset fa omeko manaraka

Ny dikan'izany de izao, avy amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, fanomezan'Andriamanitra ny zavatra rehetra, na ny saina, na ny fahalalana, fa io na hikiry hianatra koa aza rehefa tsy vocation na talent de tsy tafa mihitsy e!



eka ouz
7. ikaretsaka ( 01/06/2007 04:39)
avy amin'andriamanitra ny zavatra rehetra.. fa andriamanitra koa tsy manampy nytsy manampy ny tenany ...
8. ari.malala ( 01/06/2007 06:46)
Fa na talenta na fahaizana na saina
Sy izay rehetra azoko ampiasaina
Dia voninahitrao na dia toa kilalao
Fa tsy misy na iray aza avy amiko
Fa Anao ireny no nindramiko...
9. Fiffi ( 01/06/2007 07:05)
tsiafoi1:

Ny dikan'izany de izao, avy amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, fanomezan'Andriamanitra ny zavatra rehetra, na ny saina, na ny fahalalana, fa io na hikiry hianatra koa aza rehefa tsy vocation na talent de tsy tafa mihitsy e!
marina zany ! de anjaran'tsirairay no mamokatra ny zava-tsoa nom'Andriamanitra eo am-pelatanany...


10. Fiffi ( 01/06/2007 07:05)
nomen'Andriamanitra fa nisy diso
11. diamondra27 ( 01/06/2007 08:57)
ohabolana 3:

and 5: Matokia an'i Jehovah @ fonao rehetra, fa aza miankina @ fahalalanao

and 7: Aza manao anao ho hendry

12. niryna ( 02/06/2007 03:26)
ikaretsaka:

avy amin'andriamanitra ny zavatra rehetra.. fa andriamanitra koa tsy manampy nytsy manampy ny tenany ...

ika a .io hoe Atra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany io vao noresahinay omaly.Nisy nilaza hoe teny noforonon'ny olona hono io fa tsy ao anaty baiboly.Marina ve izany?
Atra hoy izy manampy izay olona tsy afaka manampy ny tenany intsony,mahafantatra fa tsy vitany irery ity fiainana ity.Ahoana ny hevitrareo?

13. niryna ( 02/06/2007 03:54)
Raha resaka fanomezana ara-panahy nomena ny mpino na (spiritual gift for believers) no asiko teny kely eto dia:hafatra mikasika ny fahendrena,ny fahalalana,finoana,fahasoavana manasitrana,fahagagana vokatry ny fivavahana,mpaminany,mahafantatra ny fanahy maro karazany(ratsy na tsara),fiteny izay mety misy,fiteny izay ny fanahin'olona sy ny fanahin'Atra ka miresaka aminy mivantana izy(Believer communicates directly to God),fiteny tsy fantatra ary misy mpandika teny eo,mitory teny eo amin'ny mpiangona kanefa tsy nomanina fa nomen'Atra ho toriny.Ireo izany no anisany karazana gift na don nomena ny mpino.1 kor 12:8-10

Ny zavatra nianarana kosa dia niankina ilay olona nandrato azy,kanefa mino kosa aho fa hery avy amin'Atra no nahavitany izany.

14. prime ( 15/06/2007 11:12)
tsiafo1> Tena marina ny filazan'ise fa avy amin'Andriamanitra mihitsy izany... fa saingy tsara fotsiny ny manavaka ny hoe "fitahiana" sy ny hoe "fanomezam-pahasoavana"...

Ny fahavitan'ny fianarana soamantsara dia fitahiana (bénédiction) mihitsy... fa ny fahalalàna noratovina, fahendrena notovozina, fahaizana azo ary fifehezana izany ao araka ny sitrapon'Andriamanitra no mahatanteraka ireo ho fanomezam-pahasoavana (dons spirituels)... raha ny sorarta masina no arahina dia anisany mihitsy ohatra ny fahaizana mampianatra, fahaizana mananatra...

Ika> Tsy tenin'Andriamanitra mihitsy ny hoe "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"... toy ny hoe : "Feom-bahoaka, feon'Andriamanitra", "Aza ny lohasaha mangina jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha"...
Fahendrena ireny araka ny lovan-tsofina sy ny fitaizàna ara-piarahamonina fa tsy tenin'Andriamanitra velively...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106