"Raiso ny Fanahy Masina"

1. LazaDaddy ( 31/05/2007 02:07)
Raiso ny Fanahy Masina hoy i Jesoa @ ireo mpanara-dia Azy. Dia manontany tena aho hoe:

1) Hita taratra eo amin'ny fiainako ve izany Fanahy Masina izany?
2) Manana hetaheta ny handalina sy hiaina ny Tenin'Andriamanitra ve aho?
3) Fitiavana ve no mibahana ato anatiko sa fankahalana?
4) Mikatsaka ny hampiroborobo ny fanjakan'ny lanitra ve aho sa misakana izay rehetra mitady izany?
5) Feno famelan-keloka aho sa manana lolom-po sy mikendry valifaty?
6) Manetry tena aho sa feno fireharehana?
7) Miantehitra amin'ny finoana aho sa fahaizana amam-pahalalana?

Ny valin'ny fanontaniana faha enina (6) no nozaraiko tamin'ny olona vitsivitsy omaly ka zaraiko aminareo eto koa:
=> mila manetry tena aho satria feno fireharehana. Ny fireharehako dia "ny fiheverako fa manetry tena aho". :)
novalian'i prime ny 11/06/2007 13:13
2. cutie ( 31/05/2007 02:10)
ahona moa ny andraisana an'le FM:roll:
3. LazaDaddy ( 31/05/2007 02:19)
cutie> Hoy i Jesoa:

"Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo." Jaona 14:16-17
4. cutie ( 31/05/2007 02:21)
misaotra fa mazava:lol:
5. ikaretsaka ( 31/05/2007 03:23)
Hoy i jesoa manontolo amin\'io resaka io...
raiso ny fanahy masina.. izay heloka avelanareo dia voavela, fa izay tananareo dia voatana.
1)eny
2)manana dia manana fa sady koa notsilovin\'ny FM aho hino fa tsy voafetran\'ny voasoratra ihany ny hafatr\'Andriamanitra fa manafatra sy miteny foana izy mandrak\'izao segondra ilazako izao, amin\'ny alalan\'ny zava-boahary

3)fitiavana sy finiavana te hanitsy ny fiheverana tsy ampy mba hahafantaran\'ny namana rehetra ny tena finoany!

4)Mikatsaka ny fampiroboroboana ny fanjakan\'ny lanitra aho ary manazava ny olona tsy hinohino foana sy handinin-tena aloha mba hahafantarany kokoa aloha hoe aiza ny finoany nohon\'ny hinoany zavatra amin\' a pas fotsiny sy finoana amin\'a pas ka vao mainka hahavery ny fanahiny

5-6)Ny olona no aoka hitsara

7)Mihatehitra amin\'izy 2 aho, mba ialako amin\'ny finoanoam-poana sy tsy hahatery ny saiko sy hi evalue-ko foana hoe aiza aho dia mankaiza
6. nathie86 ( 31/05/2007 06:29)
ikaretsaka:


5-6)Ny olona no aoka hitsara


Aleo tsy hitsara mba tsy ho tsaraina eh
7. ikaretsaka ( 31/05/2007 06:35)
nathie:wink:
HOz'y i Pere pedro izay hoe "Ts'inotsinona aho, ny asako no ahalalana ahy"
8. nathie86 ( 31/05/2007 06:52)
in io ratsy tarehy b io ô
9. rtol ( 31/05/2007 08:02)
Raha toa ka ao aminao ny Fanahy Masina ary koa vonona ny handray azy ianao dia mitombo hatrany ny hetahetanao handalina sy hiaina ny tenin\'Andriamanitra, hitoetra ao amianao ny fandeferana tsy hisian\'ny fankahalana, miezaka sy manampy ny mpiara belona aminao ianao @ fikatsahana sy faùmpiroboroboana ny fanjakan\'ny Lanitra, tsy manana fo lentika, tsy tia mirehareha, ary mamampinoana.
Raha aravona zany dia miankina aminao ny hahazoanao ny Fanahy Masina nefa tsy vitan\'ny vava fotsiny ny fandraisana azy fa mila ezaka sy fahafoizantena betsaka.
Koa dia mirary soa ho antsika rehetra
10. Mandefitra ( 31/05/2007 09:12)
1/Gal 5 :
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

Tsy tokony ho hita taratra eto @ fivavahana sy finoana zany ny hoe vo miteny i xxx1 de fanoherana avy hatrany no ataon i xxx2 satria tsy mitovy finoana aminy na halany tsotra zao i xxx1.Fa raha misy fanitsiana, atao ampitiavana, ary le olona hahitsy koa mandray aloha, mandini-tena, ary manaiky hohavaozin'ny Fanahy Masina, fa tsy miziriziry @ toetra efa manafintohina ny sasany.
11. LazaDaddy ( 31/05/2007 09:22)
Mandefitra> misaotra fa dia tena ahitana taratra ny Fanahy Masina tokoa ny teny fahendrena sy fananarana nomenao:)
12. xxx ( 31/05/2007 13:12)
LazaDaddy: Dia ho hita eo ny tohiny.

Mivavaka ho anao hatrany.
13. xxx ( 31/05/2007 13:32)
tsy nahavôray FM zany Lazadaddy fa toundé ni-juger be ftsn tatsy ambadika tatsy :)
14. linarako2 ( 31/05/2007 13:46)
nathie86:

ikaretsaka:


5-6)Ny olona no aoka hitsara


Aleo tsy hitsara mba tsy ho tsaraina eh


Marina izany,toa feno fanakianana sy fitsarana be ato.Raha miresaka fivavahana ka izay porofo no omena,toa tsy mety resy lahatra ny marina isika.
Ny ahy aloha dia ny ao anaty baiboly no hitaritako ny zavatra rehetra.Ny zava-boary izany efa tafiditra ao anaty baiboly,ny fiandohana.

15. xxx ( 31/05/2007 14:29)

linarako2:
Ny ahy aloha dia ny ao anaty baiboly no hitaritako ny zavatra rehetra.Ny zava-boary izany efa tafiditra ao anaty baiboly,ny fiandohana.

Dia ahoana ny hevitrao amin'izay voalazan'i Md Joany ao amin'ny famaranany ny Evanjely nosoratany?
16. ikaretsaka ( 31/05/2007 15:31)
"na izao tontolo izao aza tsy ampy hono " ka tsy ferako ho izay voalazana boky aloha ny ahy e!
ny ahy dia mibitsika amiko lalandava Andriamanitra.
"Tadiavo amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra dia ho hitanao fa eo akaikinao Izy" Hoy i Pierre Claver izay
17. prime ( 06/06/2007 14:51)
Ny fanahy masina raha ny fahitako azy no tena fototra mampiorina ny finoana rehetra raha ny amiko no lazaiko... ary azo azoko ambara mihitsy aza hoe raha tsy misy ny firaisana aminy dia toa zava-poana ny filazàna ho mpino kristiana...
18. niryna ( 11/06/2007 00:20)
LazaDaddy:

Raiso ny Fanahy Masina hoy i Jesoa @ ireo mpanara-dia Azy. Dia manontany tena aho hoe:

1) Hita taratra eo amin'ny fiainako ve izany Fanahy Masina izany?

Amiko hita taratra Izy satria manana fahatokisana Azy hanampy sy hanoro ary hitari-dalana ahy.Feno fifaliana lava ny fiainako na inona mitranga,na inona manjo,tsy mamaly ratsy ny ratsy.:cry:

2) Manana hetaheta ny handalina sy hiaina ny Tenin'Andriamanitra ve aho?

Isan'andro,isan'ora :D

3) Fitiavana ve no mibahana ato anatiko sa fankahalana?

Jesosy kristy no efa nampianatra ny hoe tiava ny fahavalonao ary aza manisy ratsy izay tsy tia na manameloka anao.Tsy anao ny fahamaliana hoy ny Tompo fa ahy.Dia faly aho satria vao maika mahatsapa ny Fanahy Masina miaraka amiko aho.

4) Mikatsaka ny hampiroborobo ny fanjakan'ny lanitra ve aho

Ny fampifantarina ny mpiara-belona fa tsy misy famonjena na iray aza fa Jesosy irery ihany no mpanavotra ,izy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay.Io dia efa ampy ahy feno mangarangarana.:D

sa misakana izay rehetra mitady izany?

Afaka misakana izay tsy tia aheno ny tenin'Atra kanefa fohy ny fotoan'ny satana ka ataony daholo izay tetika rehetra hisitomana ny marivo saina amin'ny zavatra rehetra tsy mifanaraka ny baiboly.Anjarako,sy anjaranao ny mahafantatra izay tokony ho izy.


19. niryna ( 11/06/2007 00:42)
LazaDaddy:

5) Feno famelan-keloka aho sa manana lolom-po sy mikendry valifaty?

Miaiky ny fahotako aho,mibebaka amin'ny amin'ny rehetra.Manana finoana aho fa mamela ny heloko Izy.
Hoy Izy" fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny horam-panala.
Izay fiaikena ny heloka izay no maha samy hafa ny olona,raha nahafantatra sy nahatsapa izy fa voavela ny helony,moramora ho azy koa ny hamela heloka ny hafa.
Ny lolom-po sy ny havona ary ny fankahalana dia anisany toetra ratsy,tsy manana an'Atra aho raha mbola mitazona sy manao ireo,tsy mora fa miezaka kosa ny tsy hanao ary mivavaka ny hamela ny manana ady amiko ary mamela azy ihany koa.
Tsy ahy ny valifaty fa an'Atra.

6) Manetry tena aho sa feno fireharehana?

Izay manetry tena no asandratra ary izay asandratra no aetry.
Amiko dia ny fanetre-tena no tena zava-dehibe amin'ny maha kristiana ahy.Ary mampiova ny fiainako rehetra ny fanaovako izany sad y manamaivana ny olana mitranga isan'andro ny fampiarana azy:D.

7) Miantehitra amin'ny finoana aho sa fahaizana amam-pahalalana?

Ny fananako an'i kristy velona ato anatiko dia efa hery iray lehibe ahafahako mandrato izay fahalalana kely nomeny ahy.Ny finoako an'i Jesosy kristy izay mpamonjy sy mpanavotra ahy.Ny finoako fa Izy irery ihany no ahitako ny famonjena.Tsy afaka ny hiantehitra amin'ny fahaizako aho satria Atra no loharanon'ny fiainako.
Ny soratra masina manambara fa :Matokisa Azy amin'ny zavatra rehetra,aza miantehitra amin'ny fahalalanao na ny fahaizanao,amin'izay rehetra ataonao dia mahatokisa Azy fa ataony ho tanteraka sy ho lavorary ny lalanao sy ny fiainanao rehetra.:D Io no ampiasaiko sy ampiariko amin'ny fiainako isan'andro.
(l)niryna


20. diamondra27 ( 11/06/2007 07:36)
FANAMARIHANA:

Tsy afaka ny handray ny Fanahy Masina ny olona iray raha tsy efa nandray an'i Jesosy Kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4404