za

1. xxx ( 30/05/2007 19:59)
Za reto vao mbola imbitsy kely no tany am-piangonana hatramizay niainako. Izaho mantsy mino an'Andriamanitra fa tsy mino loatra ny fiangonana satria ny mpiangona tany aminay tena naditra be. Dia izaho niezaka nanaja ny didy, indrindra fa ny fahotana mahafaty. Mazava ho azy moa izany fa tsy nanaja velively ny andro sabata :-P.
Dia ny fanontaniako dia hoe: ilaina marina ve ny batemy sy ny fandraisana sns...? :oops:
novalian'i marozevo ny 03/06/2007 23:22
2. ikaretsaka ( 30/05/2007 20:00)
ilaina ilay izy raha hitanao fa mety aminao
3. xxx ( 30/05/2007 20:12)
Raha tena resy lahatra amin'ny Finoana sy ny fitiavana an'i Kristy ianao dia tena ilaina ny miroso ami'ireo sakramenta ireo.

Mivavaka ho anao mba ho azonao tsara ny maha zava-dehibe an'ireo Sakramentam-pitiavana ireo.
Hanilo anao anie ny Fahazavan'i Kristy. Amen
4. pissoa ( 30/05/2007 20:28)
xxx : efa voalazan'ny namana ireo fa ilaina izany.

Fanamarihana kely fotsiny : raha te handeha any ampiangonana ianao, dia mandehana. Tadidio fa olona mitovy aminao ihany ireo olona heverinao fa "maditra" ireo : manana ny kilemany, ary tsy izy no hivavahanao. Ianao aza afaka manao modely ho azy raha heverinao fa ilaina izany. Ka tsy vahaolana amiko ny fialana ny fiangonana :oops:
5. marozevo ( 30/05/2007 22:16)
Tsy tonga ho an'ny marina anie Izy, fa ho an'ny mpanota eh. Marina fa naditra be toa antsika daholo ny mpivavaka, nefa tsarovy fa olona mitady famonjena toa antsika koa ireo.
Mahereza, Rahavana.
6. Fiffi ( 31/05/2007 05:33)
xxx:
Izaho mantsy mino an'Andriamanitra fa tsy mino loatra ny fiangonana satria ny mpiangona tany aminay tena naditra be.
heu....tsy de azoko loatra an ! naditra be ny mpiangona tany am-nao ? de ny fiangonana ve no navela tsy nidirana ?

raha andé hiangona manko , nga ny olona no jerena ? na izany aza de efa zava-dehibe ny fihezahanao hiverenanao hiangona indray....tohizo hatrany !


7. majesty ( 31/05/2007 07:32)
Ilaina ny mivavaka ka,sady tsy ny olona no ivavahanao fa Andriamanitra :D
8. tsiafoi1 ( 31/05/2007 09:15)
Marc 16 : 16
"Celui qui croira et qui sera baptisé sera sauvé, mais celui qui ne croira pas sera condamné"

Vakio ireto dia ho azonao ny dikan'ny sakrametan'ny batemy :

Romains 6:1-6
Colossiens 2:12,13
Actes 2:38 ; 16:30-33 et 22:16
Matthieu 28:19,20

Vakio indry ireto dia ho azonao ny dikan'ny sakrametan'ny fandraisana :

1 Corinthiens 10:16,17 et 11:23-30
Matthieu 26:17-30
Apocalypse 3:20
Jean 6:48-63 et 13:1-17





9. booboo ( 31/05/2007 09:44)
Ankoatra ny efa voalazan'ny namana hafa, amiko dia :
-Isan'ny fanoloran-tena ho Azy ny batisa dia hamafisina @ Fandrasaina ny Fanasan'ny Tompo avy teo. Mandritra ny fiomanana ho @ ireo sakramenta ireo dia ampahafantarina ao ny dikany, ny foto-pinoana sns fa tsy hoe te hatao batisa na te ho lasa Mpandray dia lasa zao :°). Afaka manapa-kevitra tsara avy teo "en connaissance de causes" hoe hiroso sa tsia...
10. marozevo ( 01/06/2007 22:45)
Dia jereo koa ny Efeziana 5 raha tiantsika ho azo ny atao hoe Sakramentan'ny mariazy. "Zava-dehibe no lazaiko amin'izany, dia mankamin'i Kristy sy ny Fiangonana...."

Dia jereo koa ny Jakoba 4 raha tiantsika ny hahazo ny Sakramentan'ny marary. "Misy marary ve ao aminareo ? Aoka izy hampiantso ny Pretran'ny Fiangonana..."

Dia jereo koa ny Joany 19 sy 20 ary 21 raha tiantsika ny hahazo ny momba ny Sakramentan'ny filaharana masina. "Moa tia ahy mihoatra noho ireto va ianao ?... Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay havelanareo...".

11. piste ( 03/06/2007 12:46)
Enga koa anie isika mba tsy ho fanafintohinana ho an'izay mbola marefo.
Marina tsy ny olona( pretra, kristianina) no jerena raha resaka finoana kanefa tsy azo adino ihany koa ny dimension sociale ny Fiangonana.
Ka raha contre témoignage no asehontsika na koa raha ambiance hafahafa no hita ao dia sarotra ho an'izay vaovao ihany ny ho resy lahatra avy hatrany.
12. marozevo ( 03/06/2007 23:22)
Raha ny amin'ny henan-tsampy, dia izao no ambarako anareo, -hoy i Paoly - : Mihinana ianareo tsy mahazo tombony, tsy mihinana tsy maty antoka. Saingy raha hanafintohina ny rahalahiko madinika ny fihinanako henan-tsampy (Hena natolotra tamin'ny sampy), dia tsy mahafaty antoka ahy ny tsy hihinana hena mandrakizay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.32